< Eksodosy 8 >

1 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mankanesa ao amin’ i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
The LORD spoke to Moses, Go in to Pharaoh, and tell him, "This is what the LORD says, 'Let my people go, that they may serve me.
2 Fa raha mandà ka tsy mandefa azy ianao, indro, Izaho hamely ny taninao rehetra amin’ ny sahona;
If you refuse to let them go, look, I will plague all your borders with frogs:
3 dia hisy sahona betsaka any Neily, ary hiakatra ireny ka hankao amin’ ny tranonao sy ny trano fandrianao sy eny ambonin’ ny farafaranao sy any amin’ ny tranon’ ny mpanomponao sy amin’ ny vahoakanao ary eny amin’ ny fanendasa-mofonao sy eny amin’ ny vilia fanaova-mofonao.
and the river shall swarm with frogs, which shall go up and come into your house, and into your bedchamber, and on your bed, and into the house of your servants, and on your people, and into your ovens, and into your kneading troughs:
4 Dia ho aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra no hiakaran’ ny sahona.
and the frogs shall come up both on you, and on your people, and on all your servants.'"
5 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona hoe: Ahinjiro ny tananao mitana ny tehinao eny ambonin’ ny sampan-drano ary eny ambonin ny lahin-drano sy ny heniheny, ka mampiakara ny sahona ho eny amin’ ny tany Egypta.
The LORD said to Moses, "Tell Aaron your brother, 'Stretch forth your hand with your staff over the rivers, over the streams, and over the pools, and cause frogs to come up on the land of Egypt.'"
6 Ary nahinjitr’ i Arona tambonin’ ny rano tany Egypta ny tànany; dia niakatra ny sahona ka nandrakotra ny tany Egypta.
Aaron stretched out his hand over the waters of Egypt; and the frogs came up, and covered the land of Egypt.
7 Ary ny ombiasy mba nanao toy izany koa tamin’ ny fankatovany ka nampiakatra ny sahona ho eny amin’ ny tany Egypta.
The magicians did in like manner with their secret arts, and brought up frogs on the land of Egypt.
8 Ary Farao dia nampaka an’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mangataha amin’ i Jehovah hampialany ny sahona amiko sy amin’ ny vahoakako; dia halefako ny olona mba hamono any zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah.
Then Pharaoh called for Moses and Aaron, and said, "Pray to the LORD, that he take away the frogs from me, and from my people; and I will let the people go, that they may sacrifice to the LORD."
9 Ary hoy Mosesy tamin’ i Farao: Aoka hiseho ny voninahitrao noho izay hataoko; rahoviana no hangatahako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny sahona aminao sy amin’ ny tranonao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy?
Moses said to Pharaoh, "I give you the honor of setting the time that I should pray for you, and for your servants, and for your people, that the frogs be destroyed from you and your houses, and remain in the river only."
10 Dia hoy izy: Rahampitso. Ary hoy kosa izy: Aoka àry dia ho araka ny teninao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an’ i Jehovah Andriamanitray.
He said, "Tomorrow." He said, "Be it according to your word, that you may know that there is none like the LORD our God.
11 Ary ny sahona dia hiala aminao sy amin’ ny tranonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy.
The frogs shall depart from you, and from your houses, and from your servants, and from your people. They shall remain in the river only."
12 Ary Mosesy sy Arona niala teo amin’ i Farao; ary Mosesy nitaraina tamin’ i Jehovah ny amin’ ny sahona izay efa nataony tamin’ i Farao.
Moses and Aaron went out from Pharaoh, and Moses cried to the LORD concerning the frogs which he had brought on Pharaoh.
13 Dia nataon’ i Jehovah araka ny tenin’ i Mosesy, ka maty ny sahona teny amin’ ny trano sy teny amin’ ny tokotany ary tany an-tsaha.
The LORD did according to the word of Moses, and the frogs died out of the houses, out of the courts, and out of the fields.
14 Dia nangonina hivangongo teny rehetra eny ireny, ka efa maimbo ny tany.
They gathered them together in heaps, and the land stank.
15 Fa nony hitan’ i Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy ny fony izy ka tsy mba nihaino azy mirahalahy, dia araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
But when Pharaoh saw that there was a respite, he hardened his heart, and did not listen to them, as the LORD had spoken.
16 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona hoe; Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, dia ho tonga moka eran’ ny tany Egypta rehetra izany.
The LORD said to Moses, "Tell Aaron, 'Stretch out your hand with your staff, and strike the dust of the earth, that it may become lice throughout all the land of Egypt.'"
17 Dia nanao toy izany izy, ka nahinjitr’ i Arona ny tànany mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany, dia nisy moka teny amin’ ny olona sy teny amin’ ny biby fiompy: fa tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra eran’ ny tany Egypta rehetra.
