< Daniela 4 >

1 Nebokadnezara mpanjaka nampitondra teny ho any amin’ ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra, izay monina amin’ ny tany rehetra, nanao hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.
Daga sarki Nebukadnezzar. Zuwa ga mutane da al’ummai da kuma kowane yare, da suke zama a duniya. Salama mai yawa ta tabbata a gare ku!
2 Sitrako ny hanambara ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon’ Andriamanitra Avo Indrindra tamiko.
Ina murna in shaida muku game da alamu da al’ajabai waɗanda Allah Mafi Ɗaukaka ya yi ta wurina.
3 Akory ny halehiben’ ny famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby.
Alamunsa da girma suke,
4 Izaho Nebokadnezara niadana tao an-tranoko ary faly finaritra tao an-dapako.
Ni, Nebukadnezzar, ina zaune a gidana cikin fadata, ina jin daɗi ina bunkasa.
5 Nanonofy zavatra nahatahotra aho ka nieritreritra teo am-pandriako, ary ny fahitan’ ny lohako dia naharaiki-tahotra ahy.
Na yi mafarkin da ya ba ni tsoro. A sa’ad da nake kwance a gadona, siffofi da wahayoyi da suka bi ta cikin tunanina sun firgita ni.
6 Ka dia nandidy aho mba ho entina eo anatrehako ny olon-kendrin’ i Babylona rehetra hilaza amiko ny hevitry ny nofy.
Don haka na ba da umarni a tattaro dukan masu hikima na Babilon su bayyana a gabana domin su fassara mini mafarkin.
7 Dia niditra ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro; ary nambarako teo anatrehany ny nofy, kanjo tsy nahalaza ny heviny tamiko ireny.
Sa’ad da masu sihiri, da masu dabo, da masanan taurari da masu duba suka zo, na faɗa musu mafarkin, amma ba su iya fassarta mini mafarkin ba.
8 Fa nony farany dia niditra teo anatrehako kosa Daniela, izay atao hoe Beltesazara, araka ny anaran’ andriamanitro, sady misy fanahin’ ireo andriamanitra masìna ao anatiny; ary ny nofy dia nambarako teo anatrehany hoe:
A ƙarshe, sai Daniyel ya zo gabana na kuma faɗa masa mafarkin. (Ana ce da shi Belteshazar, wanda aka ba shi sunan allahna kuma ruhun alloli masu tsarki suna a bisansa.)
9 Ry Beltesazara, lehiben’ ny ombiasy, fantatro fa misy fanahin’ ireo andriamanitra masìna ao anatinao, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao, koa ambarao ahy ny fahitana izay hitako tamin’ ny nofy mbamin’ ny heviny.
Na ce, “Belteshazar, shugaban masu sihiri, na san ruhun alloli suna a kanka, babu wani asirin da zai fi ƙarfin ganewarka. Ga dai mafarkin da na yi, sai ka fassara mini.
10 Fa izao no fahitan’ ny lohako teo am-pandriako: Nijery aho, ka, indro, nisy hazo teo afovoan’ ny tany, ary fatratra ny hahavony.
Waɗannan su ne wahayin da na gani a lokacin da nake kwance a gadona, na duba, a gabana kuwa ga wani itace a kafe a tsakiyar duniya, yana da tsawo ƙwarai.
11 Nihalehibe sy nihahery io hazo io, ary ny hahavony nipaka tamin’ ny lanitra, ary ny fijery azy dia hatrany amin’ ny faran’ ny tany rehetra.
Itacen ya yi girma ya kuma yi ƙarfi, har tsayinsa ya taɓa sarari sama; ana iya ganinsa a ko’ina a duniya.
12 Tsara tarehy ny raviny, ary betsaka ny voany, sady teo aminy no nisy hanina ho an’ ny rehetra; teny ambaniny no nialokalofan’ ny bibidia, ary teny amin’ ny sampany no nitoeran’ ny voro-manidina, ary ny nofo rehetra nahazo hanina avy aminy.
Ganyayensa suna da kyau, yana da’ya’ya jingim, abinci kuma domin kowa da kowa. A ƙarƙashinsa namun jeji suke samun wurin hutawa, kuma tsuntsayen sama suna zaune a bisa rassansa; daga cikinsa kowace halitta take cin abinci.
