< Daniela 3 >

1 Nebokadnezara mpanjaka nanao sariolona volamena, enim-polo hakiho ny hahavony, ary enina hakiho ny sakany; dia natsangany teo amin’ ny tany lemaka Dora tamin’ ny fehin’ i Babylona izany.
Nebuchadnezzar the king made an image of gold, whose height was eighty-eight feet seven inches, and its breadth eight feet ten inches: he set it up in the plain of Dura, in the province of Babylon.
2 Ary Nebokadnezara mpanjaka naniraka nampamory ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony mba hanamasina ilay sariolona efa natsangan’ i Nebokadnezara mpanjaka.
Then Nebuchadnezzar the king sent to gather together the satraps, the prefects, and the governors, the judges, the treasurers, the counselors, the magistrates, and all the rulers of the provinces, to come to the dedication of the image which Nebuchadnezzar the king had set up.
3 Dia nivory hanamasina ny sariolona izay efa natsangan’ i Nebokadnezara mpanjakan’ ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony, ka dia nitsangana tandrifin’ ny sariolona izay efa natsangan’ i Nebokadnezara ireo.
Then the satraps, the prefects, and the governors, the judges, the treasurers, the counselors, the magistrates, and all the rulers of the provinces, were gathered together to the dedication of the image that Nebuchadnezzar the king had set up; and they stood before the image that Nebuchadnezzar had set up.
4 Ary dia nisy mpikabary niantso mafy hoe: Izao no lazaina aminareo, ry fokom-pirenena, ry firenena sy samy hafa fiteny:
Then the herald cried aloud, "To you it is commanded, peoples, nations, and languages,
5 Rehefa mandre ny fanenon’ ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin’ ny sariolona volamena izay efa natsangan’ i Nebokadnezara mpanjaka,
that whenever you hear the sound of the horn, flute, zither, lyre, harp, pipe, and all kinds of music, you fall down and worship the golden image that Nebuchadnezzar the king has set up;
6 ary na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy miaraka amin’ izay ho ao anatin’ ny lafaoro misy afo mirehitra.
and whoever doesn't fall down and worship shall the same hour be cast into the midst of a burning fiery furnace."
7 Koa tamin’ ny fotoana nandrenesan’ ny fokom-pirenena rehetra ny fanenon’ ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha ary ny zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin’ ny sariolona volamena izay efa natsangan’ i Nebokadnezara mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra.
Therefore at that time, when all the peoples heard the sound of the horn, flute, zither, lyre, harp, pipe, and all kinds of music, all the peoples, the nations, and the languages, fell down and worshiped the golden image that Nebuchadnezzar the king had set up.
8 Ary tamin’ izay dia nisy Kaldeana sasany nanatona ka niampanga ny Jiosy.
Therefore at that time certain Chaldeans came near, and brought accusation against the Jews.
9 Dia niteny izy ka nanao tamin’ i Nebokadnezara mpanjaka hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
They answered Nebuchadnezzar the king, "O king, live for ever.
10 Ry mpanjaka ô, ianao efa nanao lalàna fa ny olona rehetra izay mandre ny fanenon’ ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany dia hiankohoka hivavaka amin’ ny sariolona volamena;
You, O king, have made a decree, that every man that shall hear the sound of the horn, flute, zither, lyre, harp, pipe, and all kinds of music, shall fall down and worship the golden image;
11 fa izay tsy miankohoka sy tsy mivavaka kosa dia hatsipy ao anatin’ ny lafaoro misy afo mirehitra.
and whoever doesn't fall down and worship shall be cast into the midst of a burning fiery furnace.
12 Koa misy Jiosy izay nataonao ho tonian’ ny raharaha amin’ i Babylona sy ny fehiny, dia Sadraka sy Mesaka ary Abednego; ireo lehilahy ireo tsy mba manaiky ny teninao akory, ry mpanjaka ô: tsy mba manompo ny andriamanitrao izy, na mivavaka amin’ ny sariolona volamena izay efa natsanganao.
There are certain Jews whom you have appointed over the affairs of the province of Babylon: Shadrach, Meshach, and Abednego. These men, O king, have not regarded you: they do not serve your gods, nor worship the golden image which you have set up."
13 Dia niteny tamin’ ny fahavinirana sy ny fahatezerana Nebokadnezara, ka nasainy nalaina Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nentiny teo anatrehan’ ny mpanjaka ireo lehilahy ireo.
Then Nebuchadnezzar in his rage and fury commanded to bring Shadrach, Meshach, and Abednego. Then they brought these men before the king.
