< Estera 2 >

1 Rehefa afaka izany, nony efa nionona ny fahatezeran’ i Ahasoerosy mpanjaka, dia nahatsiaro an’ i Vasty sy izay efa nataony izy ary ny efa nitsarana azy.
После тога, кад се утиша гнев цара Асвира, он се опомену Астине и шта је учинила и шта је наређено за њу.
2 Ka dia hoy ireo zatovon’ ny mpanjaka izay nanompo azy: Aoka ny mpanjaka hitadiavana zazavavy virijina tsara tarehy;
И рекоше момци цареви, слуге његове: Да потраже цару младих девојака лепих;
3 ary aoka ny mpanjaka hanendry olona any amin’ ny isan-tokony eran’ ny ny fanjakany rehetra, dia aoka hovorin’ ireny ny zazavavy virijina tsara tarehy rehetra ho ato Sosana renivohitra ho ao an-tranom-behivavy amin’ ny fehin’ i Hegay, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, mpifehy ny vehivavy; ary aoka homena ny zavatra fidiovany izy,
И нека одреди цар приставе по свим земљама царства свог да скупе све девојке младе и лепе у Сусан град царски у женски двор под руку Игаја дворанина царевог, чувара женског, и нека им се дају потребе за лепоту.
4 koa izay zazavavy sitraky ny mpanjaka no aoka hanjaka hisolo an’ i Vasty. Dia sitraky ny mpanjaka izany teny izany, ka dia nataony.
Па која девојка буде по вољи цару, нека буде царица на Астинино место. И то би по вољи цару, и учини тако.
5 Ary nisy Jiosy anankiray tany Sosana renivohitra. Mordekay no anarany, zanak’ i Jaïra, zanak’ i Simey, zanak’ i Kisy, avy tamin’ ny taranak’ i Benjamina,
Беше у Сусану, царском граду Јудејац по имену Мардохеј, син Јаира сина Симеја сина Кисовог, од племена Венијаминовог,
6 izay efa nentina ho babo avy tany Jerosalema tamin’ ny babo izay nentina niaraka tamin’ i Jekonia, mpanjakan’ ny Joda, izay nobaboin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona.
Који би одведен у ропство из Јерусалима с робљем које би одведено у ропство с Јехонијом царем Јудиним, ког зароби Навуходоносор, цар вавилонски.
7 Ary izy nitaiza an’ i Hadasa (Estera izany), zanakavavin’ ny rahalahin-drainy, izay tsy nanana ray sy reny intsony; ary razazavavy dia soa sady tsara tarehy, ary noraisin’ i Mordekay ho zanany izy, rehefa maty rainy sy reniny.
Он одгајаше Адасу, а то је Јестира, кћи стрица његовог, јер не имаше оца ни матере; а девојка беше лепог стаса и красног лица, и по смрти оца јој и матере узе је Мардохеј за кћер.
8 Koa nony re ny tenin’ ny mpanjaka sy ny lalàny, ka voavory tany Sosana renivohitra ny zazavavy maro ho andin’ ny fehin’ i Hegay, dia mba nentina ho ao an-tranon’ ny mpanjaka koa Estera ho amin’ ny fehin’ i Hegay, mpifehy ny vehivavy.
И кад се разгласи реч царева и заповест, и много се девојака скупи у Сусан град царски под руку Игајеву, би и Јестира доведена у двор царев, под руку Игаја чувара женског.
9 Ary nahafaly azy razazavavy ka nahita fitia teo imasony; dia nomeny faingana an-drazazavavy ny zavatra fidiovany sy ny anjara-haniny ary ny ankizivavy fito izay voafantina homena azy avy tao an-tranon’ ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin’ ny fitoerana tsara indrindra ao an-tranom-behivavy izy sy ny ankizivaviny.
И девојка му омиле и нађе милост у њега, те јој одмах даде потребе за лепоту и део њен, и седам присталих девојака из царског дома, и намести је с њеним девојкама на најлепше место у женском дому.
10 Nefa Estera tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany, satria nopeperan’ i Mordekay mba tsy hilaza izany izy.
Јестира не каза народ свој ни род свој, јер јој Мардохеј беше забранио да не казује.
11 Ary Mordekay nitsangantsangana isanandro teo anoloan’ ny kianjan’ ny tranom-behivavy, mba hahafantarany izay toetran’ i Estera sy izay anaovana azy.
А Мардохеј ходаше сваки дан испред трема од женског дома да би дознао како је Јестира и шта ће бити од ње.
