< Eksodosy 13 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
The LORD spoke to Moses, saying,
2 Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely, na olona na biby fiompy: Ahy ireny.
“Sanctify to me all the firstborn, whatever opens the womb amongst the children of Israel, both of man and of animal. It is mine.”
3 Dia hoy Mosesy tamin’ ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana, fa tamin’ ny tanana mahery no nitondran’ i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
Moses said to the people, “Remember this day, in which you came out of Egypt, out of the house of bondage; for by strength of hand the LORD brought you out from this place. No leavened bread shall be eaten.
4 Izao andro amin’ ny volana Abiba izao no ivoahanareo
Today you go out in the month Abib.
5 Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin’ ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany ianao amin’ izao volana izao.
It shall be, when the LORD brings you into the land of the Canaanite, and the Hittite, and the Amorite, and the Hivite, and the Jebusite, which he swore to your fathers to give you, a land flowing with milk and honey, that you shall keep this service in this month.
6 Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin’ ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an’ i Jehovah.
Seven days you shall eat unleavened bread, and in the seventh day shall be a feast to the LORD.
7 Ny mofo tsy misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin’ ny taninao rehetra.
Unleavened bread shall be eaten throughout the seven days; and no leavened bread shall be seen with you. No yeast shall be seen with you, within all your borders.
8 Dia hambaranao amin’ ny zanakao amin’ izany andro izany hoe: Noho ny nataon’ i Jehovah tamiko tamin’ ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao.
You shall tell your son in that day, saying, ‘It is because of that which the LORD did for me when I came out of Egypt.’
9 Dia ho famantarana ho anao eo amin’ ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin’ ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn’ i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran’ i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta.
It shall be for a sign to you on your hand, and for a memorial between your eyes, that the LORD’s law may be in your mouth; for with a strong hand the LORD has brought you out of Egypt.
10 Dia tandremo amin’ ny fotoany isan-taona izao lalàna izao.
You shall therefore keep this ordinance in its season from year to year.
11 Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin’ ny tanin’ ny Kananita araka izay nianianany taminao sy ny razanao, ka homeny anao izany,
“It shall be, when the LORD brings you into the land of the Canaanite, as he swore to you and to your fathers, and will give it to you,
12 dia hatokanao ho an’ i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra izay anananao, dia ho an’ i Jehovah ny lahy rehetra;
that you shall set apart to the LORD all that opens the womb, and every firstborn that comes from an animal which you have. The males shall be the LORD’s.
13 ary ny voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak’ ondry; fa raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin’ ny olona eo amin’ ny zanakao dia havotanao.
Every firstborn of a donkey you shall redeem with a lamb; and if you will not redeem it, then you shall break its neck; and you shall redeem all the firstborn of man amongst your sons.
14 Ary raha hanontany anao ny zanakao amin’ ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton’ izao? dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana;
It shall be, when your son asks you in time to come, saying, ‘What is this?’ that you shall tell him, ‘By strength of hand the LORD brought us out from Egypt, from the house of bondage.
15 ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin’ i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny lahimatoan’ ny olona ka hatramin’ ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an’ i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin’ ny zanako dia soloako.
When Pharaoh stubbornly refused to let us go, the LORD killed all the firstborn in the land of Egypt, both the firstborn of man, and the firstborn of livestock. Therefore I sacrifice to the LORD all that opens the womb, being males; but all the firstborn of my sons I redeem.’
16 Ary ho famantarana eo amin’ ny tananao sy ho fehy eo ambonin’ ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
It shall be for a sign on your hand, and for symbols between your eyes; for by strength of hand the LORD brought us out of Egypt.”
17 Ary rehefa nalefan’ i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’ Andriamanitra tamin’ ny lalana nankany amin’ ny tanin’ ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny olona, raha mahita ady, ka hiverina any Egypta.
When Pharaoh had let the people go, God didn’t lead them by the way of the land of the Philistines, although that was near; for God said, “Lest perhaps the people change their minds when they see war, and they return to Egypt”;
18 Fa nentin’ Andriamanitra nivily ho amin’ ny lalana mahazo any an-efitra amoron’ ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak’ Isiraely avy tany amin’ ny tany Egypta.
but God led the people around by the way of the wilderness by the Red Sea; and the children of Israel went up armed out of the land of Egypt.
19 Ary nentin’ i Mosesy niaraka taminy ny taolan’ i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo.
Moses took the bones of Joseph with him, for he had made the children of Israel swear, saying, “God will surely visit you, and you shall carry up my bones away from here with you.”
20 Dia nifindra niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin’ ny efitra.
They took their journey from Succoth, and encamped in Etham, in the edge of the wilderness.
21 Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin’ ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin’ ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman’ alina.
The LORD went before them by day in a pillar of cloud, to lead them on their way, and by night in a pillar of fire, to give them light, that they might go by day and by night:
22 Ny andri-rahona tsy niala teo alohan’ ny olona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina.
the pillar of cloud by day, and the pillar of fire by night, didn’t depart from before the people.

< Eksodosy 13 >