< Eksodosy 2 >

1 Ary nisy lehilahy anankiray avy amin’ ny mpianakavin’ i Levy lasa naka vady tamin’ ny zanakavavin’ i Levy.
Or un homme de la maison de Lévi s'en alla, et prit une fille de Lévi.
2 Dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana.
Laquelle conçut et enfanta un fils, et voyant qu'il était beau, elle le cacha pendant trois mois.
3 Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron’ i Neily ny fiara.
Mais ne le pouvant tenir caché plus longtemps, elle prit un coffret de joncs, et l'enduisit de bitume et de poix, et mit l'enfant dedans, et le posa parmi des roseaux sur le bord du fleuve.
4 Ary ny anabaviny nijanona teny lavidavitra eny, mba hahita izay hatao aminy.
Et la sœur de cet [enfant] se tenait loin pour savoir ce qu'il en arriverait.
5 Ary nidina ny zanakavavin’ i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron’ i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin’ i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy.
Or la fille de Pharaon descendit à la rivière, pour se baigner, et ses filles se promenaient sur le bord de la rivière, et ayant vu le coffret au milieu des roseaux, elle envoya une de ses servantes pour le prendre.
6 Ary nony nosokafany, dia hitany ny zazakely; ary indro fa zazalahy mitomany. Dia namindra fo taminy izy ka nanao hoe: Isan’ ny zanaky ny Hebreo ity.
Et l'ayant ouvert, elle vit l'enfant, et voici, l'enfant pleurait; et elle en fut touchée de compassion, et dit: c'est un des enfants de ces Hébreux.
7 Dia hoy kosa ny anabaviny tamin’ ny zanakavavin’ i Farao: Handeha haka mpitaiza amin’ ny vehivavy Hebreo va aho hankatỳ aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?
Alors la sœur [de l'enfant] dit à la fille de Pharaon: irai-je appeler une femme d'entre les Hébreues, qui allaite, et elle t'allaitera cet enfant?
8 Ary hoy ny zanakavavin’ i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin’ ny zaza.
Et la fille de Pharaon lui répondit: Va; et la jeune fille s'en alla, et appela la mère de l'enfant.
9 Ary hoy ny zanakavavin’ i Farao taminy: Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.
Et la fille de Pharaon lui dit: emporte cet enfant, et me l'allaite, et je te donnerai ton salaire; et la femme prit l'enfant et l'allaita.
10 Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin’ ny zanakavavin’ i Farao izy, ka dia tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy; fa hoy izy: Satria tamin’ ny rano no nangalako azy.
Et quand l'enfant fut devenu grand, elle l'amena à la fille de Pharaon; et il lui fut pour fils, et elle le nomma Moïse; parce que, dit-elle, je l'ai tiré des eaux.
11 Ary tamin’ izany andro izany, rehefa lehibe Mosesy, dia nivoaka nankany amin’ ny rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy, ary nahita lehilahy Egyptiana nanavokavoka ny anankiray tamin’ ny Hebreo rahalahiny.
Or il arriva, en ce temps-là, que Moïse, étant devenu grand, sortit vers ses frères, et vit leurs travaux; il vit aussi un Egyptien qui frappait un Hébreu d'entre ses frères.
12 Dia niherikerika izy, ka nony hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ilay Egyptiana, ary nasitriny tao amin’ ny fasika ny faty.
Et ayant regardé çà et là, et voyant qu'il n'y avait personne, il tua l'Egyptien, et le cacha dans le sable.
13 Ary nony ampitson’ iny, dia nivoaka indray izy, ary, indreo, nisy Hebreo roa lahy niady; dia hoy izy tamin’ ilay diso: Nahoana no mamono ny namanao ianao?
Il sortit encore le second jour, et voici, deux hommes Hébreux se querellaient; et il dit à celui qui avait tort: pourquoi frappes-tu ton prochain?
14 Fa hoy izy: Iza no nanendry an’ ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy koa va ialahy, tahaka ny namonoan’ ialahy ilay Egyptiana? Dia raiki-tahotra Mosesy ka nanao hoe: Hay! fantatr’ olona izany!
Lequel répondit: qui t'a établi Prince et Juge sur nous? veux-tu me tuer, comme tu as tué l'Egyptien? et Moïse craignit, et dit: certainement le fait est connu.
15 Ary rehefa ren’ i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an’ i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan’ i Farao ka nonina tany amin’ ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan’ ny lavaka fantsakana izy.
Or Pharaon ayant appris ce fait-là, chercha de faire mourir Moïse, mais Moïse s'enfuit de devant Pharaon, et s'arrêta au pays de Madian, et s'assit près d'un puits.
16 Ary ny mpisorona tao Midiana nanana zanaka fito mirahavavy; ary avy izy ireo, dia nanovo rano ka nameno ny tavin-drano hampisotroany ny ondry aman’ osin-drainy.
Or le Sacrificateur de Madian avait sept filles, qui vinrent puiser de l'eau, et elles emplirent les auges pour abreuver le troupeau de leur père.
17 Ary avy kosa ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy; fa Mosesy nitsangana ka namonjy azy, dia nampisotro rano ny ondry aman’ osiny.
Mais des bergers survinrent, qui les chassèrent; et Moïse se leva et les secourut, et abreuva leur troupeau.
18 Ary rehefa tonga teo amin-dRegoela rainy izy, dia hoy izy: Nahoana no dia nalaky tonga toy izany ianareo androany?
Et quand elles furent revenues chez Réhuel leur père, il leur dit: comment êtes-vous revenues sitôt aujourd'hui?
19 Ary hoy izy ireo: Nisy lehilahy Egyptiana anankiray namonjy anay tamin’ ny tanan’ ny mpiandry ondry sady nanovo rano ho anay, dia nampisotro ny ondry aman’ osy.
Elles répondirent: un homme Egyptien nous a délivrées de la main des bergers; et même il nous a puisé abondamment de l'eau, et a abreuvé le troupeau.
20 Ary hoy izy tamin’ ny zananivavy: Ka aiza izy? Nahoana no nilaozanareo izany lehilahy izany? Alao izy mba hihinan-kanina.
Et il dit à ses filles: où est-il? pourquoi avez-vous ainsi laissé cet homme? appelez-le, et qu'il mange du pain.
21 Ary sitrak’ i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho vadin’ i Mosesy.
Et Moïse s'accorda de demeurer avec cet homme-là, qui donna Séphora sa fille à Moïse.
22 Dia niteraka zazalahy izy, ary ny anarany nataon-drainy hoe Gersoma; fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin’ ny tanin’ ny firenena hafa aho.
Et elle enfanta un fils, et il le nomma Guersom; à cause, dit-il, que j'ai séjourné dans un pays étranger.
23 Ary tao anatin’ izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan’ i Egypta; ary ny Zanak’ Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin’ Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.
Or il arriva longtemps après, que le Roi d'Egypte mourut, et les enfants d'Israël soupirèrent à cause de la servitude, et ils crièrent; et leur cri monta jusqu'à Dieu, à cause de la servitude.
24 Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
Dieu donc ouït leurs sanglots, et Dieu se souvint de l'alliance qu'il avait traitée avec Abraham, Isaac et Jacob.
25 Ary Andriamanitra dia nijery ny Zanak’ Isiraely ka nahafantatra azy.
Ainsi Dieu regarda les enfants d'Israël, et il fit attention à leur état.

< Eksodosy 2 >