< Estera 4 >

1 Nony fantatr’ i Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona, dia nankeo afovoan’ ny tanàna ka nitaraina sy nidradradradra mafy;
When Mordecai learned all that had been done, he tore his clothes and put on sackcloth and strewed ashes on his head, and went out into the city and raised a loud and bitter cry of lamentation.
2 ary tonga teo anoloan’ ny vavahadin’ ny mpanjaka aza izy; nefa tsy nisy nahazo niditra teo amin’ ny vavahadin’ ny mpanjaka, raha nitafy lamba fisaonana.
He went as far as the king’s gate, but no one could enter the gate clothed with sackcloth.
3 Ary tany amin’ ny isan-tokony tamin’ ny fanjakana rehetra nalehan’ ny tenin’ ny mpanjaka sy ny didiny dia nalahelo mafy ny Jiosy ka nifady hanina sy nitomany ary nidradradradra, sady maro no nandry tamin’ ny lamba fisaonana aman-davenona.
In every province, wherever the king’s command and decree went, there was great mourning, fasting, weeping, and wailing among the Jews. Many of them sat in sackcloth and ashes.
4 Ary niditra ny ankizivavin’ i Estera sy ny tsindranolahiny ka nilaza izany taminy. Dia nalahelo indrindra ny vadin’ ny mpanjaka, ka nampanatitra lamba hitafin’ i Mordekay izy mba hanesorany ny lamba fisaonana taminy; nefa tsy nety nandray izy.
When Esther’s maids and attendants told her about Mordecai’s behavior, she was greatly troubled. She sent garments for Mordecai to put on, so that he could take off his sack-cloth, but he would not accept them.
5 Ary Estera niantso an’ i Hatàka, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, izay notendreny hanompo azy, ka nampitondra teny azy ho any amin’ i Mordekay, mba hahafantarany izay anton’ izany.
So Esther called Hathach, one of the king’s eunuchs whom he had appointed to attend her, and ordered him to go to Mordecai to learn what it all meant and the reason for it.
6 Dia nivoaka Hatàka nankany amin’ i Mordekay ho eo an-kalalahana eo an-tanàna, dia ilay eo anoloan’ ny vavahadin’ ny mpanjaka;
So Hathach went out to Mordecai, to the city square in front of the king’s gate.
7 dia nambaran’ i Mordekay taminy izay rehetra efa nanjo azy sy ny isan’ ny vola izay nokasain’ i Hamana haloa ho ao an-trano firaketan’ ny mpanjaka noho ny handringanana ny Jiosy.
Mordecai told him all that had happened to him and the exact amount of money that Haman had promised to pay into the king’s treasury for the destruction of the Jews.
8 Ary nomeny azy koa ny kopen’ ny lalàna, izay nantsoina tany Sosana handringanana azy, mba haseho amin’ i Estera hampahafantatra azy izany sy handidy azy hiditra ao amin’ ny mpanjaka mba hifona aminy sy hangataka eo anatrehany ho an’ ny fireneny.
Also he gave him a copy of the decree to destroy them, that had been published in Susa, to show to Esther for her information. He also told her to go to the king and implore his mercy and to plead with him in behalf of her people.
9 Ary tonga Hatàka ka nanambara ny tenin’ i Mordekay tamin’ i Estera.
When Hathach came and told Esther what Mordecai had said,
10 Fa Estera naniraka an’ i Hatàka indray hanao amin’ i Mordekay hoe:
she instructed Hathach to go and say to Mordecai,
11 Ny mpanompon’ ny mpanjaka rehetra sy ny olona isan-tokony eran’ ny fanjakany dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin’ ny mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia misy lalàna iray ihany hahafaty azy, afa-tsy izay hotondroin’ ny mpanjaka amin’ ny tehim-bolamena hahavelona azy; ary izaho anefa dia tsy mbola nantsoina hiditra ao amin’ ny mpanjaka intsony telo-polo andro izay.
“All the king’s courtiers and the people of the king’s provinces know that for every man or woman who goes to the king into the inner court without being called there is one penalty, death, unless the king holds out the golden sceptre signifying that they may live. It has been thirty days since I have been called to go in to the king.”
12 Dia nolazaina tamin’ i Mordekay ny tenin’ i Estera.
When Mordecai was told what Esther had said,
13 Ary Mordekay nampitondra valiny ho amin’ i Estera hoe: Aza manao anakampo fa ho afaka mihoatra noho ny Jiosy rehetra ianao, saingy ao an-tranon’ ny mpanjaka;
he sent back this reply to Esther, “Don’t imagine that you alone of all the Jews will escape because you belong to the king’s household.
14 fa raha hangina mihitsy ianao amin’ izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin’ ny fitoerana hafa ho an’ ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin’ izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin’ ny fanjakana?
If you persist in remaining silent at this time, relief and deliverance will come to the Jews from another quarter, but you and your family will perish. Who knows? Maybe you have been raised to the throne for a time like this!”
15 Dia nampitondra valiny ho any amin’ i Mordekay indray Estera ka nanao hoe:
Then Esther sent this message to Mordecai:
16 Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin’ izany no hidirako ao amin’ ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.
“Go, gather all the Jews in Susa and fast for me. Don’t eat nor drink anything for three days and nights. My maids and I will fast as well. Then I will go in to the king, although it is contrary to the law, and if I die, I die.”
17 Dia lasa Mordekay ka nanao araka izay rehetra nandidian’ i Estera azy.
Mordecai did everything Esther had directed.

< Estera 4 >