< Deotoronomia 5 >

1 Ary Mosesy niantso ny Isiraely rehetra ka nanao taminy hoe: Ry Isiraely ô, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay lazaiko eto anatrehanareo anio, ka ianaro ireo, sy mitandrema mba hankatò azy.
Moïse appela donc tout Israël, et leur dit: Écoute, Israël, les statuts et les ordonnances que je prononce aujourd'hui à vos oreilles; apprenez-les, prenez garde de les pratiquer.
2 Jehovah Andriamanitsika nanao fanekena tamintsika tany Horeba;
L'Éternel notre Dieu traita alliance avec nous en Horeb.
3 tsy tamin’ ny razantsika no nanaovan’ i Jehovah izany fanekena izany, fa tamintsika, dia isika rehetra izay samy mbola velona eto anio.
Ce n'est point avec nos pères que l'Éternel a traité cette alliance, mais avec nous qui sommes ici aujourd'hui, tous vivants.
4 Niteny nifanatrika taminareo Jehovah tao an-tendrombohitra, tao amin’ ny afo.
L'Éternel vous parla face à face sur la montagne, du milieu du feu.
5 Izaho nitsangana teo anelanelan’ i Jehovah sy ianareo tamin’ izany andro izany, hanambara aminareo ny tenin’ i Jehovah, fa natahotra noho ny fahitana ny afo ianareo ka tsy niakatra tao amin’ ny tendrombohitra, ka hoy Izy:
Je me tenais en ce temps-là entre l'Éternel et vous, pour vous rapporter la parole de l'Éternel; car vous eûtes peur du feu, et vous ne montâtes point sur la montagne. Il dit:
6 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana.
Je suis l'Éternel ton Dieu, qui t'ai retiré du pays d'Égypte, de la maison de servitude.
7 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
Tu n'auras point d'autres dieux devant ma face.
8 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin’ ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ ny tany ambany, na izay any amin’ ny rano ambanin’ ny tany.
Tu ne te feras point d'image taillée, ni aucune ressemblance des choses qui sont là-haut dans les cieux, de celles qui sont ici-bas sur la terre, ni de celles qui sont dans les eaux au-dessous de la terre.
9 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’ izay mankahala Ahy,
Tu ne te prosterneras point devant elles, et tu ne les serviras point; car je suis l'Éternel ton Dieu, un Dieu jaloux, qui punis l'iniquité des pères sur les enfants, jusqu'à la troisième et à la quatrième génération de ceux qui me haïssent;
10 nefa kosa mamindra fo amin’ ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
Et qui fais miséricorde en mille générations à ceux qui m'aiment et qui gardent mes commandements.
11 Aza manonona foana ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon’ i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
Tu ne prendras point le nom de l'Éternel ton Dieu en vain; car l'Éternel ne tiendra point pour innocent celui qui aura pris son nom en vain.
12 Mitandrema ny andro Sabata hanamasima azy, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Observe le jour du repos pour le sanctifier, comme l'Éternel ton Dieu te l'a commandé;
13 Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
Tu travailleras six jours, et tu feras toute ton œuvre;
14 Fa Sabatan’ i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin’ izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan’ ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao tahaka anao koa.
Mais le septième jour est le repos de l'Éternel ton Dieu; tu ne feras aucune œuvre en ce jour-là, ni toi, ni ton fils, ni ta fille, ni ton serviteur, ni ta servante, ni ton bœuf, ni ton âne, ni aucune de tes bêtes, ni ton étranger qui est dans tes portes, afin que ton serviteur et ta servante se reposent comme toi.
15 Ary tsarovy fa andevo tany amin’ ny tany Egypta ianao, ka tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata.
Et souviens-toi que tu as été esclave au pays d'Égypte, et que l'Éternel ton Dieu t'en a retiré à main forte et à bras étendu; c'est pourquoi, l'Éternel ton Dieu t'a commandé d'observer le jour du repos.
16 Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro ianao, ary mba hahita soa any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
Honore ton père et ta mère, comme l'Éternel ton Dieu te l'a commandé, afin que tes jours se prolongent, et que tu sois heureux sur la terre que l'Éternel ton Dieu te donne.
17 Aza mamono olona.
Tu ne tueras point.
18 Ary aza mijangajanga.
Tu ne commettras point adultère.
19 Ary aza mangalatra.
Tu ne déroberas point.
20 Ary aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
Tu ne diras point de faux témoignage contre ton prochain.
21 Ary aza mitsiriritra ny vadin’ ny namanao; ary aza mitsiriritra ny tranon’ ny namanao, na ny taniny, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ ny namanao akory aza.
