< Ezekiela 15 >

1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
主の言葉がわたしに臨んだ、
2 Ry zanak’ olona, inona no ihoaran’ ny tahom-boaloboka noho ny hazo rehetra, dia ny sakeli-boaloboka izay isan’ ny hazo any an’ ala?
「人の子よ、ぶどうの木、森の木のうちにあるぶどうの枝は、ほかの木になんのまさる所があるか。
3 Moa mba fangalan-kazo hatao zavatra akory va izy, na mba fangalana fihantonan-javatra?
その木は何かを造るために用いられるか。また人はこれを用いて、器物を掛ける木釘を造るだろうか。
4 Indro, hatsipy any anaty afo hataina izy; ny laniny roa ho levon’ ny afo, ary ny tenatenany ho may. Ka moa azo atao zavatra akory va izy?
見よ、これは火に投げ入れられて燃える。火がその両端を焼いたとき、またその中ほどがこげたとき、それはなんの役に立つだろうか。
5 Indro, fony izy tsy mbola nahafahana aza, dia tsy azo natao zavatra, koa mainka fa rehefa levon’ ny afo sy may izy?
見よ、これは完全な時でも、なんの用をもなさない。まして火がこれを焼き、これをこがした時には、なんの役に立つだろうか。
6 Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Toy ny tahom-boaloboka amin’ ny hazo any an’ ala, izay natolotro hataina, dia toy izany no hanolorako ny mponina any Jerosalema.
それゆえ主なる神はこう言われる、わたしが森の木の中のぶどうの木を、火に投げ入れて焼くように、エルサレムの住民をそのようにする。
7 Ary hanandrina azy ny tavako; hiala avy amin’ ny afo izy nefa ho levon’ ny afo hafa indray; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manandrina azy ny tavako.
わたしはわたしの顔を彼らに向けて攻める。彼らがその火からのがれても、火は彼らを焼き尽す。わたしが顔を彼らに向けて攻める時、あなたがたはわたしが主であることを知る。
8 Ary hataoko lao ny tany noho ny nivadihany tamiko, hoy Jehovah Tompo.
彼らが、もとりそむいたゆえに、わたしはこの地を荒れ地とすると、主なる神は言われる」。

< Ezekiela 15 >