< Eksodosy 32 >

1 Ary rehefa hitan’ ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin’ i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy,
Cuando el pueblo vio que Moisés se demoraba en bajar del monte, se reunió con Aarón y le dijo: “Ven, haznos dioses que vayan delante de nosotros, porque en cuanto a este Moisés, el hombre que nos sacó de la tierra de Egipto, no sabemos qué ha sido de él.”
2 Ary hoy Arona taminy: Romboty ary ny kavim-bolamena, izay eny amin’ ny sofin’ ny vadinareo sy ny zanakareo-lahy ary ny zanakareo-vavy, ka ento etỳ amiko.
Aarón les dijo: “Quítense los anillos de oro que están en las orejas de sus esposas, de sus hijos y de sus hijas, y tráiganmelos”.
3 Ary ny olona rehetra dia nandrombotra ny kavim-bolamena izay teny amin’ ny sofiny ka nitondra azy ho eo amin’ i Arona.
Todo el pueblo se quitó los anillos de oro que tenía en sus orejas y se los llevó a Aarón.
4 Ary izy nandray azy tamin’ ny tanan’ ny olona, dia namboatra azy tamin’ ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely an-idina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
El recibió lo que le entregaron, lo modeló con un instrumento de grabado y lo convirtió en un becerro moldeado. Luego le dijeron: “Estos son tus dioses, Israel, que te sacaron de la tierra de Egipto”.
5 Ary raha hitan’ i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an’ i Jehovah rahampitso.
Al ver esto, Aarón construyó un altar delante de él; y Aarón hizo una proclama y dijo: “Mañana será una fiesta para Yahvé.”
6 Dia nifoha maraina koa ny olona ka nanatitra fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana; ary nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao.
Al día siguiente se levantaron temprano, ofrecieron holocaustos y trajeron ofrendas de paz; el pueblo se sentó a comer y a beber, y se levantó a jugar.
7 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandehana midìna ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
El Señor le dijo a Moisés: “Ve, baja, porque tu pueblo, al que sacaste de la tierra de Egipto, se ha corrompido.
8 Nalaky nivily niala tamin’ ny lalàna izay nasaiko nalehany izy ka efa nanao ombilahy kely an-idina ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
Se han desviado rápidamente del camino que les ordené. Se han hecho un becerro moldeado, lo han adorado y le han ofrecido sacrificios, y han dicho: ‘Estos son tus dioses, Israel, que te hicieron subir de la tierra de Egipto’.”
9 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Efa hitako io firenena io, fa, indro, firenena mafy hatoka izy.
Yahvé dijo a Moisés: “He visto a este pueblo, y he aquí que es un pueblo de dura cerviz.
10 Koa ankehitriny avelao hirehitra aminy ny fahatezerako, ka haringako izy; fa hahatonga anao ho firenena lehibe Aho.
Ahora, pues, déjame en paz, para que arda mi ira contra ellos y los consuma; y haré de ti una gran nación.”
11 Fa Mosesy nifona tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, nahoana ny fahatezeranao no mirehitra amin’ ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta tamin’ ny hery lehibe sy ny tanana mahery?
Moisés suplicó a su Dios y le dijo: “Señor, ¿por qué arde tu ira contra tu pueblo, que sacaste de la tierra de Egipto con gran poder y con mano poderosa?
12 Nahoana ny Egyptiana no avela hilaza hoe: Mba hahita loza no nitondrany ireny nivoaka, hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin’ ny tany? Mialà amin’ ny fahatezeranao mirehitra, ka manenena ny amin’ ny loza izay hanjo ny olonao.
¿Por qué han de hablar los egipcios diciendo: ‘Los sacó para mal, para matarlos en los montes y consumirlos de la superficie de la tierra’? Vuélvete de tu feroz ira, y aléjate de este mal contra tu pueblo.
13 Tsarovy Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin’ ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra; ary izany tany rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary izy handova izany mandrakizay.
Acuérdate de Abraham, de Isaac y de Israel, tus siervos, a quienes juraste por ti mismo y les dijiste: ‘Multiplicaré tu descendencia como las estrellas del cielo, y toda esta tierra de la que he hablado se la daré a tu descendencia, y la heredarán para siempre’.”
14 Ary Jehovah dia nanenina ny amin’ ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony.
Entonces Yahvé se apartó del mal que dijo que haría a su pueblo.
15 Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin’ ny lafiny roa: dia teo anatrehany sy teo ambadika no nisy ny soratra.
Moisés se volvió y bajó del monte con las dos tablas del testimonio en la mano, tablas que estaban escritas por ambos lados. Estaban escritas de un lado y del otro.
16 Ary ny vato fisaka dia asan’ Andriamanitra, ary ny soratra dia soratr’ Andriamanitra, voasoratra teo amin’ ny vato fisaka.
Las tablas eran obra de Dios, y la escritura era la escritura de Dios, grabada en las tablas.
17 Ary rehefa ren’ i Josoa ny fitabataban’ ny olona izay nihorakoraka, dia hoy izy tamin’ i Mosesy: Misy tabataban’ ady atsy an-toby.
Cuando Josué oyó el ruido del pueblo al gritar, dijo a Moisés: “Hay ruido de guerra en el campamento”.
18 Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian’ ny mahery na feo fitomanian’ ny resy no reko, fa feon’ ny mihira.
