< Estera 7 >

1 Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankao amin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka, ho ao amin’ ny fanasana
Le roi et Haman vinrent donc au festin chez la reine Esther.
2 Ary hoy indray ny mpanjaka tamin’ i Estera teo am-pisotroan-divay tamin’ ny andro faharoa inona no angatahinao, ry Estera, vadin’ ny mpanjaka? Fa homena anao izany. Ary inona ange no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ ny antsasaky ny fanjakana aza dia hotovina izany.
Et ce second jour, le roi dit encore à Esther, pendant qu'on buvait le vin: Quelle est ta demande, reine Esther? Et elle te sera accordée. Et quelle est ta prière? Fût-ce jusqu'à la moitié du royaume, il y sera fait droit.
3 Dia namaly Estera, vadin’ ny mpanjaka, ka nanao hoe: Raha mahita fitia eto imasonao ary aho, ry mpanjaka, ka sitraky ny mpanjaka, dia aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako ary ny fireneko araka ny fangatahako;
Alors la reine Esther répondit, et dit: Si j'ai trouvé grâce devant toi, ô roi! et si le roi le trouve bon, que ma vie me soit accordée à ma demande, et mon peuple à ma prière!
4 fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina ary haripaka; fa raha tahìny namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay, dia ho nangina ihany aho; kanefa anie tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka tsinona ilay fahavalo e.
Car nous avons été vendus, moi et mon peuple, pour être exterminés, égorgés et détruits. Que si nous n'avions été vendus que pour être esclaves et servantes, je me fusse tue, bien que l'oppresseur ne pût dédommager de la perte qui en reviendrait au roi.
5 Dia namaly Ahasoerosy mpanjaka ka nanao tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka, hoe: Iza moa izany, ary aiza no hisy hasesiky ny fony hanao izany akory?
Alors le roi Assuérus prit la parole, et dit à la reine Esther: Qui est, et où est cet homme, qui a osé faire cela?
6 Fa hoy Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny vadin’ ny mpanjaka Hamana.
Et Esther répondit: L'oppresseur et l'ennemi est ce méchant Haman. Alors Haman fut troublé en présence du roi et de la reine.
7 Ary tezitra dia tezitra ny mpanjaka, dia nitsangana niala teo am-pisotroan-divay ho eny an-tanimbolin’ ny trano; ary Hamana kosa nitsangana hangataka ny ainy tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka, satria hitany fa misy loza hamelin’ ny mpanjaka azy.
Et le roi, en colère, se leva du festin, et entra dans le jardin du palais; mais Haman se tint là, afin de prier la reine Esther pour sa vie; car il voyait bien que sa perte était résolue par le roi.
8 Ary ny mpanjaka niverina avy teo an-tanimbolin’ ny trano ho ao amin’ ilay efa nisotroany divay teo, ary Hamana sendra niapoka tamin’ ny farafara nandrian’ i Estera. Dia hoy ny mpanjaka: Moa hisavika ny vadin’ ny mpanjaka eto anatrehako eto an-trano va io? Raha vantany vao naloaky ny vavan’ ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy nanarona ny tavan’ i Hamana
Quand le roi revint du jardin du palais dans la salle du festin, Haman s'était jeté sur le lit où était Esther. Et le roi dit: Ferait-il bien encore violence à la reine, en ma présence, dans cette maison? Dès que cette parole fut sortie de la bouche du roi, on couvrit le visage d'Haman.
9 Ary Harbona, tsindranolahy anankiray, izay teo anatrehan’ ny mpanjaka, dia nilaza hoe Indro miorina eo akaikin’ ny tranon’ i Hamana ny hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, izay nataon’ i Hamana hanantonany an’ i Mordekay, ilay niteny soa ho an’ ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka ahantòny amin’ io izy.
Et Harbona, l'un des eunuques, dit en présence du roi: Voici, le gibet qu'Haman a fait faire pour Mardochée, qui parla dans l'intérêt du roi, est tout dressé dans la maison d'Haman, haut de cinquante coudées. Alors le roi dit: Qu'on l'y pende!
10 Ary Hamana dia nahantony tamin’ ilay hazo efa natsangany hanantonana an’ i Mordekay. Dia vao izay no nionona ny hatezeran’ ny mpanjaka.
Et ils pendirent Haman au gibet qu'il avait préparé pour Mardochée; et la colère du roi fut apaisée.

< Estera 7 >