< Ezekiela 10 >

1 Ary hitako fa, indro, teo ambonin’ ny eloelo izay teo ambonin’ ny lohan’ ny kerobima dia nisy tahaka ny vato safira; tahaka ny endriky ny seza fiandrianana no fijery azy; ary Jehovah niseho teo amboniny.
Then I looked, and saw, in the expanse that was over the head of the cherubim there appeared above them as it were a sapphire stone, as the appearance of the likeness of a throne.
2 Ary niteny tamin-dralehilahy nitafy rongony fotsy Izy nanao hoe: Midìra eo anelanelan’ ny kodia, dia eo ambanin’ ny kerobima, ary fenoy vain’ afo avy eo anelanelan’ ny kerobima ny tananao roa, ka afafazo amin’ ny tanàna izany. Dia niditra teo imasoko izy.
He spoke to the man clothed in linen, and said, "Go in between the whirling wheels, even under the cherubim, and fill both your hands with coals of fire from between the cherubim, and scatter them over the city." He went in as I watched.
3 Ary ny kerobima nitsangana teo amin’ ny ankavanan’ ny trano, raha niditra ralehilahy; ary feno ilay rahona ny kianja anatiny.
Now the cherubim stood on the right side of the house, when the man went in; and the cloud filled the inner court.
4 Dia niakatra niala teo amin’ ny kerobima ny voninahitr’ i Jehovah ho eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny trano; ary feno ilay rahona ny trano, ary ny kianja dia feno ny famirapiratan’ ny voninahitr’ i Jehovah.
The glory of the LORD mounted up from the cherub, and stood over the threshold of the house; and the house was filled with the cloud, and the court was full of the brightness of the LORD's glory.
5 Ary ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima dia re hatrany amin’ ny kianja ivelany, toy ny feon’ Andriamanitra Tsitoha, raha miteny.
The sound of the wings of the cherubim was heard even to the outer court, as the voice of El Shaddai when he speaks.
6 Ary rehefa nodidiany ralehilahy nitafy rongony fotsy, nataony hoe: Manalà afo avy eo analenelan’ ny kodia, eo anelanelan’ ny kerobima, dia niditra izy ka nitsangana teo anilan’ ny kodia.
It came to pass, when he commanded the man clothed in linen, saying, "Take fire from between the whirling wheels, from between the cherubim," that he went in, and stood beside a wheel.
7 Ary ny kerobima anankiray naninjitra ny tànany avy teo anelanelan’ ny kerobima, tamin’ ny afo Izay teo anelanelan’ ny kerobima, dia nangalany ka nataony teny amin’ ny tànan-droan’ ilay nitafy rongony fotsy; ary rehefa nandray izany ralehilahy, dia nivoaka.
The cherub stretched forth his hand from between the cherubim to the fire that was between the cherubim, and took of it, and put it into the hands of him who was clothed in linen, who took it and went out.
8 Ary nisy nitarehin-tànan’ olona niseho teo ambanin’ ny elatry ny kerobima.
There appeared in the cherubim the form of a man's hand under their wings.
9 Ary hitako fa, indreo, nisy kodia efatra teo anilan’ ny kerobima, dia kodia iray avy teo anilan’ ny isan-kerobima; ary ny tarehin’ ny kodia dia toy ny volon’ ny vato krysolita.
I looked, and look, four wheels beside the cherubim, one wheel beside each cherub, and the appearance of the wheels was like a beryl stone.
10 Ary izy efatra dia nitovy tarehy, toy ny kodia anatin’ ny kodia.
As for their appearance, the four of them had the same likeness, like a wheel within a wheel.
11 Raha nandeha izy, dia nandeha tamin’ ny hitsin’ ny lafiny efatra; tsy niherika izy raha nandeha, fa tamin’ ny hitsin’ izay natrehin’ ny lohany ihany no nalehany; tsy niherika izy raha nandeha.
When they went, they went in their four directions: they didn't turn as they went, but to the place where the head looked they followed it; they didn't turn as they went.
12 Ary feno maso manodidina ny tenany rehetra sy ny lamosiny sy ny tànany sy ny elany mbamin’ ny kodia; izy efatra dia samy nisy kodia avokoa.
Their whole body, and their backs, and their hands, and their wings, and the wheels, were full of eyes all around, even the wheels that the four of them had.
13 Ny amin’ ny kodia dia reko nisy niantso azy hoe: Ry kodia!
As for the wheels, they were called in my hearing, "the whirling wheels."
14 Ary samy nanana tarehy efatra avy izy: ny tarehin’ ny voalohany dia nitarehin-kerobima, ary ny tarehin’ ny faharoa dia nitarehin’ olona, ary ny fahatelo nitarehin-diona, ary ny fahefatra nitarehim-boromahery.
Every one had four faces: the first face was the face of the cherub, and the second face was the face of a man, and the third face the face of a lion, and the fourth the face of an eagle.
15 Ary niakatra ny kerobima. Izany dia ilay zava-manan’ aina hitako teo amoron’ ny ony Kebara ihany.
The cherubim mounted up: this is the living creature that I saw by the river Chebar.
16 Ary raha nandeha ny kerobima, dia mba nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha nasandratry ny kerobima ny elany hiainga tsy hipaka amin’ ny tany, dia tsy nisaraka taminy koa ny kodia.
When the cherubim went, the wheels went beside them; and when the cherubim lifted up their wings to mount up from the earth, the wheels also didn't turn from beside them.
17 Raha nijanona izy, dia mba nijanona koa ireo, ary raha niainga izy, dia mba niainga koa ireo: fa ny fanahin’ ny zava-manan’ aina no tao aminy.
When they stood, these stood; and when they mounted up, these mounted up with them: for the spirit of the living creature was in them.
18 Dia niala avy teo ambonin’ ny tokonambaravaran’ ny trano ny voninahitr’ i Jehovah ka nijanona teo ambonin’ ny kerobima.
The glory of the LORD went forth from over the threshold of the house, and stood over the cherubim.
19 Ary nasandratry ny kerobima ny elany, ka niainga tsy nipaka tamin’ ny tany teo imasoko izy, raha nivoaka, ary teo anilany ny kodia ary samy nijanona teo anoloan’ ny vavahady atsinanana amin’ ny tranon’ i Jehovah izy ireo; ary ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.
The cherubim lifted up their wings, and mounted up from the earth in my sight when they went forth, and the wheels beside them: and they stood at the door of the east gate of the LORD's house; and the glory of the God of Israel was over them above.
20 Izany dia ilay zava-manan’ aina hitako teo ambanin’ Andriamanitry ny Isiraely teo amoron’ ny ony Kebara; ary fantatro fa kerobima ireo.
These were the living creatures that I saw under the God of Israel by the river Chebar; and I knew that they were cherubim.
21 Samy nanana tarehy efatra avy izy, sady samy nanana elatra efatra avy koa; ary nisy nitarehin-tànan’ olona teo ambanin’ ny elany.
Every one had four faces, and every one four wings; and the likeness of the hands of a man was under their wings.
22 Ary ny endriky ny tarehiny dia nitovy tamin’ ilay efa hitako teo amoron’ ny ony Kebara ihany, dia ny endriny sy ny tenany; ary ny hitsin’ ny tavany no nalehany.
As for the likeness of their faces, they were the faces which I saw by the river Chebar, their appearances and themselves; they went every one straight forward.

< Ezekiela 10 >