< Eksodosy 39 >

1 Ary tamin’ ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no nanaovany ny fitafiana makarakara, hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, ary nanao ny fitafiana masìna ho an’ i Arona izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
From the blue, purple, and scarlet yarn they made specially woven garments for ministry in the sanctuary, as well as the holy garments for Aaron, just as the LORD had commanded Moses.
2 Ary nanao ny efoda tamin’ ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina izy.
Bezalel made the ephod of finely spun linen embroidered with gold, and with blue, purple, and scarlet yarn.
3 Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy, dia nandidididy azy ho kofehy volamena, hahasiny amin’ ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika, dia asan’ ny mpanenona mahay.
They hammered out thin sheets of gold and cut threads from them to interweave with the blue, purple, and scarlet yarn, and fine linen—the work of a skilled craftsman.
4 Ary nataony nisy soroka roa avy amin’ ny sisiny roa hampikambanana azy.
They made shoulder pieces for the ephod, which were attached at two of its corners, so it could be fastened.
5 Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ka nataony volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
And the skillfully woven waistband of the ephod was of one piece with the ephod, of the same workmanship—with gold, with blue, purple, and scarlet yarn, and with finely spun linen, just as the LORD had commanded Moses.
6 Ary ny vato beryla nasiany randram-bolamena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely.
They mounted the onyx stones in gold filigree settings, engraved like a seal with the names of the sons of Israel.
7 Ary nataony teo amin’ ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Then they fastened them on the shoulder pieces of the ephod as memorial stones for the sons of Israel, as the LORD had commanded Moses.
8 Ary nanao ny saron-tratra tamin’ ny asan’ ny mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
He made the breastpiece with the same workmanship as the ephod, with gold, with blue, purple, and scarlet yarn, and with finely spun linen.
9 Ary efa-joro miforitra roa no nanaovany ny saron-tratra, ary irain-jehy avy ny lafiny efatra, sady niforitra roa izy.
It was square when folded over double, a span long and a span wide.
10 Ary nasiany vato nalatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra an-dalana: ny an-dalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
And they mounted on it four rows of gemstones: The first row had a ruby, a topaz, and an emerald;
11 ary ny an-dalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
the second row had a turquoise, a sapphire, and a diamond;
12 ary ny an-dalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
the third row had a jacinth, an agate, and an amethyst;
13 ary ny an-dalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary nasiany randram-bolamena manodidina ny fitoerany avy.
and the fourth row had a beryl, an onyx, and a jasper. These stones were mounted in gold filigree settings.
14 Ary ny vato dia nalahatra araka ny anaran’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely, dia roa ambin’ ny folo araka ny anarany; ary nisy soratra toy ny amin’ ny fanombohan-kase ho an’ ny firenena roa ambin’ ny folo araka ny anarany avy.
The twelve stones corresponded to the names of the sons of Israel. Each stone was engraved like a seal with the name of one of the twelve tribes.
15 Ary nanao olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady ho eo amin’ ny saron-tratra izy.
For the breastpiece they made braided chains like cords of pure gold.
16 Ary nanao randram-bolamena roa sy vava volamena roa izy; ary ny vava vola dia nataony teo amin’ ny zorony roa ambony amin’ ny saron-tratra.
They also made two gold filigree settings and two gold rings, and fastened the two rings to the two corners of the breastpiece.
17 Ary ny tady volamena roa dia nataony teo amin’ ny vava vola roa izay amin’ ny zorony roa ambany amin’ ny saron-tratra.
Then they fastened the two gold chains to the two gold rings at the corners of the breastpiece,
18 Ary ny lanin’ ny tady roa dia nataony teo amin’ ny randram-bolamena roa, dia nataony teo amin’ ny soroky ny efoda anoloana.
and they fastened the other ends of the two chains to the two filigree settings, attaching them to the shoulder pieces of the ephod at the front.
19 Ary nanao vava volamena roa izy ka nataony teo amin’ ny zorony roa ambany amin’ ny saron-tratra, dia amin’ ny sisiny anatiny izay manolotra ny efoda.
They made two more gold rings and attached them to the other two corners of the breastpiece, on the inside edge next to the ephod.
20 Ary nanao vava volamena roa koa izy ka nataony teo amin’ ny soroka roa amin’ ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin’ ny fikambanany, eo ambonin’ ny fehin-kibo momba ny efoda.
They made two additional gold rings and attached them to the bottom of the two shoulder pieces of the ephod, on its front, near the seam just above its woven waistband.
21 Ary kofehy manga no namehezany ny vava volan’ ny saron-tratra tamin’ ny vava volan’ ny efoda, mba ho eo ambonin’ ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka eo, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Then they tied the rings of the breastpiece to the rings of the ephod with a cord of blue yarn, so that the breastpiece was above the waistband of the ephod and would not swing out from the ephod, just as the LORD had commanded Moses.
