< Eksodosy 4 >

1 Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah.
摩西回答說:「他們必不信我,也不聽我的話,必說:『耶和華並沒有向你顯現。』」
2 Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity.
耶和華對摩西說:「你手裏是甚麼?」他說:「是杖。」
3 Ary hoy Izy: Atsipazo amin’ ny tany iny. Dia natsipiny tamin’ ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy.
耶和華說:「丟在地上。」他一丟下去,就變作蛇;摩西便跑開。
4 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin’ ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy
耶和華對摩西說:「伸出手來,拿住牠的尾巴,牠必在你手中仍變為杖;
5 mba hinoan’ ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba.
如此好叫他們信耶和華-他們祖宗的上帝,就是亞伯拉罕的上帝,以撒的上帝,雅各的上帝,是向你顯現了。」
6 Ary hoy koa Jehovah taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tànany; ary nony notsoahany, dia, indro, efa boka ny tànany ka fotsy tahaka ny oram-panala.
耶和華又對他說:「把手放在懷裏。」他就把手放在懷裏,及至抽出來,不料,手長了大痲瘋,有雪那樣白。
7 Ary hoy koa Izy: Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao (dia natsofony tao an-tratrany indray ny tànany; ary nony notsoahany tamin’ ny tratrany, dia, indro, efa tonga tahaka ny hodiny indray izy).
耶和華說:「再把手放在懷裏。」他就再把手放在懷裏,及至從懷裏抽出來,不料,手已經復原,與周身的肉一樣;
8 Ary raha tsy hino anao izy ka tsy hihaino ny feon’ ny famantarana voalohany, dia hino ny feon’ ny famantarana aoriana izy.
又說:「倘或他們不聽你的話,也不信頭一個神蹟,他們必信第二個神蹟。
9 Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao, ka haidinao amin’ ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga rà eo amin’ ny tany maina.
這兩個神蹟若都不信,也不聽你的話,你就從河裏取些水,倒在旱地上,你從河裏取的水必在旱地上變作血。」
10 Ary hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin’ izao itenenanao amin’ ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho.
摩西對耶和華說:「主啊,我素日不是能言的人,就是從你對僕人說話以後,也是這樣。我本是拙口笨舌的。」
11 Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan’ ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va
耶和華對他說:「誰造人的口呢?誰使人口啞、耳聾、目明、眼瞎呢?豈不是我-耶和華嗎?
12 Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.
現在去吧,我必賜你口才,指教你所當說的話。」
13 Fa hoy izy: Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina.
摩西說:「主啊,你願意打發誰,就打發誰去吧!」
14 Dia nirehitra tamin’ i Mosesy ny fahatezeran’ i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony.
耶和華向摩西發怒說:「不是有你的哥哥利未人亞倫嗎?我知道他是能言的;現在他出來迎接你,他一見你,心裏就歡喜。
15 Dia hiteny aminy ianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo.
你要將當說的話傳給他;我也要賜你和他口才,又要指教你們所當行的事。
16 Ary izy hiteny amin’ ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa ho solon’ Andriamanitra aminy.
他要替你對百姓說話;你要以他當作口,他要以你當作上帝。
17 Dia ho entinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo.
你手裏要拿這杖,好行神蹟。」
18 Dia lasa nandeha Mosesy ka niverina ho any amin’ i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin’ ny rahalahiko, izay any Egypta, ka hizaha na mbola velona ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin’ i Mosesy: Mandehana soa aman-tsara.
於是,摩西回到他岳父葉忒羅那裏,對他說:「求你容我回去見我在埃及的弟兄,看他們還在不在。」葉忒羅對摩西說:「你可以平平安安地去吧!」
19 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny olona rehetra izay nitady ny ainao.
耶和華在米甸對摩西說:「你要回埃及去,因為尋索你命的人都死了。」
20 Dia nalain’ i Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin’ ny tany Egypta izy; ary nentin’ i Mosesy teny an-tànany ilay tehin’ Andriamanitra.
摩西就帶着妻子和兩個兒子,叫他們騎上驢,回埃及地去。摩西手裏拿着上帝的杖。
21 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan’ i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy.
耶和華對摩西說:「你回到埃及的時候,要留意將我指示你的一切奇事行在法老面前。但我要使他的心剛硬,他必不容百姓去。
22 Ary lazao amin’ i Farao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely;
你要對法老說:『耶和華這樣說:以色列是我的兒子,我的長子。
23 koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa.
我對你說過:容我的兒子去,好事奉我。你還是不肯容他去。看哪,我要殺你的長子。』」
24 Ary nony tany an-dalana tao amin’ ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy.
摩西在路上住宿的地方,耶和華遇見他,想要殺他。
25 Dia naka fiharatra vato Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo anilan’ ny tongony, ka hoy izy: Efa vady azoko amin’ ny fandatsahan-drà ianao.
西坡拉就拿一塊火石,割下他兒子的陽皮,丟在摩西腳前,說:「你真是我的血郎了。」
26 Dia niala taminy Izy; ary hoy ravehivavy: Vady azo amin’ ny fandatsahan-drà ianao, noho ny fora.
這樣,耶和華才放了他。西坡拉說:「你因割禮就是血郎了。」
27 Ary hoy Jehovah tamin’ i Arona: Mandehana hitsena an’ i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin’ ny tendrombohitr’ Andriamanitra, dia nanoroka azy.
耶和華對亞倫說:「你往曠野去迎接摩西。」他就去,在上帝的山遇見摩西,和他親嘴。
28 Ary nambaran’ i Mosesy tamin’ i Arona izay teny rehetra efa nanirahan’ i Jehovah azy sy izay famantarana rehetra efa nandidiany azy.
摩西將耶和華打發他所說的言語和囑咐他所行的神蹟都告訴了亞倫。
29 Dia lasa nandeha Mosesy sy Arona ka nanangona ny loholon’ ny Zanak’ Isiraely rehetra.
摩西、亞倫就去招聚以色列的眾長老。
30 Dia nolazain’ i Arona ny teny rehetra izay efa nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy, sady nataony teo imason’ ny olona ny famantarana.
亞倫將耶和華對摩西所說的一切話述說了一遍,又在百姓眼前行了那些神蹟,
31 Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak’ Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka.
百姓就信了。以色列人聽見耶和華眷顧他們,鑒察他們的困苦,就低頭下拜。

< Eksodosy 4 >