< Eksodosy 25 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
耶和華曉諭摩西說:
2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin’ ny olona rehetra izay amporisihin’ ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy.
「你告訴以色列人當為我送禮物來;凡甘心樂意的,你們就可以收下歸我。
3 Ary izao no fanatitra izay horaisinareo aminy: volamena sy volafotsy sy varahina,
所要收的禮物:就是金、銀、銅,
4 sy manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon’ osy,
藍色、紫色、朱紅色線,細麻,山羊毛,
5 sy hoditr’ ondrilahy efa nomen’ aina sy hodi-takasy sy hazo akasia,
染紅的公羊皮,海狗皮,皂莢木,
6 sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin’ ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
點燈的油並做膏油和香的香料,
7 sy vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony amin’ ny efoda sy amin’ ny saron-tratra.
紅瑪瑙與別樣的寶石,可以鑲嵌在以弗得和胸牌上。
8 Ary asaovy manao fitoerana masìna ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho.
又當為我造聖所,使我可以住在他們中間。
9 Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.
製造帳幕和其中的一切器具都要照我所指示你的樣式。」
10 Ary asaovy manao fiara hazo akasia izy: roa hakiho sy sasany ny lavany; ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
「要用皂莢木做一櫃,長二肘半,寬一肘半,高一肘半。
11 Ary petaho takela-bolamena tsara izy: ny atiny sy ny ivelany dia samy hopetahanao takela-bolamena avokoa; ary asio koronosy volamena manodidina eo amboniny.
要裏外包上精金,四圍鑲上金牙邊。
12 Ary mandrendreha vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin’ ny tongony efatra; dia vava volamena roa eo amin’ ny lafiny iray, ary vava volamena roa eo amin’ ny lafiny iray koa.
也要鑄四個金環,安在櫃的四腳上;這邊兩環,那邊兩環。
13 Ary manaova bao hazo akasia, ka petaho takela-bolamena.
要用皂莢木做兩根槓,用金包裹。
14 Ary ampidiro ny bao ho eo amin’ ny vava volamena, izay eo amin’ ny lafin’ ny fiara, hilanjana azy.
要把槓穿在櫃旁的環內,以便抬櫃。
15 Eo amin’ ny vava volan’ ny fiara no hitoeran’ ny bao, ka tsy hesorina eo izy.
這槓要常在櫃的環內,不可抽出來。
16 Ary ataovy ao anatin’ ny fiara ny Vavolombelona izay homeko anao.
必將我所要賜給你的法版放在櫃裏。
17 Ary manaova rakotra fanaovam-panavotana amin’ ny volamena tsara: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
要用精金做施恩座 ,長二肘半,寬一肘半。
18 Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin’ ny sakany roa amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana
要用金子錘出兩個基路伯來,安在施恩座的兩頭。
19 Ny kerobima iray ataovy indray mivofy amin’ ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa amin’ ny sakany anankiray: indray mivofy amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no hanaovanareo ny kerobima roa, dia amin’ ny sakany roa.
這頭做一個基路伯,那頭做一個基路伯,二基路伯要接連一塊,在施恩座的兩頭。
20 Ary aoka hivelatra eo ambony ny elatry ny kerobima, mba hanalofan’ ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany hifanatrika, sady hanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.
二基路伯要高張翅膀,遮掩施恩座。基路伯要臉對臉,朝着施恩座。
21 Ary apetraho eo ambonin’ ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ao anatin’ ny fiara no asio ny Vavolombelona izay homeko anao.
要將施恩座安在櫃的上邊,又將我所要賜給你的法版放在櫃裏。
22 Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao anelanelan’ ny kerobima roa, izay eo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely.
我要在那裏與你相會,又要從法櫃施恩座上二基路伯中間,和你說我所要吩咐你傳給以色列人的一切事。」
23 Ary manaova latabatra hazo akasia: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
「要用皂莢木做一張桌子,長二肘,寬一肘,高一肘半。
24 Ary petaho takela-bolamena tsara izy, sady asio koronosy volamena manodidina azy.
要包上精金,四圍鑲上金牙邊。
25 Ary asio sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary asio koronosy volamena ny sisiny manodidina.
桌子的四圍各做一掌寬的橫樑,橫樑上鑲着金牙邊。
26 Ary manaova vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin’ ny zorony efatra izay eo amin’ ny tongony efatra ireo:
要做四個金環,安在桌子的四角上,就是桌子四腳上的四角。
27 eo akaikin’ ny sisiny no hasiana ny vava volamena ho fitoeran’ ny bao hilanjana ny latabatra.
安環子的地方要挨近橫樑,可以穿槓抬桌子。
28 Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena; ary amin’ ireo no hilanjana ny latabatra.
要用皂莢木做兩根槓,用金包裹,以便抬桌子。
29 Ary manaova ny loviany sy ny lovia keliny ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no hanaovanao ireo.
要做桌子上的盤子、調羹,並奠酒的爵和瓶;這都要用精金製作。
30 Ary asio mofo aseho eo ambonin’ ny latabatra ho eo anatrehako mandrakariva.
又要在桌子上,在我面前,常擺陳設餅。」
31 Ary manaova ny fanaovan-jiro volamena tsara; voasana no hanaovanao ny fanaovan-jiro, hatao indray mivofy ihany ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
「要用精金做一個燈臺。燈臺的座和幹與杯、球、花,都要接連一塊錘出來。
32 Ary hisy sampany enina amin’ ny ankilany roa: dia sampany telo amin’ ny fanaovan-jiro eo amin’ ny ankilany iray, ary sampany telo amin’ ny fanaovan-jiro eo amin’ ny ankilany iray koa,
燈臺兩旁要杈出六個枝子:這旁三個,那旁三個。
33 dia vodi-voniny telo atao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny, eo amin’ ny sampany anankiray; ary vodi-voniny telo koa atao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny, eo amin’ ny sampany anankiray koa; dia toy izany avokoa amin’ ny sampany enina izay amin’ ny fanaovan-jiro.
這旁每枝上有三個杯,形狀像杏花,有球,有花;那旁每枝上也有三個杯,形狀像杏花,有球,有花。從燈臺杈出來的六個枝子都是如此。
34 Ary eo amin’ ny fanaovan-jiro dia hisy vodi-voniny efatra atao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny,
燈臺上有四個杯,形狀像杏花,有球,有花。
35 dia kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy; dia amin’ ny sampany enina izay miray amin’ ny fanaovan-jiro.
燈臺每兩個枝子以下有球與枝子接連一塊。燈臺出的六個枝子都是如此。
36 Ny kiboriny sy ny sampany dia hiray avokoa; hatao indray mivofy aminy amin’ ny volamena tsara izy rehetra.
球和枝子要接連一塊,都是一塊精金錘出來的。
37 Ary manaova lela fanaovan-jirony fito, ka ampireheto eo aminy ireo mba hanazava ny anoloany.
要做燈臺的七個燈盞。祭司要點這燈,使燈光對照。
38 Ary ny hetin-jirony Sy ny fitoeran-davenon-jirony dia ataovy volamena tsara.
燈臺的蠟剪和蠟花盤也是要精金的。
39 Volamena tsara talenta iray no hanaovana azy mbamin’ ireny fanaka rehetra ireny.
做燈臺和這一切的器具要用精金一他連得。
40 Ary tandremo mba hataonao araka ny endriny izay naseho taminao tao an-tendrombohitra izy.
要謹慎做這些物件,都要照着在山上指示你的樣式。」

< Eksodosy 25 >