< Efesiana 1 >

1 Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, mamangy ny olona masìna any Efesosy, izay mahatoky ao amin’ i Kristy Jesosy:
O PAULO, he lunaolelo a Iesu Kristo ma ka makemake o ke Akua, na ka poe haipule e noho ana ma Epeso, a me ka poe manaoio iloko o Iesu Kristo:
2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
E alohaia oukou, e maluhia hoi i ke Akua ko kakou Makua, a me ka Haku Iesu Kristo.
3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’ i Kristy amin’ ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,
E hoomaikaiia ku ke Akua, ka Makua o ko kakou Haku o Iesu Kristo, nana kakou i hoomaikai mai ma na mea maikai a pau o ka Uhane i na wahi lani ma o Kristo la.
4 araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao, mba ho masìna sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,
E like me ia i wae mai ai ia kakou ma ona la mamua aku o ka hookumuia mai o ke ao nei i hemolele ai kakou a me ka hala ole imua ona ma ke aloha:
5 rehefa notendreny rahateo amin’ ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ ny fananganan’ anaka amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ ny fony,
I koho e mai oia ia kakou mamua no ka hookamaia nana ma o Iesu Kristo la, e like me ka lokomaikai o kona makemake,
6 ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ ny Malala.
I hoomaikaiia'i ka nani o kona aloha, ana i maliu mai ai ia kakou no ka Mea aloha;
7 Izy no ananantsika fanavotana amin’ ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ ny fahasoavany,
Nona mai ke ola ia kakou ma kona koko, ke kala ana o na hala, e like me ka lako o kona lokomaikai;
8 izay nataony be ho antsika tamin’ ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,
Ka mea ana i hoomahuahua mai ai ia kakou me ke akamai nui, a me ka naauao.
9 rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin’ ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain’ ny tenany,
Ua hoike mai la oia ia kakou i ka mea ikea ole o koua makemake, e like me kona manao aloha ana i manao ai iloko iho ona;
10 hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’ i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy;
I ke aupuni o keia manawa hope, e houluulu i na mea a pau ma kahi hookahi iloko o Kristo, i na mea o ka lani e me na mea o ka honua, iloko ona.
11 ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan’ izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan’ ny fony,
Ma ona la ua loaa mai ia ma kou ka noho ana, i koho mua ia mai makou o like me ka manao o ka mea nana e hana mai i na mea a pau ma ka manao ku paa o kona makemake;
12 mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an’ i Kristy rahateo.
I hoomaikai aku ai makou i kona nani, ka poe i manao lana e mamua i ka Mesia.
13 Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo, ― eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ ny Fanahy Masìna araka ny teny fikasana.
O oukou hoi kekahi i manao ia ia, i ko oukou hoolohe ana i ka olelo o ka oiaio, i ka euanelio e ola'i oukou; a i ko oukou manaoio ana ia ia, ua hoailonaia oukou e ka Uhane Hemolele i olelo e ia mai;
14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an’ ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.
Oia ka hooiaio o ko kakou noho ana, a hiki aku i ke ola i kuaiia mai, i hoomaikaiia'i kona nani.
15 Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an’ i Jesosy Tompo izay hitan’ ny olona masìna rehetra,
Nolaila hoi, i kuu lohe ana'ku i ko oukou manaoio i ka Haku ia Iesu, a me ke aloha i na haipule a pau.
16 dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin’ ny fivavahako,
Aole au e hooki i ka hoomaikai ana aku no oukou, e hoohiki ana ia oukou ma ka'u pule;
17 mba homen’ Andriamanitr’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ ny voninahitra, ho anareo ny fanahin’ ny fahendrena sy ny fanambarana amin’ ny fahalalana Azy tsara,
I haawi mai ai ke Akua o ko kakou Haku o Iesu Kristo, ka Makua nona ka nani, ia oukou i ka Uhane hoonaauao a me ka hoike, i ike ai oukou ia ia;
18 ary mba hampahiratina ny mason’ ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin’ ny fiantsoany sy izay haren’ ny voninahitry ny lovany eo amin’ ny olona masìna,
A hoomalamalamaia na maka o ko oukou naau, i ike ai oukou i ka manaolana ma kona hea ana mai, a me ka nani nui o kona mea e ili mai ana no ka poe haipule,
19 ary ny fihoaran’ ny halehiben’ ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan’ ny herin’ ny faherezany,
A me ka nui loa o kona mana no kakou ka poe manaoio, ma ka hooikaika ana o kona mana ikaika,
20 izay nataony tao amin’ i Kristy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin’ ny tànany ankavanana any an-danitra,
Ana i hana iho ai iloko o Kristo i ka hoala'ua ia ia mai ka make mai, a hoonoho iho la ia ia ma kona lima akau i kahi lani,
21 ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin’ izao fiainana izao ihany, fa amin’ ny ho avy koa, (aiōn g165)
Maluna ae o na alii a pau, o na mea ikaika, o na mea mana, na haku, a me na inoa a pau i kapaia, aole ma keia ao wale no, ma kela ao e hiki mai ana kekahi. (aiōn g165)
22 dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ ny fiangonana,
A ua hoolilo iho la oia i na mea a pau malalo iho o kona mau wawae, ua hoonoho hoi ia ia i poo maluna o na mea a pau no ka ekalesia,
23 izay tenany, dia ny fahafenoan’ izay mameno izao zavatra rehetra izao amin’ ny rehetra.
Oia kona kino, o ka lako o ka mea nana e hoolako mai i na mea a pau ma na mea a pau.

< Efesiana 1 >