12 Ary nony tonga ny andro hidiran’ ny zazavavy tsirairay isan’ andro tany amin’ i Ahasoerosy mpanjaka, rehefa tapitra taminy ny roa ambin’ ny folo volana, araka ny fomba fanomanana ny vehivavy (fa tapitra tamin’ izay ny andro fidiovany, dia enim-bolana tamin’ ny diloilo nisy miora, ary enim-bolana tamin’ ny zava-manitra sy ny zavatra sasany koa fidiovan’ ny vehivavy),
А кад би дошао ред на коју девојку да уђе к цару Асвиру, пошто би јој се чинило по женском закону дванаест месеца (јер толико времена требаше да се улепшавају, шест месеца уљем од смирне, а шест месеца мирисима и другим стварима за лепоту женску),
13 koa nony hiditra ao amin’ ny mpanjaka ny zazavavy tamin’ izany, dia nomena azy izay rehetra nilainy ho entiny avy amin’ ny tranom-behivavy ho ao an-tranon’ ny mpanjaka.
Тада би девојка ишла к цару, и шта би год рекла дало би јој се да с тим иде из женске куће у дом царев.
14 Tamin’ ny hariva no nandeha izy, ary nony maraina dia niverina izy ho ao an-trano faharoa nitoeran’ ny vehivavy, ho amin’ ny fehin’ i Sasegaza, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, mpitandrina ny vaditsindrano; ary tsy mba niditra tao amin’ ny mpanjaka intsony izy, raha tsy tian’ ny mpanjaka, ka voatonona ny anarany.
Увече би ушла, а ујутру би се вратила у другу кућу женску под руку Сазгаза дворанина царевог, чувара иночког; више не би ишла к цару, већ ако би је хтео цар, те би била позвана по имену.
15 Ary rehefa tonga ny anjara-andron’ i Estera, zanakavavin’ i Abihaila, rahalahin-drain’ i Mordekay izay efa nandray azy ho zananivavy, hidirany ao an-tranon’ ny mpanjaka, dia tsy nila na inona na inona izy mihoatra noho izay notononin’ i Hegay, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, mpitandrina ny vehivavy. Ary Estera nahita fitia teo imason’ ny olona rehetra izay nijery azy.
И тако, кад дође ред на Јестиру, кћер Авихаила стрица Мардохејевог, коју беше узео за кћер, да уђе к цару, она не заиска ништа него шта рече Игај дворанин царев, чувар женски; и Јестира налажаше милост у сваког ко је виђаше.
16 Dia nentina ho ao amin’ i Ahasoerosy mpanjaka Estera, ho ao an-tranon’ ny fanjakana, tamin’ ny volana fahafolo (volana Tebeta izany) tamin’ ny taona fahafito nanjakany.
Тако би Јестира одведена к цару Асвиру у царски двор његов десетог месеца, које је месец Тевет, седме године царовања његовог.
17 Ary tian’ ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satro-boninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an’ i Vasty.
И цару омиле Јестира мимо све друге жене, и придоби милост и љубав његову мимо све девојке, те јој метну царски венац на главу и учини је царицом на место Астинино.
18 Ary ny mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an’ ny mpanapaka rehetra sy ny mpanompony, dia fanasan’ i Estera izany; ary nanendry andro fifaliana ho an’ ny fanjakana rehetra isan-tokony izy sady nanome zavatra araka ny fanomen’ ny mpanjaka.
И учини цар велику гозбу свим кнезовима својим и слугама својим ради Јестире, и поклони земљама олакшице, и раздаде дарове како цар може.
19 Ary raha nisy virijina novorina fanindroany, dia nipetraka teo am-bavahadin’ ny mpanjaka Mordekay.
А кад се другом скупљаху девојке, Мардохеј сеђаше на вратима царевим.
20 Nefa Estera tsy mbola nilaza izay fianakaviany na izay fireneny, araka ilay nameperan’ i Mordekay azy ihany; fa ny tenin’ i Mordekay dia nankatoavin’ i Estera tahaka ny fony Izy mbola nitaiza azy ihany.
А Јестира не каза свој род ни народ, као што јој беше заповедио Мардохеј, и Јестира чињаше шта јој Мардохеј говораше, као кад се одгајаше код њега.
21 Tamin’ izany andro izany, raha Mordekay nipetraka teo am-bavahadin’ ny mpanjaka, dia tezitra Bigtana sy Taresy, roa lahy isan’ ny tsindranolahin’ i ny mpanjaka, dia ilay mpiambina teo am-baravarana, ka nitady hamono an’ i Ahasoerosy mpanjaka izy.
У те дане, кад Мардохеј сеђаше на вратима царевим, расрдише се Вихтан и Тарес, два дворанина царева између оних који стражаху на прагу, и гледаху да дигну руке на цара Асвира.
22 Ary fantatr’ i Mordekay izany ka nambarany tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka; dia nambaran’ i Estera tamin’ ny mpanjaka kosa izany araka ny nampilazain’ i Mordekay azy.
А то дозна Мардохеј и јави царици Јестири, а Јестира каза цару у име Мардохејево.
23 Atỳ rehefa nodinihina izany zavatra izany, dia, indro, marina; ka dia nahantona tamin’ ny hazo izy roa lahy; ary nosoratana tao amin’ ny bokin’ ny tantara teo anatrehan’ ny mpanjaka izany.
И кад се ствар извиде и нађе, бише обешена она обојица на дрво, и то се записа у књигу дневника пред царем.

< Estera 2 >