Dijo: “No es la voz de los que gritan por la victoria. No es la voz de los que gritan por ser vencidos, sino el ruido de los que cantan lo que oigo”.
19 Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran’ i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tànany ka novakivakiny teo am-bodin’ ny tendrombohitra.
En cuanto se acercó al campamento, vio el becerro y las danzas. Entonces la ira de Moisés se encendió, y arrojó las tablas de sus manos, y las rompió debajo de la montaña.
20 Dia nalainy ilay ombilahy kely izay efa nataon’ ny olona ka nodorany tamin’ ny afo, ary notorotoroiny ho vovoka, dia nafafiny tambonin’ ny rano ka nampisotroiny ny Zanak’ Isiraely.
Tomó el becerro que habían hecho, lo quemó con fuego, lo molió hasta hacerlo polvo y lo esparció sobre el agua, e hizo que los hijos de Israel lo bebieran.
21 Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Inona no nataon’ ity firenena ity taminao, no nitondranao heloka lehibe taminy?
Moisés le dijo a Aarón: “¿Qué te ha hecho esta gente para que les hayas provocado un gran pecado?”
22 Fa hoy kosa Arona: Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, tompoko, fa ianao mahalala ny toetry ny olona, fa mpanao ratsy izy;
Aarón dijo: “No dejes que se caliente la ira de mi señor. Tú conoces al pueblo, que está empeñado en el mal.
23 ary hoy izy tamiko: Manaova andriamanitra ho antsika, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.
Porque me han dicho: ‘Haznos dioses que vayan delante de nosotros’. En cuanto a este Moisés, el hombre que nos sacó de la tierra de Egipto, no sabemos qué ha sido de él’.
24 Ary hoy izaho taminy: Na zovy na zovy manam-bolamena, aoka handrombotra izany izy, ka dia nomeny ahy; ary natsipiko tao anaty afo izany, ka io ombilahy kely io no nivoaka.
Les dije: ‘El que tenga oro, que lo saque’. Y me lo dieron; lo eché al fuego, y salió este becerro”.
25 Ary rehefa hitan’ i Mosesy fa natondraka hanaram-po amin’ izay tsy mety ny olona, satria efa natondrak’ i Arona ho fanakorana eo amin’ ny fahavalony izy,
Cuando Moisés vio que el pueblo estaba fuera de control, (pues Aarón los había dejado perder el control, causando la burla de sus enemigos),
26 dia nijanona teo amin’ ny vavahadin’ ny toby Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an’ i Jehovah mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak’ i Levy rehetra niangona teo aminy.
entonces Moisés se paró en la puerta del campamento y dijo: “¡Quien esté del lado de Yahvé, venga a mí!” Todos los hijos de Leví se reunieron con él.
27 Dia hoy izy taminy: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Samia manao ny sabany eo am-balahany avy ianareo, dia mandrosoa sy miverimberena amin’ isam-bavahadin’ ny toby, ary samia mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany avy ary ny namany avy ianareo.
Él les dijo: “Yahvé, el Dios de Israel, dice: ‘Cada uno ponga su espada en el muslo y vaya de puerta en puerta por todo el campamento, y cada uno mate a su hermano, a su compañero y a su vecino’”.
28 Dia nanao araka ny tenin’ i Mosesy ny taranak’ i Levy; ary nahafatesana tokony ho telo arivo lahy ny olona tamin’ izany andro izany.
Los hijos de Leví hicieron lo que dijo Moisés. Ese día cayeron unos tres mil hombres del pueblo.
29 Fa Mosesy efa nilaza hoe: Manokàna ny tenanareo ho an’ i Jehovah ianareo anio; eny, samia mamono ny zanany sy ny rahalahiny avy, mba hahazoanareo fitahiana anio.
Moisés dijo: “Conságrense hoy a Yahvé, porque cada hombre estaba en contra de su hijo y de su hermano, para que él les dé hoy una bendición.”
30 Ary nony maraina dia hoy Mosesy tamin’ ny olona: Efa nanao fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho amin’ i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin’ ny fahotanareo.
Al día siguiente, Moisés dijo al pueblo: “Habéis cometido un gran pecado. Ahora subiré a Yahvé. Tal vez haga expiación por su pecado”.
31 Ary Mosesy dia niverina ho ao amin’ i Jehovah ka nanao hoe: Indrisy! efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy.
Moisés volvió a Yahvé y dijo: “Oh, este pueblo ha cometido un gran pecado y se ha hecho dioses de oro.
32 Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin’ ny bokinao izay nosoratanao ny anarako.
Pero ahora, si quieres, perdona su pecado; y si no, por favor, bórrame de tu libro que has escrito.”
33 Fa hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin’ ny bokiko.
Yahvé dijo a Moisés: “A quien haya pecado contra mí, lo borraré de mi libro.
34 Mandehana ankehitriny, ka ento ny olona ho any amin’ izay efa nolazaiko taminao; indro, ny Anjeliko no hitarika anao eo aloha; ary amin’ izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.
Ahora ve, conduce al pueblo al lugar del que te he hablado. He aquí que mi ángel irá delante de ti. Sin embargo, el día en que yo castigue, los castigaré por su pecado”.
35 Ary Jehovah namely ny olona, satria nanao ny ombilahy kely izy, dia ilay nataon’ i Arona.
El Señor golpeó al pueblo por lo que hicieron con el becerro que hizo Aarón.

< Eksodosy 32 >