< Daniela 1 >

1 Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, no nankanesan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy.
Katika mwaka wa tatu wa utawala wa Yehoyakimu mfalme wa Yuda, Nebukadneza mfalme wa Babeli alikuja Yerusalemu na kuuzunguka mji ili kuzuia mahitaji yake yote.
2 Ary ny Tompo nanolotra an’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, mbamin’ ny fanaka sasany tao an-tranon’ Andriamanitra ho eo an-tànany, ka nentiny ho any amin’ ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon’ andriamaniny; koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin’ ny trano firaketan’ andriamaniny.
Bwana alimpa Nebukadneza ushindi dhidi ya Yehoyakimu mfalme wa Yuda, na alimpatia vitu vitakatifu kutoka nyumba ya Mungu. Alivipeleka vitu hivyo mpaka katika nchi ya Babeli, kwa nyumba ya mungu wake, na aliviweka vitu vitakatifu katika hazina ya mungu wake.
3 Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Aspenaza, lehiben’ ny tandapany, hitondra ny sasany amin’ ny Zanak’ Isiraely, dia amin’ ny zanak’ andriana na amin’ ny ambony firazanana,
Mfalme akamwambia Ashipenazi, afisa wake mkuu, awalete baadhi ya watu wa Israeli, wa familia ya kifalme na za kiungwana -
4 dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin’ ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan’ ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin’ ny Kaldeana.
vijana wasio na hila, wenye mwonekano wa kuvutia, wenye ujuzi katika hekima yote, wenye kujawa na ufahamu na weledi, na wenye sifa za kutumika katika ikulu ya mfalme. Alitakiwa kuwafundisha maandiko na lugha ya Babeli.
5 Ary ny mpanjaka nampanokana hanina ho an’ ireo isan’ andro avy tamin’ ny haniny sy avy tamin’ ny divay izay fisotrony mba hamelomana azy telo taona, ary rehefa afaka izany, dia hitoetra eo anatrehan’ ny mpanjaka izy.
Mfalme aliwatengea kwa ajili yao fungu kutoka katika chakula chake kizuri kwa kila siku na katika divai aliyokunywa. Vijana hawa walitakiwa kufunzwa kwa miaka mitatu, na baada ya hapo, wangeweza kumtumikia mfalme.
6 Ary tamin’ ireo dia nisy avy amin’ ny taranak’ i Joda, dia Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria.
Miongoni mwao walikuwa ni Danieli, Hanania, Mishaeli, na Azaria, baadhi ya watu wa Yuda.
7 Ary izy ireo nomen’ ny lehiben’ ny tandapa anarana, ka Daniela nataony hoe Beltesazara, ary Hanania nataony hoe Sadraka, ary Misaela nataony hoe Mesaka, ary Azaria nataony hoe Abednego.
Afisa mkuu aliwapa majina: Danieli alimwita Belteshaza, Hanania alimwita Shadraka, Mishaeli alimwita Meshaki, na Azaria alimwita Abedinego.
8 Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin’ ny anjara-hanina avy tamin’ ny hanin’ ny mpanjaka, na tamin’ ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin’ ny lehiben’ ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany.
Lakini Danieli alinuia katika akili yake kuwa asingejitia ujanisi mwenyewe kwa chakula kizuri cha mfalme wala kwa divai ambayo alikunywa.
9 Dia nataon’ Andriamanitra nahita fitia sy famindram-po tamin’ ilay lehiben’ ny tandapa Daniela.
Basi, aliomba ruhusa kutoka kwa afisa mkuu ili kwamba asije akajitia uchafu yeye mwenyewe. Hivyo, Mungu alimpa Danieli kibali na huruma kupitia katika heshima ambayo afisa mkuu alikuwa nayo kwake.
10 Ary hoy ilay lehiben’ ny tandapa tamin’ i Daniela: Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana ny hohaninareo sy ny hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita ny tarehinareo mahia noho ny an’ ny zatovo namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy amin’ ny mpanjaka va ianareo, ka hotapahiny ny lohako?
Afisa mkuu alimwambia Danieli, “Ninamwogopa bwana wangu mfalme. Ameagiza aina ya chakula na vinywaji mnavyotakiwa kutumia. Kwa nini awaone ninyi mkiwa mnaonekana vibaya kuliko vijana wengine wa umri wenu? Mfalme aweza kukitwaa kichwa changu kwa sababu yenu.
11 Dia hoy Daniela tamin’ ny mpiadidy, izay notendren’ ny lehiben’ ny tandapa ho mpiadidy an’ i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria:
Kisha Daniel akamwambia msimamizi ambaye afisa mkuu alikuwa amemweka juu ya Danieli, Hanania, Mishaeli, na Azaria.
12 Masìna ianao, izahao toetra hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana hohaninay sy rano hosotroinay.
Alisema, “Tafadhari tujaribuni, sisi watumishi wako kwa siku kumi. Tupatieni tu mboga mboga za kula na maji ya kunywa.
13 Dia aoka hizahana eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin’ ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin’ ny hanin’ ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin’ ny mpanomponao.
Kisha ulinganishe mwonekano wetu na mwonekano wa vijana wanaokula vyakula vya mfalme, na mtutendee, sisi watu wako kulingana na kile unachokiona.”'
14 Ary nanaiky izany teny izany izy ka nizaha toetra azy hafoloana.
Hivyo msimamizi alikubaliana naye kufanya hivi, na aliwajaribu kwa siku kumi.
15 Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an’ ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin’ ny hanin’ ny mpanjaka.
Katika mwisho wa siku kumi mwonekano wao ulikuwa ni wenye afya nzuri kuliko wa wale vijana waliokula vyakula vya kifalme.
16 Dia najanon’ ilay mpiadidy ny anjara-haniny sy ny divay hosotroiny, ka hanin-kotrana no nomeny azy.
Basi, msimamizi aliliondoa fungu lao la chakula na vivywaji vyao na walipewa mboga mboga tu.
17 Ary ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen’ Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin’ ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin’ ny fahitana sy ny nofy rehetra.
Na kuhusu vijana hawa nne Mungu aliwapa uelewa na ufahamu katika maandiko yote na hekima, na Danieli aliweza kupambanua aina zote za maono na ndoto.
18 Ary nony tonga ny andro nasain’ ny mpanjaka hampidirana azy, dia nentin’ ilay lehiben’ ny tandapa niditra teo anatrehan’ i Nebokadnezara izy.
Katika mwisho wa muda uliokuwa umepangwa na mfalme kuwaleta ndani, afisa mkuu aliwaleta mbele ya Nebukadneza.
19 Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an’ i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin’ izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan’ ny mpanjaka izy ireo.
Mfalme aliongea nao, na miongoni mwa kundi lote hapo hapakuwa na wa kuwalinganisha na akina Danieli, Hanania, Mishaeli, na Azaria. Walisimama mbele ya mfalme, wakiwa tayari kumtumikia.
20 Ary ny amin’ ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian’ ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin’ ny fanjakany rehetra aza izy.
Katika kila swali la hekima na ufahamu ambalo mfalme aliwauliza, aliwakuta wakiwa na uwezo mara kumi kuliko waganga wote na wale waliojidai kusema na wafu, waliokuwa katika ufalme wake wote.
21 Ary Daniela nahatratra ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy mpanjaka.
Danieli alikuwa hapo mpaka mwaka wa kwanza wa Mfalme Koreshi.

< Daniela 1 >