< Eksodosy 11 >

1 Fa Jehovah nilaza tamin’ i Mosesy, hoe: Mbola hahatonga loza iray koa amin’ i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia handefa anareo hiala atỳ izy; ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia handroaka anareo fatratra hiala atỳ. 2 Koa mitenena amin’ ny olona, ary aoka ny lehilahy samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin’ ny namany avy, ary ny vehivavy amin’ ny namany avy koa. 3 Dia nataon’ i Jehovah nahita fitia teo imason’ ny Egyptiana ny olona. Ary Mosesy dia lehilahy malaza indrindra teo amin’ ny tany Egypta, dia teo imason’ ny mpanompon’ i Farao sy teo imason’ ny vahoaka. 4 Ary hoy Mosesy: Izao no lazain’ i Jehovah: Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka hankeo afovoan’ i Egypta, 5 dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny matoan’ i Farao izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny matoan’ ny ankizivaviny izay eo anilan’ ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. 6 Ary hisy fidradradradrana mafy eran’ ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka izany, sady tsy hisy tahaka izany intsony. 7 Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra, na amin’ ny olona, na amin’ ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian’ i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely. 8 Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin’ i Farao tamin’ ny fahatezerana mirehitra Mosesy. 9 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Tsy hihaino anareo Farao, mba hitomboan’ ny fahagagana izay hataoko eto amin’ ny tany Egypta. 10 Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin’ i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak’ Isiraely hiala tamin’ ny taniny izy.

< Eksodosy 11 >