< Daniela 7 >

1 Fahitana niseho tamin’ i Daniela ny amin’ ny fanjakana efatra lehibe, sy ny hitsaran’ Andriamanitra ireo. Tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Belsazara, mpanjakan’ i Babylona, dia nanonofy Daniela sady nahita fahitana tao am-pandriany, ary nosoratany ny nofy, ka nambarany ny fotopototry ny teny.
Прве године Валтасара, цара вавилонског, усни Данило сан и виде утвару главе своје на постељи; тада написа сан и приповеди укратко.
2 Dia niteny Daniela ka nanao hoe: Nahita tamin’ ny fahitako tamin’ ny alina aho, fa, indreo, ny rivotra efatry ny lanitra nibosesika teny amin’ ny ranomasina lehibe.
Данило проговори и рече: Видех у утвари својој ноћу, а то четири ветра небеска ударише се на великом мору.
3 Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy tamin’ ny ranomasina.
И четири велике звери изиђоше из мора, свака другачија.
4 Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana elatry ny voromahery; nijery aho ambara-panongotra ny elany, ary natsangana avy tamin’ ny tany izy ka najoro tamin’ ny tongony roa toy ny fijoron’ ny olona, sady natao manana fon’ olombelona izy.
Прва беше као лав, и имаше крила орлова; гледах докле јој се крила поскубоше и подиже се са земље и стаде на ноге као човек, и срце људско даде јој се.
5 Ary indro koa ny faharoa, biby hafa tahaka ny bera, izay nampisondrotra ny ila-tenany, sady nisy taolan-tehezana telo teo am-bavany anelanelan’ ny nifiny; ary toy izao no voalaza taminy: Mitsangàna, homàna nofo be.
Потом, гле, друга звер беше као медвед, и стаде с једне стране, и имаше три ребра у устима међу зубима својим, и говораше јој се: Устани, једи много меса.
6 Ary nony afaka izany, dia nahita aho fa, indro, nisy hafa koa toy ny leoparda, izay nanana ela-borona efatra teo an-damosiny, ary io biby io nanana loha efatra, ary nomena fanapahana izy.
Потом видех, и гле, друга, као рис, имаше на леђима четири крила као птица, и четири главе имаше звер, и даде јој се власт.
7 Nony afaka izany, dia nahita tamin’ ny fahitana tamin’ ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.
Потом видех у утварама ноћним, и гле, четврта звер, које се требаше бојати, страшна и врло јака, и имаше велике зубе гвоздене, јеђаше и сатираше, и гажаше ногама остатак, и разликоваше се од свих звери пређашњих, и имаше десет рогова.
8 Nodinihiko ny tandroka, ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary novohana teo anoloan’ io ny tandroka telo tamin’ ireo taloha; ary, indro, nanana maso toy ny mason’ olona sy vava miteny zavatra mihoa-pampana izy.
Гледах рогове, и гле, други мали рог израсте међу онима, а три прва рога ишчупаше се пред њим; и гле, очи као очи човечије беху на том рогу, и уста која говораху велике ствари.
9 Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon’ ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra.
Гледах докле се поставише престоли, и старац седе, на коме беше одело бело као снег, и коса на глави као чиста вуна, престо Му беше као пламен огњени, точкови Му као огањ разгорео.
10 Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.
Река огњена излажаше и течаше испред Њега, хиљада хиљада служаше Му, и десет хиљада по десет хиљада стајаху пред Њим; суд седе, и књиге се отворише.
11 Dia mbola nijery ihany aho noho ny feon’ ny teny mihoapampana notenenin’ ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin’ ny afo mirehitra izy.
Тада гледах ради гласа великих речи које говораше онај рог; и гледах докле не би убијена звер и тело јој се рашчини и даде се да изгори огњем.
12 Ary ny amin’ ny biby, sasany, dia nesorina taminy ny fanapahany; nefa nohalavaina ihany ny andro hiainany mandra-pahalanin’ ny andro sy ny fotoana.