13 Nijery tamin’ ny fahitan’ ny lohako teo am-pandriako aho, ka, indro, nisy mpiambina masìna anankiray nidina avy tany an-danitra.
“A cikin wahayin da gani sa’ad da nake kwance a kan gadona, Na duba, a gabana kuwa ga wani ɗan saƙo, mai tsarki, yana saukowa daga sama.
14 Niantso mafy izy ka nanao hoe: Kapao io hazo io, dia rantsano; ahintsano ny raviny, ary aelezo ny voany; aoka ny biby hipariaka avy eo ambaniny, ary ny vorona hiboridana avy eny amin’ ny rantsany.
Sai ya yi kira da babbar murya ya ce, ‘A sare itacen a kuma yayyanka rassansa; a karkaɗe ganyensa a kuma warwatsar da’ya’yansa. Bari dabbobi su tashi daga ƙarƙashinsa da kuma tsuntsayen da suke a rassansa.
15 Nefa avelao amin’ ny tany ao amin’ ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, ka asio fehy vy sy varahina; ary aoka ho kotsan’ ny andon’ ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho amin’ ny biby any amin’ ny ahitra amin’ ny tany;
Amma a bar kututturen da kuma saiwoyinsa, a daure shi da ƙarfe da kuma tagulla, a bar shi a cikin ƙasa, a cikin ciyayin filaye. “‘Bari yă jiƙu da raɓar, bari yă zauna cikin dabbobi tare da tsire-tsiren duniya.
16 aoka hovana ny fony tsy ho fon’ olombelona, ary aoka ho fom-biby no ho ao aminy; ary aoka ho fetr’ andro fito no holanina aminy.
Bari a canja tunaninsa irin na mutane a ba shi tunani irin na dabbobi, har sau bakwai su wuce a kansa.
17 Didin’ ny mpiambina izany zavatra izany; eny, avy amin’ ny tendrin’ ireo masìna izany zavatra izany, hahafantaran’ ny velona fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny olona ka manome izany ho an’ izay tiany, ary olona ambany toetra no ampanapahiny azy.
“‘An sanar da wannan matsayi ne ta bakin’yan saƙo, masu tsarki ne kuwa suka sanar da hukuncin, domin masu rai su sani Mafi Ɗaukaka ne mai iko duka a bisa kowane mulkin mutane, yakan kuma ba wa duk wanda ya ga dama, yakan sanya talaka yă zama sarki.’
18 Izany no nofy izay hitako, izaho Nebokadnezara. Ary ianao kosa, ry Beltesazara, milazà ny heviny, fa ny olon-kendry rehetra amin’ ny fanjakako tsy nisy nahay nampahafantatra ahy ny hevitr’ izany; fa ianao no mahay azy, satria misy fanahin’ ireo andriamanitra masìna no anatinao.
“Wannan shi ne mafarkin da ni, Nebukadnezzar, na yi. Yanzu Belteshazar, sai ka faɗa mini abin da yake nufi, domin babu wani a cikin masu hikima a mulkina da ya iya fassara mini shi. Amma za ka iya, domin ruhun alloli masu tsarki yana a bisanka.”
19 Dia gaga vetivety Daniela, izay atao hoe Beltesazara, ary ny eritreriny naharaiki-tahotra azy. Ary niteny ny mpanjaka nanao hoe: Ry Beltesazara ô, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny nofy na ny heviny. Beltesazara namaly ka nanao hoe: Tompokolahy ô, ny nofy anie ho an’ izay mankahala anao, ary ny heviny ho an’ izay fahavalonao.
Sai Daniyel (wanda ake kira Belteshazar) ya tsaya zugum na ɗan lokaci, tunaninsa ya ba shi tsoro. Saboda haka sarki ya ce, “Belteshazar, kada ka bar mafarkin ko ma’anarsa ta tayar maka da hankali.” Belteshazar ya amsa ya ce, “Ranka yă daɗe, in dai har mafarkin zai tsaya a kan abokan gābanka da ma’anarsa kuma ta faɗa kan maƙiyan!
