< Deotoronomia 13 >

1 Raha tahìny misy mpaminany na mpanonofy eo aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminao
S'il s'élève au milieu de toi un prophète ou un songeur, qui te donne un signe ou un miracle,
2 sady manao hoe: Andeha isika hanaraka andriamani-kafa (izay tsy fantatrao), ka aoka hanompo azy isika, na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao,
Et que ce signe ou ce miracle, dont il t'aura parlé, arrive, et qu'il te dise: Allons après d'autres dieux que tu n'as point connus, et servons-les;
3 dia aza mihaino ny tenin’ izany mpaminany na mpanonofy izany; fa mizaha toetra anareo Jehovah Andriamanitrareo, hahalalany na miorina amin’ ny fitiavana an’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra ianareo.
Tu n'écouteras point les paroles de ce prophète, ni de ce songeur; car l'Éternel, votre Dieu, vous éprouve, pour savoir si vous aimez l'Éternel votre Dieu, de tout votre cœur et de toute votre âme.
4 Manaraha an’ i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.
Vous suivrez l'Éternel votre Dieu, vous le craindrez, vous garderez ses commandements, vous obéirez à sa voix, vous le servirez et vous vous attacherez à lui.
5 Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana amin’ i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin’ ny trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin’ ny lalana izay nasain’ i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Mais on fera mourir ce prophète ou ce songeur; car il a parlé de se révolter contre l'Éternel votre Dieu, qui vous a retirés du pays d'Égypte et qui vous a rachetés de la maison de servitude, pour te pousser hors de la voie où l'Éternel ton Dieu t'a prescrit de marcher. Ainsi tu extermineras le méchant du milieu de toi.
6 Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao),
Quand ton frère, fils de ta mère, ou ton fils, ou ta fille, ou ta femme bien-aimée, ou ton ami, qui t'est comme ton âme, t'excitera en secret, en disant: Allons et servons d'autres dieux, que tu n'as pas connus, ni toi, ni tes pères,
7 dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin’ ny faran’ ny tany rehetra,
D'entre les dieux des peuples qui sont autour de vous, près de toi ou loin de toi, d'un bout de la terre jusqu'à l'autre,
8 dia aza manaiky azy na mihaino azy ianao; ary aza mba iantran’ ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao;
N'aie point de complaisance pour lui, et ne l'écoute point; que ton œil aussi ne l'épargne point; ne sois point touché de compassion et ne le cache point.
9 fa vonoy ho faty izy; ny tananao no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan’ ny vahoaka rehetra.
Mais tu ne manqueras point de le faire mourir; ta main sera la première sur lui pour le mettre à mort, et ensuite la main de tout le peuple.
10 Ary torahy vato ho faty izy, satria izy efa nitady hitaona anao hiala amin’ i Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana.
Et tu l'assommeras de pierres, et il mourra, parce qu'il a cherché à t'éloigner de l'Éternel ton Dieu, qui t'a retiré du pays d'Égypte, de la maison de servitude.
11 Ary ny Isiraely rehetra handre izany, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony eo aminao.
Et tout Israël l'entendra et craindra, et l'on ne fera plus une si méchante action au milieu de toi.
12 Raha mandre teny ianao ny amin’ ny tanànanao anankiray izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrao anao honenana, manao hoe:
Quand tu entendras dire de l'une de tes villes que l'Éternel ton Dieu te donne pour y habiter:
13 Nisy olona tena ratsy fanahy nivoaka avy teo aminao ka nitaona ny mponina ao an-tanànany nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrareo).
Des gens pervers sont sortis du milieu de toi, et ont poussé les habitants de leur ville, en disant: Allons, et servons d'autres dieux que vous n'avez point connus;
14 dia diniho sy fotory ary adino tsara, ka raha, indro fa nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo aminao izany fahavetavetana izany,
Tu chercheras, et t'informeras, et t'enquerras soigneusement; et si tu trouves que ce qu'on a dit soit véritable et certain, et qu'une telle abomination se soit accomplie au milieu de toi,
15 dia asio ny lelan-tsabatra mihitsy ny mponina amin’ izany tanàna izany, ka levony ny tanàna sy izay rehetra eo aminy, ary ny biby fiompy dia aringano amin’ ny lelan-tsabatra.
Tu feras passer les habitants de cette ville au fil de l'épée; tu la voueras à l'interdit, avec tout ce qui y sera, et tu en passeras le bétail au fil de l'épée.
16 Ary ny entana nobaboina rehetra eo dia angòny eo afovoan’ ny kianja, ka doroy amin’ ny afo avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra ao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.
Puis tu rassembleras au milieu de la place tout son butin, et tu brûleras entièrement cette ville et tout son butin, devant l'Éternel ton Dieu, et elle sera à toujours un monceau de ruines; elle ne sera plus rebâtie.
17 Ary aoka tsy hisy hiraikitra amin’ ny tananao akory ny zavatra efa natolotra holevonina, mba hitsaharan’ i Jehovah amin’ ny fahatezerany mirehitra hamindrany fo aminao sy hiantrany anao, ary hahamaroany anao araka izay nianianany tamin’ ny razanao,
Et il ne demeurera rien de l'interdit en ta main, afin que l'Éternel revienne de l'ardeur de sa colère, et qu'il te fasse miséricorde, et qu'il ait pitié de toi, et qu'il te multiplie, comme il l'a juré à tes pères,
18 raha hohenoinao ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ka hotandremanao ny didiny rehetra izay andidiako anao anio, mba hanaovana izay mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao.
Parce que tu auras obéi à la voix de l'Éternel ton Dieu, pour garder ses commandements que je te prescris aujourd'hui, pour faire ce qui est droit aux yeux de l'Éternel ton Dieu.

< Deotoronomia 13 >