< Deotoronomia 12 >

1 Izao no didy sy fitsipika izay hotandremanareo harahina any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, anao holovana amin’ ny andro rehetra hiainanareo ambonin’ ny tany.
These are the statutes and the ordinances which you shall observe to do in the land which the LORD, the God of your fathers, has given you to possess it, all the days that you live on the earth.
2 Horavanareo mihitsy ny toerana rehetra izay nanompoan’ ny firenen-tsamy hafa izay horoahinareo ny andriamaniny teny ambonin’ ny tendrombohitra avo sy ny havoana ary teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.
You shall surely destroy all the places in which the nations that you shall dispossess served their gods, on the high mountains, and on the hills, and under every green tree:
3 Dia horavanareo ny alitarany, ary hotorotoroinareo ny tsangam-baton-tsampiny, ary hodoranareo amin’ ny afo ny Aserahany, ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo, ka dia hofoananareo tsy ho eo amin’ izany tany izany intsony ny anarany.
and you shall break down their altars, and dash in pieces their pillars, and burn their Asherim with fire; and you shall cut down the engraved images of their gods; and you shall destroy their name out of that place.
4 Aza manao toy izany amin’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
You shall not do so to the LORD your God.
5 Fa ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny firenenareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo.
But to the place which the LORD your God shall choose out of all your tribes, to put his name there, even to his habitation you shall seek, and there you shall come;
6 Ary any no hitondranareo ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo sy ny fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’ osinareo;
and there you shall bring your burnt offerings, and your sacrifices, and your tithes, and the wave offering of your hand, and your vows, and your freewill offerings, and the firstborn of your herd and of your flock:
7 ary any no hihinananareo sy ny ankohonanareo eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ary hifalianareo amin’ izay rehetra harin’ ny tananareo, izay efa nitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
and there you shall eat before the LORD your God, and you shall rejoice in all that you put your hand to, you and your households, in which the LORD your God has blessed you.
8 Aza manao araka izay rehetra ataontsika eto ankehitriny intsony ianareo, dia izao samy manao izay mahitsy eo imasony avy izao.
You shall not do after all the things that we do here this day, every man whatever is right in his own eyes;
9 Fa ianareo tsy mbola tonga any amin’ ny fitsaharana sy ny lova izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
for you haven't yet come to the rest and to the inheritance, which the LORD your God gives you.
10 Fa rehefa tafita an’ i Jordana ianareo ka monina any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo holovana, ary homeny fitsaharan’ ady amin’ ny fahavalonareo rehetra manodidina ianareo ka mandry fahizay,
But when you go over the Jordan, and dwell in the land which the LORD your God causes you to inherit, and he gives you rest from all your enemies around you, so that you dwell in safety;
11 dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo, ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin’ i Jehovah.
then it shall happen that to the place which the LORD your God shall choose, to cause his name to dwell there, there you shall bring all that I command you: your burnt offerings, and your sacrifices, your tithes, and the wave offering of your hand, and all your choice vows which you vow to your God.
12 Dia hifaly eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo ary ny Levita izay ao an-tanànanareo; fa ny Levita tsy mba manana anjara na lova eo aminareo.
You shall rejoice before the LORD your God, you, and your sons, and your daughters, and your male servants, and your female servants, and the Levite who is within your gates, because he has no portion nor inheritance with you.
13 Mitandrema mba tsy haterinao eny amin’ izay tany rehetra tianao ny fanatitra doranao;
Be careful that you do not offer your burnt offerings in every place that you see;
14 fa eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah ihany amin’ ny firenenao anankiray no hanateranao azy, sady eo koa no hanaovanao izay rehetra andidiako anao.
but in the place which the LORD shall choose in one of your tribes, there you shall offer your burnt offerings, and there you shall do all that I command you.
15 Kanefa mahazo mamono zavatra sy mihinan-kena ianao, araka izay rehetra irinao eny amin’ ny tanànanao rehetra, araka ny fitahian’ i Jehovah Andriamanitrao izay omeny anao; na ny maloto, na ny madio dia samy mahazo mihinana azy ihany, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.
Notwithstanding, you may kill and eat flesh within all your gates, after all the desire of your soul, according to the blessing of the LORD your God which he has given you: the unclean and the clean may eat of it, as of the gazelle, and as of the deer.
16 Kanefa ny ràny no aza hanina, fa aidino amin’ ny tany toy ny rano.
Only you shall not eat the blood; you shall pour it out on the earth as water.