14 Dia niteny Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin’ ny sariolona volamena izay natsangako?
Nebuchadnezzar answered them, "Is it on purpose, Shadrach, Meshach, and Abednego, that you do not serve my god, nor worship the golden image which I have set up?
15 Ankehitriny raha miomana ianareo amin’ izay handrenesanareo ny fanenon’ ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin’ ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin’ izay ho ao anatin’ ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ ny tanako izany?
Now if you are ready whenever you hear the sound of the horn, flute, zither, lyre, harp, pipe, and all kinds of music to fall down and worship the image which I have made, well: but if you do not worship, you shall be cast the same hour into the midst of a burning fiery furnace; and who is that god that shall deliver you out of my hands?"
16 Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin’ izany zavatra izany.
Shadrach, Meshach, and Abednego answered the king, "Nebuchadnezzar, we have no need to answer you in this matter.
17 Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ ny tananao, ry mpanjaka ô.
If it be so, our God whom we serve is able to deliver us from the burning fiery furnace; and he will deliver us out of your hand, O king.
18 Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.
But if not, be it known to you, O king, that we will not serve your gods, nor worship the golden image which you have set up."
19 Dia feno fahatezerana Nebokadnezara, ka niova ny tarehiny tamin’ i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia nasainy nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro.
Then was Nebuchadnezzar full of fury, and the expression of his face was changed against Shadrach, Meshach, and Abednego. Therefore he spoke, and commanded that they should heat the furnace seven times more than it was usually heated.
20 Ary izay lehilahy matanjaka indrindra tamin’ ny miaramilany no nasainy namatotra an’ i Sadraka sy Mesaka ary Abednego sy nanipy azy tao anatin’ ny lafaoro nisy afo mirehitra.
He commanded certain mighty men who were in his army to bind Shadrach, Meshach, and Abednego, and to cast them into the burning fiery furnace.
21 Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny kapitiny mbamin’ ny fitafiany hafa koa, ka dia natsipy teo anatin’ ny lafaoro nisy afo mirehitra izy;
Then these men were bound in their cloaks, trousers, their turbans, and their other garments, and were cast into the midst of the burning fiery furnace.
22 ary satria mafy ny tenin’ ny mpanjaka, ka natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin’ ny lelafo ireny lehilahy izay nanipy an’ i Sadraka sy Mesaka sy Abednego.
Therefore because the king's commandment was urgent, and the furnace exceeding hot, the flame of the fire killed those men who took up Shadrach, Meshach, and Abednego.
23 Ary izy telo lahy ireo, Sadraka sy Mesaka sy Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin’ ny lafaoro nisy afo mirehitra.
These three men, Shadrach, Meshach, and Abednego, fell down bound into the midst of the burning fiery furnace.
24 Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin’ ny mpanolo-tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin’ ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô.
Then Nebuchadnezzar the king was astonished, and rose up quickly. He spoke and said to his ministers, "Did we not cast three men bound into the midst of the fire?" They answered the king, "True, O king."
25 Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak’ ireo andriamanitra.
He answered, "Look, I see four men loose, walking in the midst of the fire, and they are unharmed; and the aspect of the fourth is like a son of the gods."
26 Dia nanatona ny varavaran’ ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon’ Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atỳ. Dia nivoaka avy teo anatin’ ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego.
Then Nebuchadnezzar came near to the mouth of the burning fiery furnace. He spoke and said, "Shadrach, Meshach, and Abednego, you servants of the Most High God, come forth, and come here." Then Shadrach, Meshach, and Abednego came forth out of the midst of the fire.
27 Dia nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain’ ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin’ ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon’ afo akory taminy.
The satraps, the prefects, and the governors, and the king's ministers, being gathered together, saw these men, that the fire had no power on their bodies, nor was the hair of their head singed, neither were their trousers changed, nor had the smell of fire passed on them.
28 Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr’ i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin’ ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin’ izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany.
Nebuchadnezzar spoke and said, "Blessed be the God of Shadrach, Meshach, and Abednego, who has sent his angel, and delivered his servants who trusted in him, and have changed the king's word, and have yielded their bodies, that they might not serve nor worship any god, except their own God.
29 Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin’ Andriamanitr’ i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.
Therefore I make a decree, that every people, nation, and language, which speak anything evil against the God of Shadrach, Meshach, and Abednego, shall be cut in pieces, and their houses shall be reduced to rubble; because there is no other god who is able to deliver in this way."
30 Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin’ i Babylona sy ny fehiny.
Then the king promoted Shadrach, Meshach, and Abednego in the province of Babylon.

< Daniela 3 >