< Deotoronomia 5 >

1 Ary Mosesy niantso ny Isiraely rehetra ka nanao taminy hoe: Ry Isiraely ô, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay lazaiko eto anatrehanareo anio, ka ianaro ireo, sy mitandrema mba hankatò azy.
Mose anayitanitsa Aisraeli onse nati: Tamverani inu Aisraeli, malangizo ndi malamulo amene ndikuwuzeni lero. Muwaphunzire ndi kuonetsetsa kuti mukuwatsata.
2 Jehovah Andriamanitsika nanao fanekena tamintsika tany Horeba;
Yehova Mulungu wathu anachita pangano ndi ife ku Horebu.
3 tsy tamin’ ny razantsika no nanaovan’ i Jehovah izany fanekena izany, fa tamintsika, dia isika rehetra izay samy mbola velona eto anio.
Yehova sanachite pangano ndi makolo athu koma ndi ife, tonse amene tili moyo lero.
4 Niteny nifanatrika taminareo Jehovah tao an-tendrombohitra, tao amin’ ny afo.
Yehova anayankhula nanu maso ndi maso kuchokera mʼmoto pa phiri paja.
5 Izaho nitsangana teo anelanelan’ i Jehovah sy ianareo tamin’ izany andro izany, hanambara aminareo ny tenin’ i Jehovah, fa natahotra noho ny fahitana ny afo ianareo ka tsy niakatra tao amin’ ny tendrombohitra, ka hoy Izy:
(Pa nthawi imeneyo ine ndinayimirira pakati pa Yehova ndi inu kuti ndikuwuzeni mawu a Yehova, chifukwa inu munkachita mantha ndi moto ndipo simunakwere ku phiri). Ndipo Iye anati:
6 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana.
“Ine ndine Yehova Mulungu wako amene ndinakutulutsa ku Igupto, mʼdziko la ukapolo.
7 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
“Usakhale ndi milungu ina koma Ine ndekha.
8 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin’ ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ ny tany ambany, na izay any amin’ ny rano ambanin’ ny tany.
“Usadzipangire chofanizira chinthu chilichonse chakumwamba kapena cha pa dziko lapansi kapena cha mʼmadzi a pansi pa dziko.
9 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’ izay mankahala Ahy,
Usazigwadire kapena kuzipembedza, pakuti Ine Yehova Mulungu wako, ndine Mulungu wansanje, wolanga ana chifukwa cha tchimo la makolo awo mpaka mʼbado wachitatu ndi wachinayi wa iwo amene amadana nane,
10 nefa kosa mamindra fo amin’ ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
koma ndimaonetsa chikondi chosasinthika ku mibado miyandamiyanda ya anthu amene amandikonda ndi kusunga malamulo anga.
11 Aza manonona foana ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon’ i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
“Usagwiritse ntchito molakwika dzina la Yehova Mulungu wako, pakuti Yehova adzamutenga kukhala wochimwa aliyense amene akugwiritsa ntchito dzina lakelo molakwika.
12 Mitandrema ny andro Sabata hanamasima azy, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
“Uzisunga tsiku la Sabata kuti likhale lopatulika monga momwe Yehova Mulungu wako anakulamulira.
13 Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
Uzigwira ntchito zako zonse masiku asanu ndi limodzi,
14 Fa Sabatan’ i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin’ izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan’ ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao tahaka anao koa.
koma tsiku lachisanu ndi chiwiri ndi Sabata, tsiku loperekedwa kwa Yehova Mulungu wako. Tsiku limeneli musagwire ntchito iliyonse, inuyo kapena mwana wanu wamwamuna kapena mwana wanu wamkazi kapena wantchito wanu wamwamuna kapena mdzakazi wanu kapena ngʼombe yanu kapena bulu wanu kapena ziweto zanu kapena mlendo amene akukhala mʼmudzi mwanu, motero ndiye kuti wantchito wanu wamwamuna ndi wantchito wanu wamkazi adzapumula monga inuyo.
15 Ary tsarovy fa andevo tany amin’ ny tany Egypta ianao, ka tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata.
Kumbukira kuti unali kapolo ku Igupto ndipo Yehova Mulungu wako anakutulutsa kumeneko ndi dzanja lamphamvu ndi lotambasuka. Choncho Yehova Mulungu wako akukulamula kuti uzisunga tsiku la Sabata.
16 Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro ianao, ary mba hahita soa any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
“Lemekeza abambo ako ndi amayi ako monga Yehova Mulungu wako wakulamulira iwe kuti ukhale ndi moyo wautali ndi kuti zikuyendere bwino mʼdziko limene Yehova Mulungu wako akukupatsa.
17 Aza mamono olona.
“Usaphe.
18 Ary aza mijangajanga.
“Usachite chigololo.
19 Ary aza mangalatra.
“Usabe.
20 Ary aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
“Usapereke umboni womunamizira mnzako.
21 Ary aza mitsiriritra ny vadin’ ny namanao; ary aza mitsiriritra ny tranon’ ny namanao, na ny taniny, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ ny namanao akory aza.
