< Eksodosy 30 >

1 Ary manaova alitara handoroana ditin-kazo manitra; hazo akasia no hanaovanao azy.
“You are also to make an altar of acacia wood for the burning of incense.
2 Ho iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro izy, ary ho roa hakiho ny hahavony; koa ataovy miray aminy ny tandrony.
It is to be square, a cubit long, a cubit wide, and two cubits high. Its horns must be of one piece.
3 Ary petaho takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary asio koronosy volamena manodidina.
Overlay with pure gold the top and all the sides and horns, and make a molding of gold around it.
4 Ary asio vava volamena roa izy eo ambanin’ ny koronosiny, ka ataovy eo amin’ ny zorony efatra ireo; ary ho fitoeran’ ny bao ireo hilanjana azy.
And make two gold rings below the molding on opposite sides to hold the poles used to carry it.
5 Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena.
Make the poles of acacia wood and overlay them with gold.
6 Ary apetraho eo anoloan’ ny efitra izay manakona ny fiaran’ ny Vavolombelona izy, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin’ ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
Place the altar in front of the veil that is before the ark of the Testimony —before the mercy seat that is over the Testimony—where I will meet with you.
7 Ary Arona handoro ditin-kazo mani-pofona eo; isa-maraina, raha mamboatra ny lela fanaovan-jiro, no handoroany izany;
And Aaron is to burn fragrant incense on it every morning when he tends the lamps.
8 ary raha mampirehitra ny lela fanaovan-jiro Arona nony hariva no handoroany izany koa; ditin-kazo mani-pofona eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany.
When Aaron sets up the lamps at twilight, he must burn the incense perpetually before the LORD for the generations to come.
9 Aza manatitra ditin-kazo manitra tsy izy eo ianareo, na fanatitra dorana, na fanatitra hohanina; ary aza manidina fanatitra aidina eo.
On this altar you must not offer unauthorized incense or a burnt offering or grain offering; nor are you to pour a drink offering on it.
10 Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin’ ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin’ ny ran’ ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin’ ny taranakareo fara mandimby; ho masìna indrindra ho an’ i Jehovah izany.
Once a year Aaron shall make atonement on the horns of the altar. Throughout your generations he shall make atonement on it annually with the blood of the sin offering of atonement. The altar is most holy to the LORD.”
11 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe;
Then the LORD said to Moses,
12 Raha maka ny isan’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fandaminana azy ianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an’ i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy.
“When you take a census of the Israelites to number them, each man must pay the LORD a ransom for his life when he is counted. Then no plague will come upon them when they are numbered.
13 Izao no haloan’ izay rehetra voalamina, dia antsasaky ny sekely avy araka ny sekely masìna (gera roa-polo ny sekely iray), eny, antsasaky ny sekely ho fanatitra ho an’ i Jehovah.
Everyone who crosses over to those counted must pay a half shekel, according to the sanctuary shekel, which weighs twenty gerahs. This half shekel is an offering to the LORD.
14 Izay rehetra voalamina hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra no handoa ny fanatitra ho an’ i Jehovah.
Everyone twenty years of age or older who crosses over must give this offering to the LORD.
15 Ny manan-karena tsy handoa mihoatra noho ny antsasaky ny sekely, ary ny malahelo tsy handoa latsaka, raha mandoa ny fanatitra ho an’ i Jehovah izy, hanavotra ny ainareo.
In making the offering to the LORD to atone for your lives, the rich shall not give more than a half shekel, nor shall the poor give less.
16 Ary handray ny vola avotra amin’ ny Zanak’ Isiraely ianao, ka hataonao amin’ ny fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana; ary ho fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely eo anatrehan’ i Jehovah izany, ho avotry ny ainareo.
Take the atonement money from the Israelites and use it for the service of the Tent of Meeting. It will serve as a memorial for the Israelites before the LORD to make atonement for your lives.”
17 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
And the LORD said to Moses,
18 Manaova tavy varahina hanasana, ary aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara izy, ka asio rano eo anatiny.
“You are to make a bronze basin with a bronze stand for washing. Set it between the Tent of Meeting and the altar, and put water in it,
19 Ary eo no hanasan’ i Arona sy ny zanany ny tongony aman-tanany.
with which Aaron and his sons are to wash their hands and feet.