20 Io hazo hitanao io, dia ilay nihalehibe sy nihahery, ka ny hahavony nipaka tamin’ ny lanitra, ary ny fijery azy hatramin’ ny tany rehetra,
Itacen da ka gani; wanda ya yi girma da ƙarfe, da tsayinsa ya taɓa sararin sama, wanda ana ganinsa ko’ina a duniya,
21 ny raviny dia tsara tarehy, sady betsaka ny voany, ary teo aminy nisy hanina ho an’ ny rehetra, teny ambaniny no nitoeran’ ny bibi-dia, ary teny amin’ ny rantsany no nitoeran’ ny voro-manidina,
wanda ganyayensa masu kyau ne yana da’ya’yan itace da yawa, wanda yake ba da abinci ga duka, yana ba da wurin hutu ga namun jeji, kuma rassansa suna ɗauke da sheƙar tsuntsayen sama.
22 ianao indrindra izany, ry mpanjaka ô; ianao dia nihalehibe sy nihahery; fa ny halehibiazanao efa nitombo ka mipaka amin’ ny lanitra, ary ny fanapahanao hatramin’ ny faran’ ny tany.
Ya sarki kai ne itacen nan! Ka yi girma da ƙarfi; girmanka kuma ta kai har sama, mulkinka kuma ya kai ko’ina a duniya.
23 Ary ny nahitan’ ny mpanjaka ny mpiambina masìna anankiray nidina avy tany an-danitra nanao hoe: Kapao io hazo io, ary simbao; nefa avelao amin’ ny tany ao amin’ ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan’ ny andon’ ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin’ ny bibi-dia, ambara-pahalanin’ ny fetr’ andro fito aminy,
“Ya sarki ka ga ɗan saƙon mai tsarkin nan, yana saukowa daga sama yana cewa, ‘A sare itacen a hallaka shi, amma a bar kututturensa daure da ƙarfe da tagulla, a bar shi can a ɗanyar ciyawar filaye, ya jiƙe da raɓa, ya zauna tare da namun jeji har shekara bakwai.’
24 izao no heviny, ry mpanjaka, ary izao no tendrin’ ny Avo Indrindra, izay mihatra amin’ itompokolahy mpanjaka:
“Ga fassarar, ya sarki, wannan ita ce doka wadda Mafi Ɗaukaka ya bayar a kan ranka yă daɗe, sarkina.
25 Horoahina hiala amin’ ny olona ianao, ary ny fonenanao ho any amin’ ny bibi-dia ary hampihinanina ahitra toy ny omby ianao ary ho kotsan’ ny andon’ ny lanitra, ary fetr’ andro fito no holanina aminao, ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny olona ka manome izany ho an’ izay tiany.
Za a kore ka daga cikin mutane, za ka kuma zauna cikin namun jeji; za ka ci ciyawa kamar shanu, za ka jiƙe da raɓa har shekara bakwai cif sa’an nan za ka sani cewa Mafi Ɗaukaka ne mai iko duka a kan dukan mulkoki a duniya, yake kuma ba da mulki ga duk wanda ya ga dama.
26 Ary ny nasainy namelana ny fotony: ny fanjakanao mbola hampodina ho anao tokoa, rehefa fantatrao fa ny lanitra no manapaka.
Umarni na barin kututturen itacen da saiwoyinsa yana nufin cewa za a maido maka da mulkinka a lokacin da ka gane cewa Mai sama ne yake mulki.
27 Koa aoka hankasitrahanao ny anatro, ry mpanjaka, ka dia ny fahamarinana no ento mampitsahatra ny fahotanao, ary ny fiantrana ny mahantra no ento mampitsahatra ny helokao, fandrao mba hampaharetina ahay ny fiadananao.
Saboda haka, ya sarki, ina roƙonka ka karɓi shawarar da zan ba ka; ka furta zunubanka ta wurin yin abin da yake daidai. Ka bar muguntarka, ka aikata alheri ga waɗanda ake wulaƙantawa, wataƙila za a ƙara tsawon kwanakinka da salama.”
28 Izany rehetra izany no nanjo an’ i Nebokadnezara mpanjaka.
Duk wannan kuwa ya faru da sarki Nebukadnezzar.
