< Daniela 2 >

1 Ary tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Nebokadnezara dia nanonofy Nebokadnezara, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita torimaso izy.
Ngomnyaka wesibili wokubusa kukaNebhukadinezari, uNebhukadinezari waphupha amaphupho; umoya wakhe wasukhathazeka, lobuthongo bakhe basuka kuye.
2 Dia nasain’ ny mpanjaka nantsoina ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny mpanana ody ary ny Kaldeana hilaza amin’ ny mpanjaka ny nofiny. Dia tonga ireny ka nitsangana teo anatrehan’ ny mpanjaka.
Inkosi yasisithi kubizwe izanuse lezangoma labavumisayo lamaKhaladiya, ukuze batshengise inkosi amaphupho ayo. Beza-ke, bema phambi kwenkosi.
3 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nanonofy aho, ka mitebiteby ta-hahalala ny nofy ny fanahiko.
Inkosi yasisithi kubo: Ngiphuphe iphupho; umoya wami wasukhathazeka ukulazi iphupho.
4 Dia niteny tamin’ ny mpanjaka amin’ ny teny Aramiana ireny Kaldeana ireny ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, ambarao aminay mpanomponao ny nofy, dia holazainay ny heviny.
AmaKhaladiya asekhuluma enkosini ngesiAramu: Nkosi, phila kuze kube nininini! Tshela inceku zakho iphupho, thina sizatshengisa ingcazelo.
5 Dia namaly ny mpanjaka ka nanao tamin’ ireny Kaldeana ireny hoe: Efa niloa-bava aho; raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny, dia hotetitetehina ianareo, ary ny tranonareo hatao trano fivoahana.
Inkosi yaphendula yathi kumaKhaladiya: Into isisukile kimi; uba lingayikungazisa iphupho lengcazelo yalo, lizakwenziwa iziqa, lezindlu zenu zenziwe inqumbi yomquba.
6 Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be; koa ambarao ahy ny nofy mbamin’ ny heviny.
Kodwa uba litshengisa iphupho lengcazelo yalo, lizakwemukela kimi izipho lomvuzo lodumo olukhulu. Ngakho ngitshengisani iphupho lengcazelo yalo.
7 Dia namaly indray ireo ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka hilaza ny nofy aminay mpanompony, dia hambaranay ny heviny.
Baphendula okwesibili bathi: Inkosi kayitshele inceku zayo iphupho, thina sizabonisa ingcazelo yalo.
8 Fa ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Fantatro marimarina fa mandany andro foana ianareo, satria hitanareo fa efa niloa-bava aho.
Inkosi yaphendula yathi: Mina ngiyazi isibili ukuthi lithenga isikhathi, ngoba liyabona ukuthi into isukile kimi.
9 Fa raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy, dia lalàna iray monja no hitondrana anareo; fa ianareo miray tetika hilaza teny lainga sy arirarira foana eto anatrehako mandra-pahatongan’ izay andro mahamety; koa ambarao ahy ny nofy, dia ho fantatro fa mahalaza ny heviny amiko koa ianareo.
Kodwa uba lingangazisi iphupho, kulesimiso esisodwa ngani; ngoba livumelene ukukhuluma ilizwi lamanga elikhohlakeleyo phambi kwami, kuze kuguquke isikhathi. Ngakho ngitshelani iphupho, besengisazi ukuthi lingangitshela ingcazelo yalo.
10 Ny Kaldeana namaly teo anatrehan’ ny mpanjaka hoe: Tsy misy olona etỳ ambonin’ ny tany mahay milaza izany nofin’ ny mpanjaka izany; fa tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nila zavatra toy izany tamin’ ny ombiasy sy ny mpisikidy ary ny Kaldeana.
AmaKhaladiya aphendula phambi kwenkosi, athi: Kakulamuntu emhlabeni olakho ukutshengisa udaba lwenkosi; ngakho kayikho inkosi enkulu kumbe umbusi owake wabuza into enje kuloba yisiphi isanuse kumbe isangoma kumbe umKhaladiya.
11 Ary sarotra ny zavatra anontanian’ ny mpanjaka, ka tsy misy mahay milaza izany eo anatrehan’ ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, izay tsy manam-ponenana amin’ ny nofo.
Futhi kuyinto enzima inkosi eyibuzayo, njalo kakho omunye ongayibonisa phambi kwenkosi, ngaphandle kwabonkulunkulu, okuhlala kwabo kakukho kwabasenyameni.
12 Dia vinitra sady tezitra indrindra ny mpanjaka noho izany, ka nasainy naringana ny olon-kendrin’ i Babylona rehetra.
Ngenxa yalokhu inkosi yaba lolaka yathukuthela kakhulu, yalaya ukuthi kubhujiswe bonke abahlakaniphileyo beBhabhiloni.
13 Ary navoaka ny didy nampamono ny olon-kendry; ary Daniela sy ny namany koa mba notadiaviny hovonoina.
Kwasekuphuma isimiso, ukuthi abahlakaniphileyo babulawe; basebedinga uDaniyeli labangane bakhe ukuthi babulawe.
14 Dia novalian’ i Daniela tamin’ ny fanahy sy ny fahendrena Arioka lehiben’ ny mpiambina ny mpanjaka, izay nivoaka hamono ny olon-kendrin’ i Babylona;
Lapho uDaniyeli wabuyisela icebo lokuqonda kuAriyoki induna yabalindi benkosi, owayephumele ukubulala abahlakaniphileyo beBhabhiloni.
