< Deotoronomia 14 >

1 Zanak’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin’ ny handrinareo noho ny amin’ ny maty.
Vous êtes les enfants de l'Éternel votre Dieu. Ne vous faites point d'incision, et ne vous rasez point entre les yeux pour un mort;
2 Fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka voafidiny ho rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Car tu es un peuple consacré à l'Éternel ton Dieu, et l'Éternel t'a choisi d'entre tous les peuples qui sont sur la face de la terre, pour que tu lui sois un peuple particulier.
3 Aza mihinana izay fahavetavetana.
Tu ne mangeras aucune chose abominable.
4 Izao no biby izay ho fihinanareo: Ny omby sy ny ondry sy ny osy
Voici les animaux que vous mangerez: le bœuf, le mouton et la chèvre,
5 sy ny diera, ny gazela, ny kapreola, ny osi-dia, ny pygarga, ny antilopa ary ny ropikapra:
Le cerf, la gazelle, le daim, le chamois, le chevreuil, le bœuf sauvage et la girafe.
6 izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika, no ho fihinanareo.
Et vous mangerez d'entre les animaux, tous ceux qui ont l'ongle divisé et le pied fourché, et qui ruminent.
7 Nefa amin’ izay mandinika na mivaky kitro dia izao ihany kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva sy ny rà bitro ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, fa tsy mivaky kitro; maloto aminareo izy;
Seulement, voici ce que vous ne mangerez point d'entre ceux qui ruminent et d'entre ceux qui ont l'ongle divisé et le pied fourché: le chameau, le lièvre et le lapin; car ils ruminent, mais ils n'ont point l'ongle divisé: ils vous seront souillés;
8 ary ny kisoa koa, satria mivaky kitro izy, fa tsy mandinika, maloto aminareo izy; ny henan ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo.
Le pourceau aussi; car il a l'ongle divisé, mais il ne rumine point: il vous sera souillé. Vous ne mangerez point de leur chair; et vous ne toucherez point leur cadavre.
9 Ary amin’ izay rehetra ao anatin’ ny rano dia izao no ho fihinanareo: izay rehetra misy vombony sy kirany no ho fihinanareo;
Voici ce que vous mangerez de tout ce qui est dans les eaux. Vous mangerez tout ce qui a des nageoires et des écailles;
10 fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa dia tsy ho fihinanareo; maloto aminareo izy.
Mais tout ce qui n'a point de nageoires ni d'écailles, vous ne le mangerez point; cela vous sera souillé.
11 Ny vorona madio rehetra no ho fihinanareo.
Vous mangerez tout oiseau pur.
12 Nefa izao kosa no tsy ho fihinanareo: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay
Mais voici ceux dont vous ne mangerez point: l'aigle, l'orfraie, le vautour,
13 ary ny papango sy ny voromahery sy ny papango mainty, samy araka ny karazany, avy
L'autour, le faucon et le milan selon son espèce;
14 ary ny goaika rehetra, samy araka ny karazany avy,
Et tout corbeau, selon son espèce;
15 ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka ary ny hitsikitsika, samy araka ny karazany avy,
Et l'autruche, le coucou, et la mouette, et l'épervier, selon son espèce;
16 ary ny vorondolo sy ny vorondolo lehibe sy ny ibisa
La chouette, le hibou, le cygne,
17 ary ny sama sy ny voltora madinika sy ny manarana
Le pélican, le cormoran, le plongeon,
18 ary ny vano sy ny vanobe, samy araka ny karazany avy, ary ny takidara sy ny manavy.
La cigogne et le héron, selon son espèce; la huppe et la chauve-souris.
19 Ary ny zava-mandady rehetra izay manana elatra dia haloto aminareo ka tsy ho fihinanareo.
Et tout reptile qui vole vous sera souillé; on n'en mangera point.
20 Ny zava-manana elatra izay madio no ho fihinanareo.
Vous mangerez tout oiseau pur.
21 Aza homana izay maty ho azy, fa omeo ho an’ ny vahiny izay ao an-tanànanao izany mba hohaniny, na amidio amin’ ny olona hafa firenena; fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.
Vous ne mangerez d'aucune bête morte; tu la donneras à l'étranger qui sera dans tes portes, et il la mangera, ou on la vendra à un étranger. Car tu es un peuple consacré à l'Éternel ton Dieu. Tu ne feras point cuire le chevreau dans le lait de sa mère.
22 Aloavy tsara ny ampahafolon’ ny vokatra rehetra avy amin’ ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona;
Tu ne manqueras point de donner la dîme de tout le produit de ce que tu auras semé, de ce qui sortira de ton champ, chaque année.
23 dia aoka ho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izany hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon’ ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao, mba hianaranao hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrao mandrakariva.
Et tu mangeras, devant l'Éternel ton Dieu, au lieu qu'il aura choisi pour y faire habiter son nom, la dîme de ton froment, de ton vin, de ton huile, et les premiers-nés de ton gros et de ton menu bétail, afin que tu apprennes à craindre toujours l'Éternel ton Dieu.
24 Fa raha lavitra loatra ny lalana halehanao ka tsy mahatondra izany zavatra izany ianao, satria lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany, raha notahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao,
Mais si le chemin est trop long pour toi, en sorte que tu ne puisses porter toutes ces choses, parce que le lieu que l'Éternel ton Dieu aura choisi pour y mettre son nom, sera trop loin de toi, quand l'Éternel ton Dieu t'aura béni,
25 dia hamidinao vola izany, ary hofonosinao ny vola ka ho entinao eo an-tananao hankany amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao;
Alors tu les convertiras en argent, et tu serreras l'argent en ta main; tu iras au lieu que l'Éternel ton Dieu aura choisi,
26 ary ny vola dia amidio izay rehetra tian’ ny fanahinao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na toaka, na izay zavatra hafa tian’ ny fanahinao; ary aoka ho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin’ ny ankohonanao;
Et tu donneras l'argent en échange de tout ce que tu désireras, gros ou menu bétail, vin ou boisson forte, et tout ce que tu souhaiteras; et tu le mangeras là, devant l'Éternel ton Dieu, et tu te réjouiras, toi et ta famille.
27 ary ny Levita izay ao an-tanànanao dia aza foinao; fa tsy manana anjara na lova eo aminao izy.
Et tu n'abandonneras point le Lévite qui est dans tes portes, parce qu'il n'a point de portion ni d'héritage avec toi.
28 Ary isan-telo taona dia alao ny ampahafolon’ ny vokatrao rehetra amin’ izany taona izany, ka ataovy ao an-tanànanao;
Au bout de trois ans, tu tireras toutes les dîmes de ton revenu de cette année-là, et tu les déposeras dans tes portes.
29 ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba hotahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ ny asan-tananao rehetra izay ataonao.
Alors le Lévite, qui n'a point de portion ni d'héritage avec toi, et l'étranger, l'orphelin et la veuve, qui seront dans tes portes, viendront et mangeront, et se rassasieront; afin que l'Éternel ton Dieu te bénisse dans toute œuvre que tu feras de ta main.

< Deotoronomia 14 >