< Deotoronomia 10 >

1 Tamin’ izany andro izany no nilazan’ Jehovah tamiko hoe: Manamboara vato fisaka roa ho anao tahaka ilay teo, ka miakara ho etỳ amiko etỳ an-tendrombohitra, ary manaova fiara hazo ho anao;
“At that time, the Lord said to me: ‘Hew for yourself two tablets of stone, like those that were before, and ascend to me on the mountain. And you shall make an ark of wood.
2 dia hosoratako amin’ ny vato fisaka ilay teny teo amin’ ny vato fisaka nomontsamontsaninao, ka hataonao ao anatin’ ny fiara ireny.
And I will write on the tablets the words which were on those that you broke before, and you shall place them in the ark.’
3 Dia nanao fiara tamin’ ny hazo akasia aho ka nanamboatra vato fisaka roa tahaka ny teo, dia niakatra tao an-tendrombohitra aho ka nitondra ny vato fisaka roa teny an-tanako.
And so, I made an ark of setim wood. And when I had hewn two tablets of stone like the former, I ascended onto the mountain, having them in my hands.
4 Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Didy Folo Izay nolazain’ i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin’ ny afo tamin’ ny andro nivoriana; dia nomen’ i Jehovah ahy ireny.
And he wrote on the tablets, according to that which he had written before, the ten words, which the Lord spoke to you on the mountain from the midst of fire, when the people were assembled. And he gave them to me.
5 Dia nihodina aho ka nidina niala teo amin’ ny tendrombohitra, ary ny vato fisaka napetrako tao anatin’ ny fiara izay efa nataoko, dia mbola ao ihany ireny, araka izay nandidian’ i Jehovah ahy.
And returning from the mountain, I descended and placed the tablets in the ark, which I had made, and they are still there even now, just as the Lord instructed me.
6 Ary ny Zanak’ Isiraely nandeha niala tamin’ ny fantsakan’ i Bene-jakana ka nankany Mosera; tao no nahafatesan’ i Arona, ary tao no nandevenana azy; ary Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy.
Then the sons of Israel moved their camp, from Beeroth among the sons of Jaakan, into Moserah, where Aaron died and was buried, and where his son Eleazar was installed in the priesthood in his place.
7 Ary nony niala tao izy, dia nankany Godgoda; ary nony niala tao Godgoda izy, dia nankany Jotbata, tany be ony.
From there, they went into Gudgodah. From that place, they set out and camped at Jotbathah, in a land of waters and torrents.
8 Tamin’ izany andro izany no nanokana an’ i Jehovah ny firenen’ i Levy hitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah sy hijanona eo anatrehan’ i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin’ ny anarany mandraka androany.
At that time, he separated the tribe of Levi, so that he would carry the ark of the covenant of the Lord, and stand before him in the ministry, and speak blessings in his name, even to the present day.
9 Izany no tsy ananan’ ny Levita anjara na lova eo amin’ ny rahalahiny; Jehovah no lovany, araka izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrao taminy.
As a result, Levi has no portion or possession with his brothers. For the Lord himself is his possession, just as the Lord your God promised him.
10 Ary izaho nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra tahaka ilay teo ihany; ary Jehovah nihaino ahy tamin’ izany andro izany koa ka tsy nety nandringana anao.
Then I stood on the mountain, as before, for forty days and nights. And the Lord heeded me at this time also, and he was not willing to destroy you.
11 Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, mandehana eo alohan’ ny olona, hidirany sy handovany ny tany, izay nianianako tamin’ ny razany homena azy.
And he said to me: ‘Go forth and walk before the people, so that they may enter and possess the land, which I swore to their fathers that I would deliver to them.’
12 Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain’ i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra,
And now, O Israel, what does the Lord your God require of you? Only that you fear the Lord your God, and walk in his ways, and love him, and serve the Lord your God with your whole heart and with your whole soul,
13 hitandrina ny didin’ i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao?
and that you keep the commandments of the Lord, and his ceremonies, which I am instructing to you this day, so that it may be well with you.
14 Indro, an’ i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’ izay rehetra eo aminy.
Lo, heaven belongs to the Lord your God, and the heaven of heaven, and the earth, and all the things that are within these.
15 Kanefa ny razanao no niraiketan’ ny fitiavan’ i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin’ izao anio izao.
Now the Lord was closely joined to your fathers, and he loved them, and he chose their offspring after them, that is, you yourselves, out of all the nations, just as is being proven today.
16 Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.
Therefore, circumcise the foreskin of your heart, and no longer stiffen your neck.
17 Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon’ ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan’ olona, na mandray kolikoly;
For the Lord your God himself is the God of gods, and the Lord of lords, a God great and powerful and terrible, who favors no person and accepts no bribe.
18 manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
He accomplishes judgment for the orphan and the widow. He loves the sojourner, and he gives him food as well as clothing.
19 Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ianareo.
Therefore, you also should love sojourners, for you also were new arrivals in the land of Egypt.
20 Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, ary Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao.
You shall fear the Lord your God, and him alone shall you serve. You shall cling to him, and you shall swear by his name.
21 Izy no fidèranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan’ ny masonao.
He is your praise and your God. He has done for you these great and terrible things, which your eyes have seen.
22 Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon’ i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra ianao.
As seventy souls, your fathers descended into Egypt. And now, behold, the Lord your God has multiplied you to be like the stars of heaven.”

< Deotoronomia 10 >