< Deotoronomia 2 >

1 Dia niverina isika ka nandeha tany an-efitra tamin’ ny lalana mankany amin’ ny Ranomasina Mena, araka izay nolazain’ i Jehovah tamiko; ary nanodidina ny tendrombohitra Seïra ela ihany isika.
Then we turned, and took our journey into the wilderness by the way to the Red Sea, as YHWH spoke to me; and we encircled Mount Seir many days.
2 Dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe:
YHWH spoke to me, saying,
3 Aoka izay ny nandehananareo nanodidina ity tendrombohitra ity, fa miverena hianavaratra ianareo.
"You have encircled this mountain long enough. Turn northward.
4 Ary mandidia ny olona hoe: Hianareo efa handeha hamaky ny tanin’ ny taranak’ i Esao rahalahinareo, izay monina any Seïra; dia hatahotra anareo izy; nefa mitandrema tsara ianareo,
Command the people, saying, 'You are to pass through the border of your brothers the descendants of Esau, who dwell in Seir; and they will be afraid of you: take good heed to yourselves therefore;
5 ka aza mila ady aminy; fa tsy hanomezako anao ny taniny, na dia eram-paladia akory aza, satria nomeko ho lovan’ i Esao ny tendrombohitra Seïra.
do not contend with them; for I will not give you of their land, no, not so much as for the sole of the foot to tread on; because I have given Mount Seir to Esau for a possession.
6 Vola no hamidinareo hanina aminy hohaninareo; ary vola koa no hamidinareo rano aminy hosotroinareo.
You shall purchase food of them for money, that you may eat; and you shall also buy water of them for money, that you may drink.'"
7 Fa Jehovah Andriamanitrao efa nitahy anao tamin’ izay rehetra nataon’ ny tananao; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity; izay efa-polo taona izay Jehovah Andriamanitrao no teo aminao, ka tsy nanan-java-mahory akory ianao.
For YHWH your God has blessed you in all the work of your hand; he has known your walking through this great wilderness: these forty years YHWH your God has been with you; you have lacked nothing.
8 Ary raha nandalo ny taranak’ i Esao rahalahintsika izay monina any Seïra isika ary niala tamin’ ny lalana amin’ ny tani-hay sy tao Elata ary Ezion-gebera, dia nivily isika ka nandeha tamin’ ny lalana mankany amin’ ny efitr’ i Moaba.
So we passed by from our brothers the descendants of Esau, who dwell in Seir, from the way of the Arabah from Eilat and from Ezion Geber. We turned and passed by the way of the wilderness of Moab.
9 Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mandrafy ny Moabita, na mila ady aminy, fa tsy hanomezako ho lovanao ny taniny, satria Ara dia nomeko ho lovan’ ny taranak’ i Lota.
YHWH said to me, "Do not bother Moab, neither contend with them in battle; for I will not give you of his land for a possession; because I have given Ar to the descendants of Lot for a possession."
10 (Ny Emima nonina tany fahiny, dia firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita.
(The Emim lived there before, a people great, and many, and tall, as the Anakim:
11 Ireo koa no natao ho Refaïta tany aloha tahaka ny Anakita; fa ny Moabita kosa nanao azy hoe Emima.
these also are accounted Rephaim, as the Anakim; but the Moabites call them Emim.
12 Ary ny tany Seïra dia nonenan’ ny Horita, fa ny taranak’ i Esao nandroaka azy ka nandringana azy tsy ho eo anoloany, dia nonina nisolo azy, araka ny nataon’ ny Isiraely tao amin’ ny tany izay nomen’ i Jehovah azy ho lovany.)
The Horites also lived in Seir before, but the descendants of Esau succeeded them; and they destroyed them from before them, and lived in their place; as Israel did to the land of his possession, which YHWH gave to them.)
13 Ary miaingà ianareo ankehitriny, ka mandehana mita ny lohasahan-driaka Zareda. Dia nita ny lohasahan-driaka Zareda isika.
"Now rise up, and cross over the Wadi Zered." So we went over the Wadi Zered.
14 Ary ny andro nandehanantsika hatrany Kadesi-barnea ka hatramin’ ny nitantsika ny lohasahan-driaka Zareda dia valo amby telo-polo taona, mandra-pahalany ritran’ ny mpanafika rehetra tamin’ izany taranaka rehetra izany ka tsy nisy intsony teo amin’ ny toby, araka izay efa nianianan’ i Jehovah taminy.
The days in which we came from Kadesh Barnea, until we had come over the Wadi Zered, were thirty-eight years; until all the generation of the men of war were consumed from the midst of the camp, as YHWH swore to them.
15 Ary koa, ny tànan’ i Jehovah dia namely azy handringanana azy mandra-pahalany ritrany ka tsy nisy intsony teo amin’ ny toby.
Moreover the hand of God was against them, to destroy them from the midst of the camp, until they were consumed.
16 Ary rehefa lany ritra ny mpanafika ka maty avokoa,
So it happened, when all the men of war were consumed and dead from among the people,
17 dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe:
that YHWH spoke to me, saying,
18 Ankehitriny efa hamaky ny tany Moaba ianao ka hahazo any Ara,
"You are this day to pass over Ar, the border of Moab:
19 dia ho tonga ao akaikin’ ny taranak’ i Amona, nefa aza mandrafy azy, na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho lovanao ny tanin’ ny taranak’ i Amona, satria nomeko ho lovan’ ny taranak’ i Lota izany.
and when you come near over against the people of Ammon, do not bother them, nor contend with them; for I will not give you of the land of the people of Ammon for a possession; because I have given it to the people of Lot for a possession."
