< Eksodosy 6 >

1 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin’ i Farao; fa ny tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy amin’ ny taniny. 2 Ary Andriamanitra niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3 ary tamin’ ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy, 4 Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany. 5 Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan’ ny Zanak’ Isiraely, izay ampanompoin’ ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko. 6 Koa lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo. 7 Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo. 8 Ary Izaho hampiditra anareo any amin’ ny tany izay nananganako tanàna homena an’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah. 9 Ary Mosesy nilaza izany tamin’ ny Zanak’ Isiraely; nefa izy tsy nihaino an’ i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy. 10 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: 11 Mankanesa ao amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak’ Isiraely hiala amin’ ny taniny. 12 Ary Mosesy niteny teo anatrehan’ i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak’ Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan’ i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra? 13 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin’ ny Zanak’ Isiraely sy ho amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, mba hitondra ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy amin’ ny tany Egypta. 14 Izao no lohan’ ny fianakaviany: Ny zanakalahin-dRobena, lahimatoan’ Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona sy Karmy; ireo no fokom-pirenen-dRobena. 15 Ary ny zanakalahin’ i Simeona dia Jemoela sy Jaminasy Ohada sy Jakinasy Zohara ary Saoly, zanakalahin’ ny vehivavy Kananita; ireo no fokom-pirenen’ i Simeona. 16 Ary izao no anaran’ ny zanakalahin’ i Levy, araka ny taranany, dia Gersona sy Kehata ary Merary; ary ny andro niainan’ i Levy dia fito amby telo-polo amby zato taona. 17 Ny zanakalahin’ i Hersona dia Libny sy Simey, araka ny fokom-pireneny. 18 Ary ny zanakalahin’ i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; ary ny andro niainan’ i Kehata dia telo amby telo-polo amby zato taona. 19 Ary ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy. Ireo no fokom-pirenen’ ny Levita, araka ny taranany. 20 Ary Amrama naka an’ i Jokebeda anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an’ i Arona sy Mosesy taminy izy; ary ny andro niainan’ i Amrama dia fito amby telo-polo amby zato taona. 21 Ary ny zanakalahin’ i Jizara dia Kora sy Nafega ary Zikry. 22 Ary ny zanakalahin’ i Oziela dia Misaela sy Elzafana ary Sitry. 23 Ary Arona naka an’ i Eliseba, zanakavavin’ i Aminadaba sady anabavin’ i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an’ i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy. 24 Ary ny zanakalahin’ i Kora dia Asira sy Elkana ary Abiasafa; ireo no fokom-pirenen’ ny Korana. 25 Ary Eleazara, zanakalahin’ i Arona, naka vady avy tamin’ ny zanakavavin’ i Potiela, dia niteraka an’ i Finehasa taminy izy. Ireo no lohan’ ny fianakavian’ ny Levita, araka ny fokom-pireneny. 26 Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan’ i Jehovah hoe: Ento ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy any amin’ ny tany Egypta araka ny antokony. 27 Ireo no niteny tamin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, mba hitondra ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy any Egypta; ireo no Mosesy sy Arona. 28 Ary tamin’ ny andro izay nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Mosesy teo amin’ ny tany Egypta, 29 dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, izay rehetra lazaiko aminao. 30 Ary Mosesy niteny teo anatrehan’ i Jehovah ka nanao hoe: Indro, tsy voafora molotra aho, ka aiza no hihainoan’ i Farao ahy!

< Eksodosy 6 >