< Mpitoriteny 9 >

1 Fa ireto dia nalatsako tato am-poko sady nodinihiko avokoa: ny marina sy ny hendry mbamin’ ny asany dia samy eo an-tànan’ Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana, na ho fankahalana, dia samy tsy fantatry ny olombelona; fa zavatra mbola ho avy aminy avokoa izany rehetra izany.
NO keia mau mea a pau, ua haawi au i ko'u naau e noonoo i keia. Aia no iloko o ka lima o ke Akua ka poe pono, a me ka poe naauao, a me ka lakou hana ana; aole ike kekahi kanaka i ke aloha, aole i ka inaina; aia na mea a pau imua o lakou.
2 Mitovy avokoa ny manjo ny olombelona rehetra; eny, zavatra iray ihany no manjo ny marina sy ny meloka, ny tsara fanahy sy ny madio ary ny tsy madio, ny mamono zavatra hatao fanatitra sy ny tsy mamono zavatra hatao fanatitra; mitovy ihany ny amin’ ny tsara fanahy sy ny amin’ ny mpanota, ary ny amin’ ny mianiana sy ny amin’ izay tsy sahy hianiana.
Ua loaa i na kanaka a pau na mea like. Hookahi no hope i ka mea pono, a me ka mea hewa; i ka mea maikai, i ka mea maemae, a me ka mea maemae ole; i ka mea i mohai aku, a me ka mea i mohai ole aku. E like me ka mea maikai, pela no ka mea hewa; me ka mea hoohiki, pela no ka mea makau i ka hoohiki ana.
3 Izao no fahoriana amin’ izay rehetra atao atỳ ambanin’ ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady feno ratsy ny fon’ ny zanak’ olombelona, ka fahadalana no ao am-pony amin’ ny andro iainany, ary nony afaka izany, dia ho any amin’ ny maty izy.
He mea pono ole keia ma na mea i hanaia malalo iho o ka la; aia hookahi hope i loaa mai i na kanaka a pau. Oiaio, o ka naau o na keiki a kanaka, ua piha i ka ino, aia no ka ulala iloko o ko lakou naau i ko lakou ola ana, alaila, [hele lakou] i ka make.
4 Fa izay rehetra isan’ ny velona dia mbola hantenaina; fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty.
No ka mea, ua laua ka manao, no ka mea i huipuia me na mea ola a pau; no ka mea, ua oi aku ka ilio ola mamua o ka liona make.
5 Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.
No ka mea, ua ike ka poe ola e make auanei lakou; aka, o ka poe make, aole lakou i ike i kekahi mea, aole he uku i koe ia lakou; no ka mea, ua nalowale ko lakou mea i hoomanaoia'i.
6 Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin’ izay atao atỳ ambanin’ ny masoandro izy.
O ko lakou aloha, a me ko lakou inaina, a me ko lakou huahua, ua pau ia mau mea; ua nele mau loa lakou i ka haawina ole, ma na mea a pau i hanaia malalo iho o ka la.
7 Mandehana, hano amin’ ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin’ ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan’ Andriamanitra ela ny asanao.
E hele oe, e ai i kau berena, me ka oluolu, a e inu hoi i kou waina me ka naau olioli; no ka mea, ano, ua maliu mai ke Akua i kau hana ana.
8 Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao, ary aoka tsy ho diso menaka ny lohanao.
I na manawa a pau e keokeo wale no kou kapa komo, aole hoi e hoonele i kou poo i ka aila ala.
9 Miravoravoa amin’ ny vady malalanao amin’ ny andronao rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao atỳ ambanin’ ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin’ ny andro iainanao sy amin’ ny fisasarana izay isasaranao atỳ ambanin’ ny masoandro.
E noho oluolu pu oe me ka wahine au i aloha'i i na la a pau o kou ola lapuwale ana, i haawiia mai ai ia oe malalo iho o ka la, i kou mau la lapuwale a pau loa; no ka mea, oia kou haawina i kou ola ana, a me ka hana ana hoi au i hana'i malalo iho o ka la.
10 Izay rehetra azon’ ny tananao atao dia ataovy amin’ ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ ny fiainan-tsi-hita izay alehanao. (Sheol h7585)
O na mea a pau i loaa mai i kou lima e hana'i, e hana oe me kou ikaika; no ka mea, ma ka lua kupapau kahi au e hele aku nei, aole hana, aole noonoo, aole ike, aole naauao. (Sheol h7585)
11 Ary hitako atỳ ambanin’ ny masoandro indray fa tsy ho an’ ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an’ ny mahery ny ady, ary tsy ho an’ ny hendry ny hanina, ary tsy ho an’ ny mazava saina ny harena, ary tsy ho an’ ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.
Alaila, haliu ae la au a ike malalo iho o ka la, aole no ka poe mama ke kukini ana, aole hoi no ka poe ikaika ke kaua, aole no ka poe naauao ka berena, aole no ka poe akamai ka waiwai, aole hoi no ka poe maiau ke aloha; aka, o ka manawa, a me na mea hiki wale ke loaa i na kanaka a pau.
12 Fa tsy fantatry ny olona ny androny; fa toy ny hazandrano azon’ ny harato fahitan-doza izy, ary toy ny voron-kely izay voan’ ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak’ olombelona amin’ ny andro mahory, raha mahavoa azy tampoka izany.
No ka mea, aole ike ke kanaka i kona manawa; e like me na ia i hooheiia i ka upena ino, a e like me na manu i paheleia iloko o ke kipuka, pela no i paheleia'i na keiki a kanaka i ka wa ino, i haule koke ia maluna o lakou.
13 Izao koa no fahendrena efa hitako tatỳ ambanin’ ny masoandro, ka dia nataoko ho lehibe izany:
Eia ka mea naauao a'u i ike ai malalo iho o ka la, a he mea nui ia ia'u;
14 Nisy vohitra kely sady vitsy olona, dia avy ny mpanjaka lehibe anankiray ka namely sy nanao fahirano azy ary nanao manda lehibe hamelezany azy.
Aia ke kulanakauhale uuku, aole nui na kanaka maloko; a hiki mai kekahi alii nui, a hoopopilikia ia wahi, a kukulu iho i pa kaua nui e ku e aku i ua kulanakauhale la.
15 Ary nisy lehilahy malahelo hendry hita teo, koa nahavonjy ny tanàna tamin’ ny fahendreny ralehilahy, nefa tsy nisy olona mba nahatsiahy ilay malahelo.
A ua loaa malaila he kanaka ilihune naauao, a ua hoopakele ia i ke kulanakauhale ma kona naauao, aka hoi, aole kekahi kanaka i hoomanao i ua kanaka ilihune la.
16 Koa hoy izaho: Aleo fahendrena toy izay hery; kanjo hamavoina ny fahendren’ ny malahelo, ary ny teniny tsy mba henoina.
Alaila, i iho la au, Ua oi aku ka naauao mamua o ka ikaika; aka hoi, ua hoowahawahaia ka naauao o ka mea ilihune, aole hoi i hooloheia kana olelo.
17 Ny tenin’ ny hendry izay re amin’ ny mangingina dia mahery noho ny fitreron’ izay mpanapaka adala.
Ua loheia no na olelo a ka poe naauao ma kahi noho malu ai, mamua o ke kala ana o ka luna o ka poe naaupo.
18 Aleo fahendrena toy izay fiadiana; ary ny mpanota iray mahasimba ny soa be.
Ua oi aku ka naauao mamua o na mea kaua; aka hoi, ua hoohiolo ke kanaka hewa hookahi i ka maikai he nui wale.

< Mpitoriteny 9 >