< Deotoronomia 8 >

1 Ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio dia tandremo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hihamaro ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanareo homena azy.
Gardez, pour les pratiquer, tous les commandements que je vous prescris en ce jour, afin que vous viviez et vous multipliiez, et parveniez à conquérir le pays que l'Éternel a promis par serment à vos pères.
2 Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
Et souviens-toi de tout le trajet dans lequel l'Éternel, ton Dieu, t'a engagé durant ces quarante années dans le désert, pour t'humilier, pour t'éprouver, pour connaître ce qu'il y a dans ton cœur, et savoir si tu observeras ou non ses commandements.
3 Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman’ ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’ i Jehovah no iveloman’ ny olona.
Il t'a donc humilié, fait sentir la faim, et Il t'a nourri de la manne que tu ne connaissais pas et que ne connurent pas tes pères, afin de te montrer que ce n'est pas du pain seul que l'homme vit, mais que, de tout ce qui procède de la bouche de l'Éternel, l'homme peut vivre.
4 Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto izao efa-polo taona izao.
Tes habits ne se sont point usés sur toi, et tes pieds n'ont point enflé durant ces quarante ans.
5 Koa aoka ho fantatrao amin’ ny fonao, fa tahaka ny fananaran’ ny olona ny zanany no fananaran’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Tu dois reconnaître en ton cœur que, comme un père élève son fils, ainsi l'Éternel, ton Dieu, t'élève:
6 Ary tandremo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin’ ny lalany sy hatahoranao Azy.
garde donc les commandements de l'Éternel, ton Dieu, pour marcher dans ses voies et pour le craindre.
7 Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin’ ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin’ ny lohasaha sy ny tendrombohitra,
Car l'Éternel, ton Dieu, t'amène dans un beau pays, pays de cours d'eaux, de sources et de lacs, qui jaillissent dans les vallées et dans les montagnes,
8 tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongabendanitra, tany misy hazo oliva sy tantely,
pays de froment, d'orge, de vigne et de figuiers et de grenadiers, pays d'oliviers donnant l'huile, et de miel,
9 tany izay hihinananao hanina amin’ ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo ianao, tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin’ ny tendrombohiny no hihadianao varahina.
pays où tu n'auras pas une nourriture mesquine, où tu ne manqueras de rien, pays dont les pierres sont du fer, et des montagnes duquel tu extrairas l'airain.
10 Ary rehefa nihinana ianao ka voky ary misaotra an’ i Jehovah Andriamanitrao noho ny tany soa izay nomeny anao,
Et quand tu auras mangé à rassasiement, tu béniras l'Éternel, ton Dieu, pour le beau pays qu'il t'a donné.
11 dia mitandrema, fandrao hadinoinao Jehovah Andriamanitrao, ka tsy tandremanao ny didiny sy ny fitsipiny ary ny lalàny, izay andidiako anao anio;
Sois sur tes gardes pour ne pas oublier l'Éternel, ton Dieu, et ne pas négliger ses commandements, ses lois et ses statuts que je te prescris en ce jour,
12 fandrao, rehefa nihinana ianao ka voky ary nanao trano tsara ka mitoetra ao,
de peur que, mangeant à rassasiement, bâtissant de belles maisons et y habitant,
13 ary mihamaro ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao, ary mitombo koa ny volafotsinao sy ny volamenanao, ary mitombo ny fanananao rehetra,
et possédant du gros et du menu bétail qui se multiplie, de l'or et de l'argent qui s'augmente aussi bien que tout ton avoir,
14 dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana,
ton cœur ne s'élève et que tu n'oublies l'Éternel, ton Dieu, qui t'a retiré du pays d'Egypte, de la maison de servitude,
15 Izay nitondra anao tany amin’ ny efitra lehibe sady mahatahotra, izay misy menaran’ afo sy maingoka, dia ny tany mangentana tsy misy rano, ary nampivoaka rano ho anao avy tamin’ ny vatolampy afovato,
qui t'a guidé au travers du désert vaste et terrible, des serpents venimeux, des scorpions, des lieux arides et sans eau, qui a fait sourdre pour toi l'eau du caillou du rocher,
16 Izay nanome anao mana hohanina tany an-efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hanisy soa anao any am-parany;
qui dans le désert t'a nourri de la manne inconnue de tes pères, pour t'humilier et pour t'éprouver, et pour te faire du bien dans la suite;
17 ary andrao ianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin’ ny tanako no nahavoriako izao harena izao;
et que tu ne dises pas en ton cœur: Mes forces et la vigueur de mes mains m'ont acquis toute cette richesse.
18 fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery hahavory harena, mba haoriny ny fanekeny, izay nianianany tamin’ ny razanao, tahaka ny amin’ izao anio izao.
Souviens-toi de l'Éternel, ton Dieu, car c'est lui qui te donne la force de faire des actes de bravoure, dans le but de mettre à effet son alliance qu'il jura à tes pères, comme [il arrive] aujourd'hui.
19 Fa raha manadino an’ i Jehovah Andriamanitrao mihitsy ianao ka manaraka izay andriamani-kafa sady manompo azy sy miankohoka eo anatrehany, dia milaza aminareo marimarina aho fa haringana tokoa ianareo:
Et si tu oublies l'Éternel, ton Dieu, et que tu suives d'autres dieux pour les servir et les adorer, je proteste aujourd'hui contre vous que vous périrez;
20 tahaka ny andringanana ny firenen-tsamy hafa, izay aringan’ i Jehovah eo anoloanareo, no handringanana anareo, satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
de même que les nations que l'Éternel va détruire devant vous, ainsi vous périrez pour n'avoir pas été dociles à la voix de l'Éternel, votre Dieu.

< Deotoronomia 8 >