< Eksodosy 17 >

1 Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron’ i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin’ ny olona.
All the congregation of the children of Israel traveled from the wilderness of Sin, by their journeys, according to YHWH's commandment, and camped in Rephidim; but there was no water for the people to drink.
2 Dia nila ady tamin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an’ i Jehovah ianareo?
Therefore the people quarreled with Moses, and said, "Give us water to drink." Moses said to them, "Why do you quarrel with me? Why do you test YHWH?"
3 Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin’ i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay?
The people were thirsty for water there; and the people murmured against Moses, and said, "Why have you brought us up out of Egypt, to kill us, our children, and our livestock with thirst?"
4 Ary Mosesy nitaraina tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ahoana no hataoko amin’ ireto olona ireto? fa mila hitora-bato ahy izy.
Moses cried to YHWH, saying, "What shall I do with these people? They are almost ready to stone me."
5 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandrosoa eo alohan’ ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon’ ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an’ i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana.
YHWH said to Moses, "Walk on before the people, and take the elders of Israel with you, and take the staff in your hand with which you struck the Nile, and go.
6 Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin’ ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin’ ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason’ ny loholon’ ny Isiraely.
Look, I will stand before you there on the rock in Horeb. You shall strike the rock, and water will come out of it, that the people may drink." Moses did so in the sight of the elders of Israel.
7 Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe Masa sy Meriba, noho ny ady nataon’ ny Zanak’ Isiraely, sy noho ny nakany fanahy an’ i Jehovah hoe: Eto aminay va Jehovah, sa tsia?
He called the name of the place Massah, and Meribah, because the children of Israel quarreled, and because they tested YHWH, saying, "Is YHWH among us, or not?"
8 Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ ny Isiraely tao Refidima.
Then Amalek came and fought with Israel in Rephidim.
9 Dia hoy Mosesy tamin’ i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ ny havoana aho ka hitana ny tehin’ Andriamanitra etỳ an-tanako.
Moses said to Joshua, "Choose men for us, and go out, fight with Amalek. Tomorrow I will stand on the top of the hill with God's staff in my hand."
10 Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain’ i Mosesy taminy, ka niady tamin’ ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon’ ny havoana.
So Joshua did as Moses had told him, and fought with Amalek; and Moses, Aaron, and Hur went up to the top of the hill.
11 Ary raha nasandratr’ i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita.
It happened, when Moses held up his hand, that Israel prevailed; and when he let down his hand, Amalek prevailed.
12 Fa efa vizana ny tanan’ i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin’ i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin’ ny anila, ary ny iray kosa tamin’ ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin’ ny masoandro.
But Moses' hands were heavy; and they took a stone, and put it under him, and he sat on it. Aaron and Hur held up his hands, the one on the one side, and the other on the other side. His hands were steady until sunset.
13 Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin’ ny lelan-tsabatra.
Joshua defeated Amalek and his people with the edge of the sword.
14 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Soraty eo amin’ ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin’ i Josoa; fa hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin’ ny lanitra.
YHWH said to Moses, "Write this for a memorial on a scroll, and rehearse it in the ears of Joshua: that I will utterly blot out the memory of Amalek from under the sky."
15 Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi.
Moses built an altar, and called its name YHWH our Banner.
16 Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin’ i Jehovah amin’ ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin’ izay taranany fara mandimby.
He said, "A hand upon the throne of JAH. YHWH will have war with Amalek from generation to generation.'"

< Eksodosy 17 >