20 (Izany koa no natao ho tanin’ ny Refaïta; fa ny Refaïta no nitoetra tao tany aloha ka nataon’ ny Amonita hoe Zamzomita.
(That also is accounted a land of Rephaim: Rephaim lived in it before; but the Ammonites call them Zamzummim,
21 Firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita ireny, nefa naringan’ i Jehovah tsy ho eo anoloany izy, ka ny Amonita no nonina nisolo azy,
a people great, and many, and tall, as the Anakim; but YHWH destroyed them before them; and they succeeded them, and lived in their place;
22 araka izay nataony koa ho an’ ny taranak’ i Esao, izay mitoetra any Seïra, fa nandringana ny Horita tsy ho eo anoloany Izy, ka dia nandroaka azy ireo ka nonina nisolo azy mandraka androany;
as he did for the descendants of Esau, who dwell in Seir, when he destroyed the Horites from before them; and they succeeded them, and lived in their place even to this day:
23 ary ny amin’ ny Avita, izay nonina am-bohitra hatrany Gaza, dia naringan’ ny Kaftorita, izay avy tany Kaftora, izy; ary ireo no nonina nisolo azy).
and the Avvim, who lived in villages as far as Gaza, the Caphtorim, who came forth out of Caphtor, destroyed them, and lived in their place.)
24 Mitsangàna, miaingà, ka mità ny lohasahan-driaka Arnona ianareo; indro, efa natolotro eo an-tananao Sihona Amorita, mpanjakan’ i Hesbona, mbamin’ ny taniny. Santaro ny handovanao azy, ka tafiho.
"Rise up, take your journey, and pass over the Valley of the Arnon: look, I have given into your hand Sihon the Amorite, king of Heshbon, and his land; begin to possess it, and contend with him in battle.
25 Anio no vao hataoko mahazo ny firenena ambanin’ ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, ka raha reny ny lazanao, dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy.
This day will I begin to put the dread of you and the fear of you on the peoples who are under the whole sky, who shall hear the report of you, and shall tremble, and be in anguish because of you."
26 Dia naniraka olona avy tany an-efitr’ i Kedemota aho hankany amin’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, nitondra teny fihavanana hoe:
I sent messengers out of the wilderness of Kedemoth to Sihon king of Heshbon with words of peace, saying,
27 Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; ny lalambe ihany no halehako, ka tsy hivily aho, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia;
"Let me pass through your land: I will go along by the highway, I will turn neither to the right hand nor to the left.
28 vola no hamidiko hanina aminao hohaniko, ary vola no hamidiko rano aminao hosotroiko; ary handalo fotsiny ihany aho
You shall sell me food for money, that I may eat; and give me water for money, that I may drink: only let me pass through on my feet,
29 (araka izay nataon’ ny taranak’ i Esao, izay monina any Moabita, izay monina any Ara, tamiko) mandra-pitako an’ i Jordana ho any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitray anay.
as the people of Esau who dwell in Seir, and the Moabites who dwell in Ar, did to me; until I shall pass over the Jordan into the land which YHWH our God gives us."
30 Fa Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, tsy nety namela antsika handeha hamaky ny taniny; fa Jehovah Andriamanitrao nanamafy ny fony sy nampahaditra ny fanahiny, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin’ izao anio izao.
But Sihon king of Heshbon would not let us pass by him; for YHWH your God hardened his spirit, and made his heart obstinate, that he might deliver him into your hand, as at this day.
31 Dia niteny tamiko hoe Jehovah: Indro, vao manomboka hanolotra an’ i Sihona sy ny taniny eo anoloanao Aho; santaro ny handovanao ny taniny.
YHWH said to me, "Look, I have begun to deliver up Sihon and his land before you: begin to possess, that you may inherit his land."
32 Dia nivoaka Sihona mbamin’ ny vahoakany rehetra hiady amintsika tao Jahaza.
Then Sihon came out against us, he and all his people, to battle at Jahaz.
33 Dia nanolotra azy teo anoloantsika Jehovah Andriamanitsika, ka nandresy azy sy ny zanany ary ny vahoakany rehetra isika.
YHWH our God delivered him up before us; and we struck him, and his sons, and all his people.
34 Ary nahafaka ny tanànany rehetra tamin’ izany andro izany isika ka nandringana ny mponina rehetra tamin’ ny isan-tanàna mbamin’ ny zaza amim-behivavy; tsy nasiantsika niangana izy na dia iray akory aza.
We took all his cities at that time, and utterly destroyed every inhabited city, with the women and the little ones; we left none remaining:
35 Ny biby fiompy sy ny fananany tao amin’ ny tanàna izay afatsika ihany no nataontsika ho babo.
only the livestock we took for a prey to ourselves, with the spoil of the cities which we had taken.
36 Hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin’ ny tanàna izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada, dia tsy nisy tanàna tsy afatsika; fa izy rehetra dia natolotr’ i Jehovah Andriamanitsika teo anoloantsika.
From Aroer, which is on the edge of the Valley of the Arnon, and the city that is in the valley, even to Gilead, there was not a city too high for us; YHWH our God delivered up all before us:
37 Kanefa ny tanin’ ny taranak’ i Amona no tsy nakekenareo, dia ny tany amoron’ ny lohasahan-driaka Jaboka, sy ny tanàna ao amin’ ny tany havoana, ary izay rehetra nandraran’ i Jehovah Andriamanitsika antsika.
only to the land of the people of Ammon you did not come near; all the side of the river Jabbok, and the cities of the hill country, and wherever YHWH our God forbade us.

< Deotoronomia 2 >