< Eksodosy 31 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Ndipo Yehova anati kwa Mose,
2 Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak’ i Ory, zanak’ i Hora, avy amin’ ny firenen’ i Joda;
“Taona, ndasankha Bezaleli mwana wa Uri, mwana wa Huri, wa fuko la Yuda.
3 ary efa nofenoiko fanahin’ Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ ny tao-zavatra samy hafa:
Ndipo ndamudzaza ndi Mzimu wa Mulungu kotero kuti ali ndi luso ndi nzeru zomvetsa zinthu ndipo akudziwa bwino ntchito zonse zamanja monga izi:
4 dia ny hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina
Kulemba ndondomeko ya ntchito zaluso ndi kupanga zinthu zagolide, zasiliva ndi zamkuwa,
5 sy ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba hanaovany ny tao-zavatra samy hafa.
kusema ndi kuyika miyala yokongola, kukonza zinthu zamatabwa ndiponso kugwira ntchito ina iliyonse yamanja.
6 Ary, indro, Izaho efa nanome an’ i Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka, avy amin’ ny firenen’ i Dana, ho namany; ary ny fon’ izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao:
Ndasankhanso Oholiabu mwana wa Ahisamaki wa fuko la Dani. Ndiponso ndapereka nzeru kwa anthu aluso motero adzagwira ntchito zonse zimene ndakulamulira kuti zichitike monga izi:
7 dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay.
Kupanga tenti ya msonkhano, bokosi laumboni pamodzi ndi chophimbira chake, ndiponso zonse za mu tenti,
8 sy ny latabatra mbamin’ ny fanaka momba azy, sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra
tebulo ndi zida zake, choyikapo nyale cha golide wabwino kwambiri ndi ziwiya zake zonse, guwa lofukizirapo lubani,
9 sy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany.
guwa lansembe yopsereza ndi ziwiya zake zonse, beseni ndi nsichi yake,
10 ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana masìna ho an’ i Arona mpisorona sy ny fitafian’ ny zanany ho entiny misorona,
ndiponso zovala zonse zolukidwa, zovala zopatulika za Aaroni wansembe pamodzi ndi za ana ake, zovala pamene akutumikira monga ansembe,
11 ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin’ ny fitoerana masìna: araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon’ ireo.
ndiponso mafuta odzozera ndi lubani wonunkhira wa ku malo opatulika. Iwo azipanga monga momwe Ine ndinakulamulira.”
12 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Ndipo Yehova anati kwa Mose,
13 Ary dia milaza amin’ ny Zanak’ Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasìna anareo.
“Uza ana a Israeli kuti azisunga Masabata anga. Ichi chidzakhala chizindikiro pakati pa inu ndi Ine pamodzi ndi zidzukulu zanu mʼtsogolomo, chosonyeza kuti Ine ndine amene ndimakuyeretsani.
14 Koa tandremo ny Sabata, fa masìna aminareo izany; izay tsy manamasìna azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin’ izany dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
“Motero muzisunga tsiku la Sabata chifukwa ndi loyera kwa inu. Aliyense amene adetsa tsiku la Sabata ayenera kuphedwa. Aliyense amene agwira ntchito iliyonse pa tsikuli ayenera kuchotsedwa pakati pa anthu anzake.
15 Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masìna ho an’ i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin’ ny andro Sabata dia hatao maty tokoa.
Mugwire ntchito kwa masiku asanu ndi limodzi koma tsiku lachisanu ndi chiwiri ndi Sabata, lopuma, tsiku lopatulika la Yehova. Aliyense amene agwira ntchito iliyonse pa tsiku la Sabata ayenera kuphedwa.
16 Dia hotandreman’ ny Zanak’ Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin’ ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany.
Aisraeli onse komanso zidzukulu zawo mʼtsogolo azidzasunga tsiku la Sabata ngati pangano lamuyaya.
17 Ho famantarana amiko sy amin’ ny Zanak’ Isiraely mandrakizay izany; fa tamin’ ny henemana no nanaovan’ i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin’ ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra.
Tsiku la Sabata lidzakhala chizindikiro chamuyaya pakati pa Ine ndi Aisraeli chosonyeza kuti Yehova analenga za kumwamba ndi dziko lapansi kwa masiku asanu ndi limodzi ndi kuti pa tsiku lachisanu ndi chiwiri analeka kugwira ntchito napumula.”
18 Ary rehefa vita ny teny nataony tamin’ i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan’ Andriamanitra.
Yehova atamaliza kuyankhula ndi Mose pa phiri la Sinai, anamupatsa Mose miyala iwiri yaumboni, imene Mulungu analembapo ndi chala chake.

< Eksodosy 31 >