17 Tsy azonao hanina ao an-tanànanao, na ny ampahafolon’ ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao, na ny zavatra rehetra hataonao voady, na ny fanati-tsitraponao, na ny fanatitra asandratry ny tananao.
You may not eat within your gates the tithe of your grain, or of your new wine, or of your oil, or the firstborn of your herd or of your flock, nor any of your vows which you vow, nor your freewill offerings, nor the wave offering of your hand;
18 Fa eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao azy, dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao, dia ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao; ary hifaly eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ izay rehetra hanin’ ny tananao.
but you shall eat them before the LORD your God in the place which the LORD your God shall choose, you, and your son, and your daughter, and your male servant, and your female servant, and the Levite who is within your gates: and you shall rejoice before the LORD your God in all that you put your hand to.
19 Mitandrema mba tsy ho foinao ny Levita amin’ ny andro rehetra hiainanao amin’ ny taninao.
Be careful that you do not forsake the Levite as long as you live in your land.
20 Raha hitarin’ i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nolazainy taminao, ka hoy ianao: Hihinan-kena aho, satria maniry hihinan-kena ny fanahinao, dia mahazo mihinan-kena araka izay rehetra irin’ ny fanahinao ianao.
When the LORD your God shall enlarge your border, as he has promised you, and you shall say, "I want to eat meat," because your soul desires to eat meat; you may eat meat, after all the desire of your soul.
21 Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hasiany ny anarany, dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao izay nomen’ i Jehovah anao, araka izay efa nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay rehetra irin’ ny fanahinao izany.
If the place which the LORD your God shall choose to put his name there is too far from you, then you shall kill of your herd and of your flock, which God has given you, as I have commanded you; and you may eat within your gates, after all the desire of your soul.
22 Kanefa tahaka ny ahazoanao mihinana ny gazela sy ny diera no hahazoanao mihinana ireny: na ny maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy.
Even as the gazelle and as the deer is eaten, so you shall eat of it: the unclean and the clean may eat of it alike.
23 Kanefa tandremo tsara mba tsy hohaninao ny rà, fa ny rà no aina, ary tsy mahazo mihinana ny aina amin’ ny hena ianao.
Only be sure that you do not eat the blood: for the blood is the life; and you shall not eat the life with the flesh.
24 Aza mihinana azy ianao, fa aidino amin’ ny tany toy ny rano izy;
You shall not eat it; you shall pour it out on the earth as water.
25 eny, aza mihinana azy ianao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, raha manao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah ianao.
You shall not eat it; that it may go well with you, and with your children after you, when you shall do that which is right in the eyes of the LORD.
26 Kanefa ny zava-masinao sy ny zavatra nataonao voady dia ento mankany amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah.
Only your holy things which you have, and your vows, you shall take, and go to the place which the LORD shall choose,
27 Ary atero eo amin’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao ny fanatitra doranao, dia ny henany sy ny ràny; ary ny ran’ ny fanatitrao hafa dia aidino eo amin’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao, fa ny henany dia azonao hohanina ihany.
and you shall offer your burnt offerings, the flesh and the blood, on the altar of the LORD your God; and the blood of your sacrifices shall be poured out on the altar of the LORD your God; and you shall eat the flesh.
28 Tandremo, ka henoy izao teny rehetra izao, izay andidiako anao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay, raha manao izay tsara sy mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ianao.
Observe and hear and do all these words which I command you, that it may go well with you, and with your children after you forever, when you do that which is good and right in the eyes of the LORD your God.
29 Rehefa aringan’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny firenen-tsamy hafa, izay alehanao horesenao, ary handresy azy ianao ka honina eo amin’ ny taniny,
When the LORD your God shall cut off the nations from before you, where you go in to dispossess them, and you dispossess them, and dwell in their land;
30 dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin’ ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany.
take heed to yourself that you not be ensnared to follow them, after that they are destroyed from before you; and that you not inquire after their gods, saying, "How do these nations serve their gods? I will do likewise."
31 Aza manao toy izany amin’ i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan’ i Jehovah, no nataony tamin’ ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin’ ny afo ho an’ ny andriamaniny.
You shall not do so to the LORD your God: for every abomination to the LORD, which he hates, have they done to their gods; for even their sons and their daughters do they burn in the fire to their gods.
32 Izay rehetra andidiako anareo dia tandremo mba harahina; aza ampianao izany, ary aza anesoranao.
Whatever thing I command you, that you shall observe to do: you shall not add thereto, nor diminish from it.

< Deotoronomia 12 >