< Mpitoriteny 7 >

1 Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.
A good name is better than good oil; and the day of death than the day of birth.
2 Tsara ny mankamin’ ny trano misy fisaonana noho ny mankamin’ ny trano misy fanasana; fa ho amin’ iny no hiafaran’ ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.
[It is] better to go to the house of mourning, than to go to the banquet house: since this is the end of every man; and the living man will apply good [warning] to his heart.
3 Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara ihany ny fo.
Sorrow is better than laughter: for by the sadness of the countenance the heart will be made better.
4 Ny fon’ ny hendry dia ao amin’ ny trano misy fisaonana; fa ny fon’ ny adala kosa dia ao amin’ ny trano misy fifaliana.
The heart of the wise is in the house of mourning; but the heart of fools is in the house of mirth.
5 Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon’ ny hendry noho ny mihaino ny hiran’ ny adala.
[It is] better to hear a reproof of a wise man, than for a man to hear the song of fools.
6 Toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin’ ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan’ ny adala; zava-poana koa izany.
As the sound of thorns under a caldron, so is the laughter of fools: this is also vanity.
7 Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry; ary ny kolikoly mahasimba ny fo.
for oppression makes a wise man mad, and destroys his noble heart.
8 Tsara ny iafaran’ ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavanavom-panahy.
The end of a matter is better than the beginning thereof: the patient is better than the high-minded.
9 Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ ny adala.
Be not hasty in thy spirit to be angry: for anger will rest in the bosom of fools.
10 Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin’ ny fahendrena no anontanianao izany.
Say not, What has happened, that the former days were better than these? for thou dost not enquire in wisdom concerning this.
11 Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ho an’ izay mahita masoandro izany.
Wisdom is good with an inheritance: and [there is] an advantage [by it] to them that see the sun.
12 Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ ny manana azy ny fahendrena.
For wisdom in its shadow is as the shadow of silver: and the excellence of the knowledge of wisdom will give life to him that has it.
13 Saino ny asan’ Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka?
Behold the works of God: for who shall be able to straighten him whom God has made crooked?
14 Amin’ ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin’ ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin’ Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan’ ny olona akory izay ho avy any aoriany.
In the day of prosperity live joyfully, and consider in the day of adversity: consider, [I say], God also has caused the one to agree with the other for [this] reason, that man should find nothing after him.
15 Izao rehetra izao dia efa hitako tamin’ ny androko mandalo foana: misy marina maty amin’ ny hamarinany; ary misy meloka ela velona amin’ ny haratsiany.
I have seen all things in the days of my vanity: there is a just man perishing in his justice, and there is an ungodly man remaining in his wickedness.
16 Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?
Be not very just; neither be very wise: lest thou be confounded.
17 Aza ratsy loatra ianao, ary aza adala; nahoana no ho faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao?
Be not very wicked; and be not stubborn: lest thou shouldest die before thy time.
18 Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin’ itsy; fa izay matahotra an’ Andriamanitra dia ho afaka amin’ izany rehetra izany.
It is well for thee to hold fast by this; also by this defile not thine hand: for to them that fear God all things shall come forth [well].
19 Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna.
Wisdom will help the wise man more than ten mighty men which are in the city.
20 Fa tsy misy olona marina ambonin’ ny tany izay manao tsara ka tsy manota.
For there is not a righteous man in the earth, who will do good, and not sin
21 Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao;
Also take no heed to all the words which ungodly men shall speak; lest thou hear thy servant cursing thee.
22 fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.
For many times he shall trespass against thee, and repeatedly shall he afflict thine heart; for thus also hast thou cursed others.
23 Izany rehetra izany dia notsapaiko tamin’ ny fahendrena. Hoy izaho: Ho hendry aho; kanjo lavitra ahy izany.
All these things have I proved in wisdom: I said, I will be wise; but it was far from me.
24 Eny, izay rehetra lavitra sady lalina dia lalina, iza no mahatakatra azy?
[That which is] far beyond what was, and a great depth, who shall find it out?
25 Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina;
I and my heart went round about to know, and to examine, and to seek wisdom, and the account [of things], and to know the folly and trouble and madness of the ungodly man.
26 ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan’ Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony.
And I find her [to be], and I will pronounce [to be] more bitter than death the woman which is a snare, and her heart nets, [who has] a band in her hands: [he that is] good in the sight of God shall be delivered from her; but the sinner shall be caught by her.
27 Indro, izany no hitako, hoy Mpitoriteny, raha nandinidinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitana izay antony.
Behold, this have I found, said the Preacher, [seeking] by one at a time to find out the account,
28 Izay notadiaviko koa, fa tsy hitako, dia izao: lehilahy iray no hitako ho marina tao amin’ ny arivo; fa tao amin’ ny vehivavy arivo dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza.
which my soul sought after, but I found not: for I have found one man of a thousand; but a woman in all these I have not found.
29 Indro, izao ihany no hitako: nataon’ Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.
But, behold, this have I found, that God made man upright; but they have sought out many devices.

< Mpitoriteny 7 >