< Eksodosy 1 >

1 Ary izao no anaran’ ny zanak’ Isiraely izay niaraka tamin’ i Jakoba nankany Egypta; samy nandeha mbamin’ ny ankohonany avy izy rehetra:
以色列的眾子,各帶家眷,和雅各一同來到埃及。他們的名字記在下面。
2 Robena sy Simeona sy Levy ary Joda;
有呂便、西緬、利未、猶大、
3 Isakara sy Zebolona ary Benjamina;
以薩迦、西布倫、便雅憫、
4 Dana sy Naftaly, ary Gada sy Asera.
但、拿弗他利、迦得、亞設。
5 Ary ny isan’ ny olona rehetra naterak’ i Jakoba dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta rahateo.
凡從雅各而生的,共有七十人。約瑟已經在埃及。
6 Ary maty Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin’ izany taranaka rehetra izany.
約瑟和他的弟兄,並那一代的人,都死了。
7 Ary ny Zanak’ Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany.
以色列人生養眾多,並且繁茂,極其強盛,滿了那地。
8 Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an’ i Josefa.
有不認識約瑟的新王起來,治理埃及,
9 Ary izy niteny tamin’ ny vahoakany hoe: Indro, ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely efa maro sy mahery noho isika;
對他的百姓說:「看哪,這以色列民比我們還多,又比我們強盛。
10 andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahìny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin’ ny tany.
來吧,我們不如用巧計待他們,恐怕他們多起來,日後若遇甚麼爭戰的事,就連合我們的仇敵攻擊我們,離開這地去了。」
11 Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin’ ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an’ i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.
於是埃及人派督工的轄制他們,加重擔苦害他們。他們為法老建造兩座積貨城,就是比東和蘭塞。
12 Nefa araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia natahotra ny Zanak’ Isiraely indrindra ny Egyptiana.
只是越發苦害他們,他們越發多起來,越發蔓延;埃及人就因以色列人愁煩。
13 Dia nampanompoin’ ny Egyptiana fatratra ny Zanak’ Isiraely,
埃及人嚴嚴地使以色列人做工,
14 ka nataony mangidy ny fiainany tamin’ ny fanompoana mafy, dia tamin’ ny feta sy ny biriky mbamin’ ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra.
使他們因做苦工覺得命苦;無論是和泥,是做磚,是做田間各樣的工,在一切的工上都嚴嚴地待他們。
15 Ary ny mpanjakan’ i Egypta niteny tamin’ ny mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran’ ny anankiray, ary Poa no anaran’ ny anankiray)
有希伯來的兩個收生婆,一名施弗拉,一名普阿;埃及王對她們說:
16 ka nanao hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin’ ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy.
「你們為希伯來婦人收生,看她們臨盆的時候,若是男孩,就把他殺了;若是女孩,就留她存活。」
17 Nefa natahotra an’ Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain’ ny mpanjakan’ i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy.
但是收生婆敬畏上帝,不照埃及王的吩咐行,竟存留男孩的性命。
18 Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan’ i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka novelominareo ihany ny zazalahy?
埃及王召了收生婆來,說:「你們為甚麼做這事,存留男孩的性命呢?」
19 Fa hoy ny mpampivelona tamin’ i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy.
收生婆對法老說:「因為希伯來婦人與埃及婦人不同;希伯來婦人本是健壯的,收生婆還沒有到,她們已經生產了。」
20 Dia nasian’ Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona.
上帝厚待收生婆。以色列人多起來,極其強盛。
21 Ary tamin’ izany, satria natahotra an’ Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen’ Andriamanitra zanaka izy.
收生婆因為敬畏上帝,上帝便叫她們成立家室。
22 Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an’ i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.
法老吩咐他的眾民說:「以色列人所生的男孩,你們都要丟在河裏;一切的女孩,你們要存留她的性命。」

< Eksodosy 1 >