Tu ne convoiteras point la femme de ton prochain, et tu ne désireras point la maison de ton prochain, ni son champ, ni son serviteur, ni sa servante, ni son bœuf, ni son âne, ni aucune chose qui soit à ton prochain.
22 Ireo teny ireo no nolazain’ i Jehovah tamin’ ny feo mahery tao amin’ ny afo sy ny rahona ary ny aizim-pito, raha nivory tany an-tendrombohitra ianareo, ka dia tsy nampiany intsony; ary nosoratany tamin’ ny vato fisaka roa ireo ka natolony ahy.
L'Éternel prononça ces paroles à toute votre assemblée, sur la montagne, du milieu du feu, de la nuée et de l'obscurité, d'une voix forte, et il n'y ajouta rien; puis il les écrivit sur deux tables de pierre, qu'il me donna.
23 Ary rehefa renareo ny feo avy tao amin’ ny aizina, raha nirehitra afo ny tendrombohitra, dia nanatona ahy ianareo, dia ny loham-pirenenareo rehetra sy ny loholonareo,
Or, dès que vous eûtes entendu la voix du milieu de l'obscurité, la montagne étant tout en feu, vous vous approchâtes de moi, tous vos chefs de tribu et vos anciens,
24 ka hoy ianareo: Indro, efa nampahitain’ i Jehovah Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany isika, ary efa rentsika ny feony avy tao amin’ ny afo; koa efa hitantsika androany fa Andriamanitra miteny amin’ ny olona, nefa velona ihany izy.
Et vous dîtes: Voici, l'Éternel notre Dieu nous a montré sa gloire et sa grandeur, et nous avons entendu sa voix du milieu du feu; aujourd'hui nous avons vu que Dieu peut parler avec l'homme, et l'homme demeurer en vie.
25 Koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? fa handevona anay io afo lehibe io; raha mbola mandre ny feon’ i Jehovah Andriamanitsika indray izahay, dia ho faty.
Mais maintenant, pourquoi mourrions-nous? Car ce grand feu nous consumera. Si nous entendons encore la voix de l'Éternel notre Dieu, nous mourrons.
26 Fa iza moa tamin’ ny nofo rehetra no efa nandre ny feon’ Andriamanitra velona niteny tao afovoan’ ny afo, tahaka antsika, ka velona ihany?
Car qui est l'homme, quel qu'il soit, qui ait entendu, comme nous, la voix du Dieu vivant, parlant du milieu du feu, et qui soit demeuré en vie?
27 Manatòna ianao, ka mihainoa izay rehetra holazain’ i Jehovah Andriamanitsika; ary ianao no aoka hilaza aminay izay rehetra holazain’ i Jehovah Andriamanitsika aminao, dia hohenoinay ka harahinay izany.
Approche, toi, et écoute tout ce que dira l'Éternel notre Dieu, puis tu nous rapporteras tout ce que l'Éternel notre Dieu t'aura dit, et nous l'entendrons, et nous le ferons.
28 Ary Jehovah nandre ny teninareo, raha niteny tamiko ianareo, ka hoy Izy tamiko: Efa reko ny tenin’ ireo olona ireo, izay nolazainy taminao, ka tsara izay rehetra nolazainy.
Et l'Éternel entendit vos paroles pendant que vous me parliez; et l'Éternel me dit: J'ai entendu les discours que ce peuple t'a tenus; ils ont bien dit tout ce qu'ils ont dit.
29 Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay
Oh! s'ils avaient toujours ce même cœur pour me craindre et pour garder tous mes commandements, afin qu'ils fussent heureux, eux et leurs enfants, à jamais!
30 Mandehana, ka lazao aminy hoe: Miverena any an-dainareo ianareo.
Va, dis-leur: Retournez dans vos tentes;
31 Fa ianao kosa dia mijanòna eto anilako, ka holazaiko aminao ny lalàna rehetra sy ny didy ary ny fitsipika, izay hampianarinao azy mba harahiny any amin’ ny tany izay omeko azy ho lovany.
Mais toi, demeure ici avec moi, et je te dirai tous les commandements, les statuts et les ordonnances que tu leur enseigneras, afin qu'ils les pratiquent, dans le pays que je leur donne pour le posséder.
32 Koa tandremo mba hanao araka izay efa nandidian’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia;
Vous prendrez donc garde de faire comme l'Éternel votre Dieu a commandé; vous ne vous détournerez ni à droite ni à gauche.
33 fa ny lalana rehetra izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin’ ny tany izay holovanareo.
Vous marcherez dans toute la voie que l'Éternel votre Dieu vous a prescrite, afin que vous viviez et que vous soyez heureux, et que vous prolongiez vos jours dans le pays que vous posséderez.

< Deotoronomia 5 >