< Deotoronomia 17 >

1 Aza vonoina hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao izay misy kilema maharatsy azy, na omby na ondry na, fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ny manao izany.
You shall not sacrifice to YHWH your God an ox, or a sheep, in which is a blemish, or anything evil; for that is an abomination to YHWH your God.
2 Raha misy hita ao aminao ao an-tanànanao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ka mivadika ny fanekeny
If there is found in the midst of you, within any of your gates which YHWH your God gives you, man or woman, who does that which is evil in the sight of YHWH your God, in transgressing his covenant,
3 ka lasa mandeha manompo andriamani-kafa ary mivavaka aminy na amin’ ny masoandro, na amin’ ny volana, na amin’ ny kintana, izay zavatra efa nandrarako azy,
and has gone and served other gods, and worshiped them, or the sun, or the moon, or any of the host of heaven, which I have not commanded;
4 ka voalaza aminao izany, ary efa renao, dia diniho tsara, ka indro, raha nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo amin’ ny Isiraely izany fahavetavetana izany:
and it be told you, and you have heard of it, then you shall inquire diligently; and look, if it be true, and the thing certain, that such abomination is done in Israel,
5 dia avoahy ho eo am-bavahadinao izay lehilahy na vehivavy efa nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty.
then you shall bring forth that man or that woman, who has done this evil thing, to your gates, even the man or the woman; and you shall stone them to death with stones.
6 Amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin’ ny vavolombelona iray monja dia tsy hahafaty azy.
At the mouth of two witnesses, or three witnesses, shall he who is to die be put to death; at the mouth of one witness he shall not be put to death.
7 Ny tanan’ ny vavolombelona no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan’ ny vahoaka rehetra; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
The hand of the witnesses shall be first on him to put him to death, and afterward the hand of all the people. So you shall put away the evil from the midst of you.
8 Raha misy teny sarotra loatra amin’ ny fitsarana ka tsy efanao, na ny amin’ ny mahafaty aina, na ny ady na ny vonoana, izay iadiana ao an-tanànanao, dia miaingà ianao, ka miakara any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao.
If there arises a matter too hard for you in judgment, between blood and blood, between plea and plea, and between stroke and stroke, being matters of controversy within your gates; then you shall arise, and go up to the place which YHWH your God shall choose;
9 ary mankanesa amin’ ireo Levita mpisorona sy amin’ ny anankiray izay mpitsara amin’ izany andro izany, ka manontania, dia hambarany aminao ny teny fitsarana.
and you shall come to the priests the Levites, and to the judge who shall be in those days: and you shall inquire; and they shall show you the sentence of judgment.
10 Ary araho ny teny izay hambarany aminao eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah, ka mitandrema hanao araka izay rehetra hatorony anao.
You shall do according to the tenor of the sentence which they shall show you from that place which YHWH shall choose; and you shall observe to do according to all that they shall teach you:
11 Araka ny lalàna izay hatorony anao sy araka ny fitsarana izay holazainy aminao no hataonao; aza mivily miala amin’ ny teny izay hambarany aminao, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia.
according to the tenor of the law which they shall teach you, and according to the judgment which they shall tell you, you shall do; you shall not turn aside from the sentence which they shall show you, to the right hand, nor to the left.
12 Fa ny olona izay miavonavona ka tsy mihaino ny mpisorona izay mitsangana hanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao, na ny mpitsara, dia aoka ho faty izany olona izany; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny fanao ratsy.
The man who does presumptuously, in not listening to the priest who stands to minister there before YHWH your God, or to the judge, even that man shall die: and you shall put away the evil from Israel.
13 Ary ny vahoaka rehetra handre, dia hatahotra ka tsy hiavonavona intsony.
All the people shall hear, and fear, and do no more presumptuously.
14 Rehefa tonga any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ianao ka mandova azy sy monina eo ary manao hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy,
When you have come to the land which YHWH your God gives you, and shall possess it, and shall dwell in it, and shall say, "I will set a king over me, like all the nations that are around me";
15 dia izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjakanao: anankiray amin’ ny rahalahinao no hatsanganao ho mpanjakanao, fa tsy mahazo mifidy olona hafa firenena izay tsy avy amin’ ny rahalahinao ianao.
you shall surely set him king over yourselves, whom YHWH your God shall choose: one from among your brothers you shall set king over you; you may not put a foreigner over you, who is not your brother.
16 Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin’ izany lalana izany intsony.
Only he shall not multiply horses to himself, nor cause the people to return to Egypt, to the end that he may multiply horses; because YHWH has said to you, "You shall not go back that way again."
17 Ary aoka tsy hamporafy maro izy, fandrao hivily ny fony; ary aoka tsy hamory volafotsy na volamena be ho azy izy.
Neither shall he multiply wives to himself, that his heart not turn away: neither shall he greatly multiply to himself silver and gold.
18 Ary rehefa mipetraka eo ambonin’ ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin’ ny boky izao lalàna izao ka hataony araka ilay tehirizin’ ireo Levita mpisorona.
It shall be, when he sits on the throne of his kingdom, that he shall write him a copy of this law on a scroll in the presence of the Levitical priests.
19 Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin’ ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an’ i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin’ izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy,
And it shall be with him, and he shall read it all the days of his life; that he may learn to fear YHWH his God, to keep all the words of this law and these statutes, to do them;
20 mba tsy hiavonavonan’ ny fony amin’ ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin’ ny lalàna, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, mba ho maro andro amin’ ny fanjakany eo amin’ ny Isiraely; izy sy ny taranany.
that his heart not be lifted up above his brothers, and that he not turn aside from the commandment, to the right hand, or to the left: to the end that he may prolong his days in his kingdom, he and his children, in the midst of Israel.

< Deotoronomia 17 >