20 Raha miditra amin’ ny trano-lay fihaonana izy, dia hisasa amin’ ny rano, mba tsy hahafaty azy. Ary raha manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana izy, mba handoro ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah,
Whenever they enter the Tent of Meeting or approach the altar to minister by presenting an offering made by fire to the LORD, they must wash with water so that they will not die.
21 dia hanasa ny tongony aman-tànany izy, mba tsy hahafaty azy; ary ho lalàna mandrakizay aminy sy ny zanany izany hatramin’ ny taranany fara mandimby.
Thus they are to wash their hands and feet so that they will not die; this shall be a permanent statute for Aaron and his descendants for the generations to come.”
22 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Then the LORD said to Moses,
23 Makà zava-manitra tsara ho anao, dia miora mitete dimam-jato sekely sy havozomanitra antsasak’ izany, dia dimam-polo amby roan-jato, sy veromanitra dimam-polo amby roan-jato
“Take the finest spices: 500 shekels of liquid myrrh, half that amount (250 shekels) of fragrant cinnamon, 250 shekels of fragrant cane,
24 sy kasia dimam-jato; araka ny sekely masìna, ary diloilon’ oliva eran’ ny hina;
500 shekels of cassia —all according to the sanctuary shekel—and a hin of olive oil.
25 dia amboary ho diloilo fanosorana masìna izany, ho zavatra aharoharo, asan’ ny mpangaroharo zava-manitra; ho diloilo fanosorana masìna izany.
Prepare from these a sacred anointing oil, a fragrant blend, the work of a perfumer; it will be a sacred anointing oil.
26 Ary hosory amin’ izany ny trano-lay fihaonana sy ny fiaran’ ny Vavolombelona,
Use this oil to anoint the Tent of Meeting, the ark of the Testimony,
27 sy ny latabatra mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy sy ny fanaovan-jiro mbamin’ ny fanaka momba azy sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra,
the table and all its utensils, the lampstand and its utensils, the altar of incense,
28 ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany.
the altar of burnt offering and all its utensils, and the basin with its stand.
29 Ary hamasino ireo mba ho masìna indrindra; ary ho masìna izay rehetra manendry azy.
You are to consecrate them so that they will be most holy. Whatever touches them shall be holy.
30 Ary hosory Arona sy ny zanany, ka hamasino izy mba ho mpisorona ho Ahy.
Anoint Aaron and his sons and consecrate them to serve Me as priests.
31 Ary mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ity ho diloilo fanosorana masìna ho Ahy hatramin’ ny taranakareo fara mandimby.
And you are to tell the Israelites, ‘This will be My sacred anointing oil for the generations to come.
32 Aoka tsy hihosoran’ ny olon-kafa izany, na hisy haka tahaka azy, araka ny fanaovana azy; fa masìna izy ka ho masìna aminareo.
It must not be used to anoint an ordinary man, and you must not make anything like it with the same formula. It is holy, and it must be holy to you.
33 Na zovy na zovy mangaroharo izay tahaka azy, ary na zovy na zovy manosotra azy amin’ ny vahiny dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
Anyone who mixes perfume like it or puts it on an outsider shall be cut off from his people.’”
34 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Makà zava-manitra ho anao, dia natafa sy sekeleta sy helbena ary lebona madio; samy hamboarina manokana ireo.
The LORD also said to Moses, “Take fragrant spices—gum resin, onycha, galbanum, and pure frankincense—in equal measures,
35 Ary ataovy ditin-kazo manitra izy, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon’ ny mpangaroharo zava-manitra, dia asio sira izy, ary aoka ho madio sy masìna.
and make a fragrant blend of incense, the work of a perfumer, seasoned with salt, pure and holy.
36 Ary torotoroy ny sasany ho madinika indrindra, dia ataovy eo anoloan’ ny Vavolombelona ao amin’ ny trano-lay fihaonana, izay hihaonako aminao; ho masìna indrindra ho anareo izany.
Grind some of it into fine powder and place it in front of the Testimony in the Tent of Meeting, where I will meet with you. It shall be most holy to you.
37 Ary ny amin’ ny ditin-kazo manitra izay hataonao, dia aza mba misy atao tahaka azy ny ho anareo; ho masìna aminao ho an’ i Jehovah izany.
You are never to use this formula to make incense for yourselves; you shall regard it as holy to the LORD.
38 Na zovy na zovy manao izay tahaka azy ho fanorohana dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
Anyone who makes something like it to enjoy its fragrance shall be cut off from his people.”

< Eksodosy 30 >