И осталим зверима узе се власт, јер дужина животу беше им одређена до времена и до рока.
13 Ary mbola nahita tamin’ ny fahitana tamin’ ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak’ olona avy tamin’ ny rahon’ ny lanitra, ary nankeo amin’ ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany.
Видех у утварама ноћним, и гле, као Син човечији иђаше са облацима небеским, и дође до старца и стаде пред Њим.
14 Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.
И даде Му се власт и слава и царство да Му служе сви народи и племена и језици; власт је Његова власт вечна, која неће проћи, и царство се Његово неће расути.
15 Izaho Daniela nalahelo tam-panahy, ary ny fahitan’ ny lohako naharaiki-tahotra ahy.
Мени Данилу пренеможе дух мој у телу мом, и утваре главе моје узнемирише ме.
16 Dia nanakaiky ilay anankiray tamin’ izay nitsangana teo aho ka nanontany azy ny fototr’ izany rehetra izany. Dia nambarany tamiko, ka nampahafantariny ahy ny hevitry ny zavatra.
Приступих к једном од оних који стајаху онде, и замолих га за истину од свега тога. И проговори ми и каза ми шта то значи:
17 Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin’ ny tany.
Ове четири велике звери јесу четири цара, који ће настати на земљи.
18 Nefa ny olo-masin’ ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo.
Али ће свеци Вишњег преузети царство, и држаће царство на век и довека.
19 Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin’ ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ ny tongony;
Тада зажелех знати истину о четвртој звери, која се разликоваше од свих и беше врло страшна, и имаше зубе гвоздене и нокте бронзане, и јеђаше и сатираше, а остатак ногама гажаше,
20 ary ny amin’ ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.
И о десет рогова шта јој беху на глави, и о другом који израсте и три отпадоше пред њим, о рогу који имаше очи и уста која говораху велике ствари и беше по виђењу већи од других.
21 Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masìna ka naharesy azy,
Гледах, и тај рог војеваше са свецима и надвлађиваше их,
22 ambara-pihavin’ ny Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin’ ny Avo Indrindra; ary tonga ny fotoana nahazoan’ ny olo-masìna ny fanjakana.
Докле дође старац, и даде се суд свецима Вишњег, и приспе време да свеци преузму царство.
23 Izao no nolazainy: Ilay fahefatra amin’ ny biby dia fanjakana fahefatra etỳ ambonin’ ny tany, izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra sady handrava ny tany rehetra ary hanosihosy sy hanorotoro azy.
Овако рече: Четврта звер биће четврто царство на земљи, које ће се разликовати од свих царстава, и изјешће сву земљу и погазити и сатрти.
24 Ary ny tandroka folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin’ izany fanjakana izany; ary hisy iray koa hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary handresy mpanjaka telo.
И десет рогова јесу десет царева, који ће настати из тог царства, а после њих настаће други, и он ће се разликовати од пређашњих, и покориће три цара.
25 Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin’ ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr’ andro iray sy ny fetr’ andro roa ary ny antsasaky ny fetr’ andro.
И говориће речи на Вишњег, и потираће свеце Вишњег, и помишљаће да промени времена и законе; и даће му се у руке за време и за времена и за по времена.
26 Fa hipetraka ny Mpitsara, ary hesorina ny fanapahany, ka horavana sy hosimbana hatramin’ ny farany izy.
Потом ће сести суд, и узеће му се власт, те ће се истребити и затрти сасвим.
27 Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan’ ny fanjakana eny ambanin’ ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin’ ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.
А царство и власт и величанство царско под свим небом даће се народу светаца Вишњег; Његово ће царство бити вечно царство, и све ће власти Њему служити и слушати Га.
28 Hatramin’ izao no faran’ izany zavatra izany. Ny amiko, izaho Daniela, dia naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko, nefa notehiriziko tao am-poko ihany izany zavatra izany.
Овде је крај овој речи. А мене, Данила врло узнемирише мисли моје, и лице ми се све промени; али реч сачувах у срцу свом.

< Daniela 7 >