< Mpitoriteny 11 >

1 Atsipazo eny ambonin’ ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.
Cast your bread on the waters; for you shall find it after many days.
2 Samy omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo atỳ ambonin’ ny tany.
Give a portion to seven, yes, even to eight; for you don’t know what evil will be on the earth.
3 Raha feno ranonorana ny rahona, dia halatsany amin’ ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia eo amin’ izay ianjerany ihany no handriany.
If the clouds are full of rain, they empty themselves on the earth; and if a tree falls toward the south, or toward the north, in the place where the tree falls, there shall it be.
4 Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy, ary izay manahy ny rahona tsy hijinja.
He who observes the wind won’t sow; and he who regards the clouds won’t reap.
5 Toy ny tsy ahafantaranao ny amin’ ny alehan’ ny rivotra, na ny amin’ ny fitombon’ ny taolana ao an-kibon’ izay manan’ anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan’ Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.
As you don’t know what is the way of the wind, nor how the bones grow in the womb of her who is with child; even so you don’t know the work of God who does all.
6 Amin’ ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ ny hariva dia aza atsahatra ny tananao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.
In the morning sow your seed, and in the evening don’t withhold your hand; for you don’t know which will prosper, whether this or that, or whether they both will be equally good.
7 Mamy tokoa ny mazava, ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro;
Truly the light is sweet, and it is a pleasant thing for the eyes to see the sun.
8 fa na dia ela velona aza ny olona, dia aoka ho faly amin’ ny androny rehetra izy ka hahatsiaro ny andro maizina, fa ho maro ireny: izay rehetra ho avy dia zava-poana.
Yes, if a man lives many years, let him rejoice in them all; but let him remember the days of darkness, for they shall be many. All that comes is vanity.
9 Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’ izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’ Andriamanitra hotsaraina ianao amin’ izany rehetra izany.
Rejoice, young man, in your youth, and let your heart cheer you in the days of your youth, and walk in the ways of your heart, and in the sight of your eyes; but know that for all these things God will bring you into judgment.
10 Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.
Therefore remove sorrow from your heart, and put away evil from your flesh; for youth and the dawn of life are vanity.

< Mpitoriteny 11 >