< Deotoronomia 19 >

1 Rehefa aringan’ i Jehovah Andriamanitrao ny firenen-tsamy hafa, izay tompon’ ny tany omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ary mandresy azy ianao ka monina ao an-tanànany sy ao an-tranony,
Cum disperdiderit Dominus Deus tuus gentes, quarum tibi traditurus est terram, et possederis eam, habitaverisque in urbibus ejus et in ædibus:
2 dia manokàna tanàna telo ho anao eo afovoan’ ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao holovana.
tres civitates separabis tibi in medio terræ, quam Dominus Deus tuus dabit tibi in possessionem,
3 Amboary ny lalana, ka zarao ho telo toko ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao holovanao, mba handosiran’ ny mahafaty olona rehetra ao.
sternens diligenter viam: et in tres æqualiter partes totam terræ tuæ provinciam divides: ut habeat e vicino qui propter homicidium profugus est, quo possit evadere.
4 Ary ny mahafaty olona izay hovelomina, raha mandositra ao, dia ny mahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha
Hæc erit lex homicidæ fugientis, cujus vita servanda est: qui percusserit proximum suum nesciens, et qui heri et nudiustertius nullum contra eum odium habuisse comprobatur:
5 toy ny olona izay miaraka amin’ ny namany ho any an’ ala hikapa hazo, koa manainga ny famaky hikapa ny hazo ny tànany, dia mitsoaka amin’ ny zarany ny lela-famaky, ary mahavoa ny namany ka mahafaty azy, dia aoka handositra ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo izy ka hovelomina;
sed abiisse cum eo simpliciter in silvam ad ligna cædenda, et in succisione lignorum securis fugerit manu, ferrumque lapsum de manubrio amicum ejus percusserit, et occiderit: hic ad unam supradictarum urbium confugiet, et vivet:
6 fandrao hanenjika ny nahafaty olona ny mpamaly rà, raha mbola mirehitra ny fony, ka hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany, dia hahafaty azy izy; nefa tsy tokony ho faty izy, satria tsy nankahala ny namany teo aloha.
ne forsitan proximus ejus, cujus effusus est sanguis, dolore stimulatus, persequatur, et apprehendat eum si longior via fuerit, et percutiat animam ejus, qui non est reus mortis: quia nullum contra eum, qui occisus est, odium prius habuisse monstratur.
7 Koa izany no andidiako anao hoe: Manokàna tanàna telo ho anao.
Idcirco præcipio tibi, ut tres civitates æqualis inter se spatii dividas.
8 Ary raha hitarin’ i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nianianany tamin’ ny razanao, ka homeny anao ny tany rehetra izay nolazainy homena ny razanao
Cum autem dilataverit Dominus Deus tuus terminos tuos, sicut juravit patribus tuis, et dederit tibi cunctam terram, quam eis pollicitus est
9 (raha hitandrina ianao ka hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio, ka ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrao, ary handeha mandrakariva amin’ ny lalany), dia hampianao tanàna telo koa ireny telo ireny;
(si tamen custodieris mandata ejus, et feceris, quæ hodie præcipio tibi, ut diligas Dominum Deum tuum, et ambules in viis ejus omni tempore), addes tibi tres alias civitates, et supradictarum trium urbium numerum duplicabis:
10 mba tsy hisy rà marina alatsaka eo amin’ ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, ka tsy ho meloka amin’ ny rà ianao.
ut non effundatur sanguis innoxius in medio terræ, quam Dominus Deus tuus dabit tibi possidendam, ne sis sanguinis reus.
11 Fa raha misy olona mankahala ny namany ka manotrika azy, ary mitsangana ka mamely mahafaty azy, ary mandositra ho ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo,
Si quis autem, odio habens proximum suum, insidiatus fuerit vitæ ejus, surgensque percusserit illum, et mortuus fuerit, fugeritque ad unam de supradictis urbibus,
12 ny loholona amin’ ny tanànany dia haniraka haka azy ao, dia hanolotra azy eo an-tànan’ ny mpamaly rà, mba hovonoiny ho faty izy.
mittent seniores civitatis illius, et arripient eum de loco effugii, tradentque in manu proximi, cujus sanguis effusus est, et morietur.
13 Tsy hiantra azy ny masonao; fa hesorinao tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny heloka ny amin’ ny rà marina, mba hahita soa ianao.
Non miseraberis ejus, et auferes innoxium sanguinem de Israël, ut bene sit tibi.
14 Aza mamindra ny fari-tanin’ ny namanao, izay efa vitan’ ny razana teo amin’ ny zara-taninao, izay azonao eo amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao holovanao.
Non assumes, et transferes terminos proximi tui, quos fixerunt priores in possessione tua, quam Dominus Deus tuus dabit tibi in terra quam acceperis possidendam.
15 Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin’ izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny.
Non stabit testis unus contra aliquem, quidquid illud peccati, et facinoris fuerit: sed in ore duorum aut trium testium stabit omne verbum.
16 Raha misy vavolombelona mampidi-doza mitsangana hiampanga olona ho nanao ratsy,
Si steterit testis mendax contra hominem, accusans eum prævaricationis,
17 dia hitsangana eo anatrehan’ i Jehovah izy roa lahy izay miady, dia eo anatrehan’ ny mpisorona sy ny mpitsara amin’ izany andro izany;
stabunt ambo, quorum causa est, ante Dominum in conspectu sacerdotum et judicum qui fuerint in diebus illis.
18 ary raha hadinin’ ny mpitsara mafy izy ka hitany fa vavolombelona mandainga, fa miampanga lainga ny namany,
Cumque diligentissime perscrutantes, invenerint falsum testem dixisse contra fratrem suum mendacium,
19 dia araka izay nokasainy hatao amin’ ny namany no hataonareo aminy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
reddent ei sicut fratri suo facere cogitavit, et auferes malum de medio tui:
20 Ary ny olona sisa dia handre izany ka hatahotra ary tsy hanao araka izany ratsy izany eo aminao intsony.
ut audientes ceteri timorem habeant, et nequaquam talia audeant facere.
21 Dia tsy hiantra azy ny masonao; fa aina no hataonao solon’ ny aina, maso solon’ ny maso, nify solon’ ny nify, tanana solon’ ny tanana, tongotra solon’ ny tongotra.
Non misereberis ejus, sed animam pro anima, oculum pro oculo, dentem pro dente, manum pro manu, pedem pro pede exiges.

< Deotoronomia 19 >