“Usasirire mkazi wa mnzako. Usasirire nyumba ya mnzako kapena munda wake, wantchito wake wamwamuna kapena mdzakazi wake, ngʼombe yake kapena bulu wake, kapena chilichonse cha mnzako.”
22 Ireo teny ireo no nolazain’ i Jehovah tamin’ ny feo mahery tao amin’ ny afo sy ny rahona ary ny aizim-pito, raha nivory tany an-tendrombohitra ianareo, ka dia tsy nampiany intsony; ary nosoratany tamin’ ny vato fisaka roa ireo ka natolony ahy.
Awa ndi malamulo amene Yehova anayankhula ndi mawu okweza kwa gulu lanu lonse pa phiri paja mʼmoto, mtambo ndi mdima woopsa, sanawonjezerepo kanthu. Ndipo anawalemba pa mapale awiri amiyala ndi kundipatsa.
23 Ary rehefa renareo ny feo avy tao amin’ ny aizina, raha nirehitra afo ny tendrombohitra, dia nanatona ahy ianareo, dia ny loham-pirenenareo rehetra sy ny loholonareo,
Mutamva mawu kuchokera mu mdimawo, phiri lili moto lawilawi, atsogoleri onse a mafuko anu ndi akuluakulu anu anabwera kwa ine.
24 ka hoy ianareo: Indro, efa nampahitain’ i Jehovah Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany isika, ary efa rentsika ny feony avy tao amin’ ny afo; koa efa hitantsika androany fa Andriamanitra miteny amin’ ny olona, nefa velona ihany izy.
Ndipo munati, “Yehova Mulungu wathu wationetsa ulemerero ndi ukulu wake, ndipo tamva mawu ake kuchokera mʼmoto. Lero taona kuti munthu akhoza kukhala ndi moyo ngakhale Mulungu atayankhula naye.
25 Koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? fa handevona anay io afo lehibe io; raha mbola mandre ny feon’ i Jehovah Andriamanitsika indray izahay, dia ho faty.
Koma tsopano tife chifukwa chiyani? Moto waukuluwu utinyeketsa, ndipo tifa tikapitirirabe kumva mawu a Yehova Mulungu wathu.
26 Fa iza moa tamin’ ny nofo rehetra no efa nandre ny feon’ Andriamanitra velona niteny tao afovoan’ ny afo, tahaka antsika, ka velona ihany?
Pakuti ndi munthu uti wolengedwa amene anamvapo mawu a Mulungu wamoyo akuyankhula kuchokera mʼmoto, monga tachitiramu, nakhala ndi moyo?
27 Manatòna ianao, ka mihainoa izay rehetra holazain’ i Jehovah Andriamanitsika; ary ianao no aoka hilaza aminay izay rehetra holazain’ i Jehovah Andriamanitsika aminao, dia hohenoinay ka harahinay izany.
Pita pafupi kuti ukamvetsere zonse zimene Yehova Mulungu wathu akunena. Kenaka udzatiwuze chilichonse chimene Yehova Mulungu wathu akunena ndipo tidzamvera ndi kuchita.”
28 Ary Jehovah nandre ny teninareo, raha niteny tamiko ianareo, ka hoy Izy tamiko: Efa reko ny tenin’ ireo olona ireo, izay nolazainy taminao, ka tsara izay rehetra nolazainy.
Yehova anakumvani pamene munkayankhula kwa ine ndipo Yehova anati kwa ine, “Ndamva zimene anthuwa anena kwa iwe. Chilichonse chimene anena ndi chabwino.
29 Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay
Zikanakhala bwino akanakhala ndi mtima wondiopa ndi kusunga malamulo anga nthawi zonse kuti zinthu ziziwayendera bwino, iwowo pamodzi ndi ana awo kwamuyaya.
30 Mandehana, ka lazao aminy hoe: Miverena any an-dainareo ianareo.
“Pita uwawuze kuti abwerere ku matenti awo.
31 Fa ianao kosa dia mijanòna eto anilako, ka holazaiko aminao ny lalàna rehetra sy ny didy ary ny fitsipika, izay hampianarinao azy mba harahiny any amin’ ny tany izay omeko azy ho lovany.
Koma iwe ukhale kuno ndi ine kuti ndikupatse malamulo, malangizo ndi ziphunzitso zimene azitsatira mʼdziko limene ndiwapatse kuti alitenge.”
32 Koa tandremo mba hanao araka izay efa nandidian’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia;
Choncho samalirani kuchita zimene Yehova Mulungu wanu akukulamulirani inu, musapatukire kudzanja lamanja kapena lamanzere.
33 fa ny lalana rehetra izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin’ ny tany izay holovanareo.
Muyende mʼnjira yonse imene Yehova Mulungu wanu wakulamulirani kuti mukhale ndi moyo ndi kupambana, ndi kuti masiku anu achuluke mʼdziko limene mudzatengelo.

< Deotoronomia 5 >