They did so; and Aaron stretched out his hand with his staff, and struck the dust of the earth, and there were lice on man, and on animal; all the dust of the earth became lice throughout all the land of Egypt.
18 Ary mba nanao toy izany koa ny ombiasy tamin’ ny fankatovany mba hahatonga moka, kanjo tsy nahay izy; ary ny moka dia teny amin’ ny olona sy teny amin’ ny biby fiompy.
The magicians tried with their secret arts to bring forth lice, but they couldn't. There were lice on man, and on animal.
19 Dia hoy ny ombiasy tamin’ i Farao: Rantsan-tànan’ Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
Then the magicians said to Pharaoh, "This is the finger of God:" and Pharaoh's heart was hardened, and he did not listen to them; as the LORD had spoken.
20 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna eo anatrehan’ i Farao (fa, indro, hivoaka ho any amin’ ny rano izy), ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
The LORD said to Moses, "Rise up early in the morning, and stand before Pharaoh; look, he comes forth to the water; and tell him, 'This is what the LORD says, "Let my people go, that they may serve me.
21 Fa raha tsy mandefa ny oloko ianao, indro Aho handefa lalitra betsaka hamely anao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ny tranonao; dia ho feno lalitra ny tranon’ ny Egyptiana sy ny tany izay itoerany koa.
Else, if you will not let my people go, look, I will send swarms of flies on you, and on your servants, and on your people, and into your houses: and the houses of the Egyptians shall be full of swarms of flies, and also the ground whereon they are.
22 Fa havahako amin’ izany andro izany ny tany Gosena, izay itoeran’ ny oloko, ka tsy mba hisy lalitra ao, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah afovoan’ ny tany.
I will set apart in that day the land of Goshen, in which my people dwell, that no swarms of flies shall be there; to the end you may know that I am the LORD in the midst of the earth.
23 Dia hasiako fiavahana amin’ ny oloko sy ny olonao; rahampitso no hisian’ izany famantarana izany.
I will put a division between my people and your people: by tomorrow shall this sign be."'"
24 Ary nataon’ i Jehovah izany; ka dia nisy lalitra be dia be tao amin’ ny tranon’ i Farao sy tao amin’ ny tranon’ ny mpanompony ary teny amin’ ny tany Egypta rehetra; koa dia simba ny tany noho ny lalitra.
The LORD did so; and there came grievous swarms of flies into the house of Pharaoh, and into his servants' houses: and in all the land of Egypt the land was corrupted by reason of the swarms of flies.
25 Ary Farao nampaka an’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mandehana ianareo hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ Andriamanitrareo eto amin’ ity tany ity.
Pharaoh called for Moses and for Aaron, and said, "Go, sacrifice to your God in the land."
26 Fa hoy Mosesy: Tsy azo atao izany; fa izay fadin’ ny Egyptiana no hovonoinay hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray; koa, indro, raha izay fadin’ ny Egyptiana no vonoinay eo imasony hatao fanatitra, moa tsy hotorahany vato va izahay?
Moses said, "It isn't appropriate to do so; for we shall sacrifice the abomination of the Egyptians to the LORD our God. Look, shall we sacrifice the abomination of the Egyptians before their eyes, and won't they stone us?
27 Handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay, dia hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray, araka izay holazainy aminay.
We will go three days' journey into the wilderness, and sacrifice to the LORD our God, as he shall command us."
28 Ary hoy Farao: Izaho dia handefa anareo ihany mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrareo any an-efitra; fa hany ataoko: aza mandeha lavitra loatra ianareo; dia mangataha ho ahy.
Pharaoh said, "I will let you go, that you may sacrifice to the LORD your God in the wilderness, only you shall not go very far away. Pray for me."
29 Ary hoy Mosesy: Indro, izaho hiala eto aminao ka hangataka amin’ i Jehovah mba hialan’ ny lalitra amin’ i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany rahampitso; fa aoka kosa tsy hamitaka intsony Farao ka tsy handefa ny olona hamono zavatra hatao fanatitra ho an i’ Jehovah.
Moses said, "Look, I go out from you, and I will pray to God that the swarms of flies may depart from Pharaoh, from his servants, and from his people, tomorrow; only do not let Pharaoh deal deceitfully any more in not letting the people go to sacrifice to the LORD."
30 Ary Mosesy niala teo amin’ i Farao ka nangataka tamin’ i Jehovah
Moses went out from Pharaoh, and prayed to God.
31 Ary Jehovah dia nanao araka ny tenin’ i Mosesy ka nampiala ny lalitra betsaka tamin’ i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany, ka tsy nisy niangana ireny na dia iray akory aza.
The LORD did according to the word of Moses, and he removed the swarms of flies from Pharaoh, from his servants, and from his people. There remained not one.
32 Kanjo Farao nanamafy ny fony indray tamin’ izany ka tsy nandefa ny olona.
Pharaoh hardened his heart this time also, and he did not let the people go.

< Eksodosy 8 >