22 Ary nanao ny akanjo ivelany misy ny efoda, asan’ ny mpanenona, izy, ka nataony manga avokoa.
They made the robe of the ephod entirely of blue cloth, the work of a weaver,
23 Ary ny vozon’ ny akanjo ivelany dia teo afovoany tahaka ny vozon’ ny akanjo fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina ny vozony mba tsy hahatriatra azy.
with an opening in the center of the robe like that of a garment, with a collar around the opening so that it would not tear.
24 Ary teo amin’ ny moron-tongotry ny akanjo ivelany dia nasiany sarin’ ampongabendanitra manga sy volomparasy sy mena voahasina;
They made pomegranates of blue, purple, and scarlet yarn and finely spun linen on the lower hem of the robe.
25 ary nanao famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan’ ny ampongabendanitra tamin’ ny moron-tongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan’ ny ampongabendanitra):
They also made bells of pure gold and attached them around the hem between the pomegranates,
26 dia famohamandry sy sarin’ ampongabendanitra mifanelanelana manodidina eo amin’ ny moron-tongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
alternating the bells and pomegranates around the lower hem of the robe to be worn for ministry, just as the LORD had commanded Moses.
27 Ary ny akanjo lava nataony rongony fotsy madinika, asan’ ny mpanenona, ho an’ i Arona sy ny zanany.
For Aaron and his sons they made tunics of fine linen, the work of a weaver,
28 Ary ny hamama dia nataony rongony fotsy madinika, ary ny satroka tsara tarehy nataony rongony fotsy madinika; ary ny kalisaona fohy dia nataony rongony fotsy madinika voahasina.
as well as the turban of fine linen, the ornate headbands and undergarments of finely spun linen,
29 Ary ny fehin-kibo nataony rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
and the sash of finely spun linen, embroidered with blue, purple, and scarlet yarn, just as the LORD had commanded Moses.
30 Ary ny takelaka ho eo amin’ ny diadema masìna dia nataony volamena tsara, ary nasiany soratra, araka ny fanoratana amin’ ny fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN’ I JEHOVAH.
They also made the plate of the holy crown of pure gold, and they engraved on it, like an inscription on a seal: HOLY TO THE LORD.
31 Ary nasiany kofehy manga hamehezany azy amin’ ny hamama eo ambony, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Then they fastened to it a blue cord to mount it on the turban, just as the LORD had commanded Moses.
32 Ary vita ny asa rehetra tamin’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak’ Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
So all the work for the tabernacle, the Tent of Meeting, was completed. The Israelites did everything just as the LORD had commanded Moses.
33 Dia nentiny teo amin’ i Mosesy ny tabernakely; dia ny lay sy ny fanaka rehetra nomba azy, ary ny farangony sy ny zana-kazony ary ny barany sy ny andriny ary ny faladiany,
Then they brought the tabernacle to Moses: the tent with all its furnishings, its clasps, its frames, its crossbars, and its posts and bases;
34 ary ny firakotra hoditr’ ondrilahy efa nomenaina sy ny sarona hodi-takasy, ary ny efitra lamba fanakonana,
the covering of ram skins dyed red, the covering of fine leather, and the veil of the covering;
35 ary ny fiaran’ ny Vavolombelona sy ny baony ary ny rakotra fanaovam-panavotana,
the ark of the Testimony with its poles and the mercy seat;
36 ary ny latabatra sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny mofo aseho,
the table with all its utensils and the Bread of the Presence;
37 ary ny fanaovan-jiro tsara sy ny lela fanaovan-jirony, dia ny lela fanaovan-jiro halahatra, sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny diloilo hatao fanazavana,
the pure gold lampstand with its row of lamps and all its utensils, as well as the oil for the light;
38 ary ny alitara volamena sy ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona ary ny varavarana lamba ho eo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay,
the gold altar, the anointing oil, the fragrant incense, and the curtain for the entrance to the tent;
39 ary ny alitara varahina sy ny makarakara varahina ho eo aminy ary ny baony sy ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
the bronze altar with its bronze grating, its poles, and all its utensils; the basin with its stand;
40 ary ny fefy lamban’ ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany ary ny vavahady lamba eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja ary ny kofehiny sy ny tsimatra, ary ny fiasana rehetra momba ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana,
the curtains of the courtyard with its posts and bases; the curtain for the gate of the courtyard, its ropes and tent pegs, and all the equipment for the service of the tabernacle, the Tent of Meeting;
41 ary ny fitafiana makarakara ho enti-manao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna ho an’ i Arona mpisorona sy ny fitafian’ ny zanany ho entiny manao fisoronana.
and the woven garments for ministering in the sanctuary, both the holy garments for Aaron the priest and the garments for his sons to serve as priests.
42 Araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy, dia toy izany no nanaovan’ ny Zanak’ Isiraely ny asa rehetra.
The Israelites had done all the work just as the LORD had commanded Moses.
43 Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian’ i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy.
And Moses inspected all the work and saw that they had accomplished it just as the LORD had commanded. So Moses blessed them.

< Eksodosy 39 >