29 Ary nony afaka roa ambin’ ny folo volana, dia nitsangantsangana teo an-tampon’ ny tranony tao Babylona izy.
Bayan wata goma sha biyu, a sa’ad da sarki yake takawa a bisan saman ɗakin fadar Babilon,
30 Ary ny mpanjaka niteny ka nanao hoe: Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan’ ny fanjakana tamin’ ny haben’ ny heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako?
sai ya ce, “Ba wannan ita ce Babilon babba da na gina domin wurin zaman sarautar Babilon, da ikona kuma domin ɗaukakar darajata ba?”
31 Raha mbola teo am-bavan’ ny mpanjaka ihany ny teny, dia nisy feo latsaka avy tany an-danitra nanao hoe: Ry Nebokadnezara mpanjaka, ianao indrindra no anaovana hoe: Ny fanjakana niala taminao.
Tun kalmomin suna cikin bakinsa sai ya ji murya daga sama tana cewa, “Wannan shi ne abin da aka zartar a kanka, Sarki Nebukadnezzar. An karɓe ikon mulkinka.
32 Fa horoahina hiala amin’ ny olona ianao, ka ho any amin’ ny bibi-dia ny fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby ianao, ary fetr’ andro fito no holanina aminao ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny olona ka manome izany ho an’ izay tiany.
Za a kore ka daga cikin mutane za ka kuma yi rayuwa tare da namun jeji. Za ka ci ciyawa kamar sa har shekara bakwai cif, sa’an nan za ka gane Mafi Ɗaukaka ne mai iko duka a kan dukan mulkoki a duniya, yake kuma ba da mulki ga duk wanda ya ga dama.”
33 Tamin’ izay indrindra no nahatanterahan’ izany tamin’ i Nebokadnezara; fa noroahina niala tamin’ ny olona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary ny tenany dia kotsan’ ny andon’ ny lanitra ambara-panirin’ ny volony ho toy ny an’ ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an’ ny vorona.
Nan da nan abin da aka faɗa a kan Nebukadnezzar tabbatarsa ya cika. Aka kore shi daga cikin mutane ya kuma shiga cin ciyawa kamar shanu. Jikinsa ya jiƙe da raɓa, har gashinsa ya yi tsawo kamar fikafikan gaggafa, kumbarsa kuma suka yi tsawo kamar na tsuntsu.
34 Ary rehefa tapitra ny andro, izaho Nebokadnezara nanandrandra ny masoko tamin’ ny lanitra, ary nody tamiko indray ny saiko, ka dia nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy nankalaza Izay velona mandrakizay, ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ary ny fanjakany hahatratra ny taranaka fara mandimby;
A ƙarshen waɗannan kwanaki, ni, Nebukadnezzar, na ɗaga idanuna sama, sai hankalina ya komo mini. Na kuwa yabi Maɗaukaki, na girmama shi, na ɗaukaka shi wanda yake rayayye har abada.
35 ary ny mponina rehetra etỳ an-tany hatao tsinontsinona; ary manao izay sitrapony amin’ ireo maro be any an-danitra sy amin’ ny mponina etỳ an-tany Izy; ary tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe: Inona no ataonao?
Dukan mutanen duniya
36 Tamin’ izay dia nody tamiko ny saiko, ary nody tamiko koa ny fahalehibiazako sy ny voninahitro ho tabihan’ ny fanjakako, ary ny mpanolotsaiko sy ny andriandahiko nikatsaka ahy, ka nampitoerina teo amin’ ny fanjakako aho, sady nanampy ho ahy ny fahalehibiazana malaza.
A lokacin nan hankalina ya komo mini, sai aka mayar mini da masarautata mai daraja, da martabata, da girmana.’Yan majalisata da fadawana suka nemo ni. Aka maido ni kan gadon sarautata da daraja fiye da ta dā.
37 Koa amin’ izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan’ ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin’ ny fiavonavonana dia hainy aetry.
Yanzu ni, Nebukadnezzar, ina yabon Sarkin sama, ina waƙa ina kuma darjanta shi, saboda dukan abin da ya yi mini, mai kyau ne kuma dukan hanyoyinsa gaskiya ne. Kuma duk masu tafiya da girman kai zai ƙasƙantar da su.

< Daniela 4 >