15 eny, namaly izy ka nanao tamin’ i Arioka, lehibe voatendrin’ ny mpanjaka, hoe: Nahoana no dia mafy toy izany ny teny avy amin’ ny mpanjaka? Dia nambaran’ i Arioka tamin’ i Daniela ilay teny.
Waphendula wathi kuAriyoki induna yenkosi: Kungani isimiso singesesiphangiphangi esivela enkosini? Lapho uAriyoki wamazisa uDaniyeli indaba.
16 Dia niditra Daniela ka nangataka tamin’ ny mpanjaka hanome andro azy, dia holazainy amin’ ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
UDaniyeli wasengena, wacela enkosini ukuthi imnike isikhathi sokuthi ayitshengise inkosi ingcazelo.
17 Ary Daniela nody tany an-tranony ka nanambara ilay teny tamin’ i Hanania sy Misaela ary Azaria namany,
UDaniyeli wasesiya endlini yakhe, wabazisa oHananiya, uMishayeli, loAzariya, abangane bakhe, loludaba;
18 mba hangatahan’ ireo famindram-po amin’ Andriamanitry ny lanitra ny amin’ izany zava-miafina izany, mba tsy haringana Daniela sy ny namany mbamin’ ny olon-kendrin’ i Babylona rehetra.
ukuze bacele izihawu kuNkulunkulu wezulu ngalimfihlakalo; ukuze bangabhubhi oDaniyeli labangane bakhe kanye labanye abahlakaniphileyo beBhabhiloni.
19 Dia naseho an’ i Daniela tamin’ ny fahitana amin’ ny alina izany zava-miafina izany, ka dia nisaotra an’ Andriamanitry ny lanitra Daniela.
Lapho imfihlakalo yembulelwa uDaniyeli embonweni wobusuku. UDaniyeli wasemdumisa uNkulunkulu wamazulu.
20 Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran’ Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery.
UDaniyeli waphendula wathi: Kalidunyiswe ibizo likaNkulunkulu kusukela phakade kuze kube phakade, ngoba inhlakanipho lamandla kungokwakhe.
21 Ary Izy no mandahatra ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an’ ny hendry sy fahalalana ho an’ izay mazava saina.
Ngoba uyaguqula izikhathi lezikhathi ezimisiweyo, uyasusa amakhosi, amise amakhosi, upha inhlakanipho kwabahlakaniphileyo, lolwazi kulabo abazi ukuqedisisa.
22 Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin’ ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy.
Uyembula okujulileyo lokufihlakeleyo, uyakwazi okusemnyameni, lokukhanya kuhlala kanye laye.
23 Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao; fa nampahafantarinao anay ilay nofin’ i ny mpanjaka.
Ngiyakubonga ngikudumise, wena Nkulunkulu wabobaba, ongiphe inhlakanipho lamandla, ongazise khathesi lokho esikucelileyo kuwe, ngoba usazisile udaba lwenkosi.
24 Ary noho izany Daniela dia niditra nankao amin’ i Arioka, izay notendren’ ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin’ i Babylona, eny, nandeha izy ka nanao taminy hoe: Aza mandringana ny olon-kendrin’ i Babylona; fa ento ho eo anatrehan’ ny mpanjaka aho, dia hambarako aminy ny hevitry ny nofiny.
Ngakho uDaniyeli wangena kuAriyoki, inkosi eyayimmisele ukuthi abhubhise abahlakaniphileyo beBhabhiloni; wahamba, wakhuluma kanje kuye: Ungabhubhisi abahlakaniphileyo beBhabhiloni; ngingenisa phambi kwenkosi, mina ngizayitshengisa inkosi ingcazelo.
25 Dia nentin’ i Arioka faingana ho eo anatrehan’ ny mpanjaka Daniela, ka hoy izy taminy: Nahita lehilahy isan’ ny babo avy any Joda aho, izay hilaza amin’ ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
Lapho uAriyoki wangenisa uDaniyeli phambi kwenkosi ngokuphangisa, watsho njalo kuyo: Ngithole indoda kwabathunjiweyo bakoJuda, ezakwazisa inkosi ingcazelo.
26 Ny mpanjaka namaly ka nilaza tamin’ i Daniela, izay atao hoe koa Beltesazara, hoe: Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin’ ny heviny va ianao?
Inkosi yaphendula yathi kuDaniyeli, obizo lakhe lalinguBeliteshazari: Ulakho yini ukungazisa iphupho engilibonileyo, lengcazelo yalo?
27 Dia namaly teo anatrehan’ ny mpanjaka Daniela nanao hoe: Ilay zava-miafina nanontanian’ ny mpanjaka dia tsy hain’ ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro, nolazaina tamin’ ny mpanjaka;
UDaniyeli waphendula phambi kwenkosi, wathi: Imfihlakalo inkosi eyibuzayo, abahlakaniphileyo, izangoma, izanuse, abalumbi bangeyibonise inkosi.
28 kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an’ i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan’ ny lohanao teo amin’ ny farafaranao dia izao:
Kodwa ukhona uNkulunkulu emazulwini owembula izimfihlakalo, uyitshengisile inkosi uNebhukadinezari okuzakwenzeka ekucineni kwezinsuku; iphupho lakho lemibono yekhanda lakho embhedeni wakho yilokhu:
29 Ny aminao, ry mpanjaka ô, raha nandry ianao, dia tonga ny eritreritrao ny amin’ izay ho avy rahatrizay; ary Izay mampiseho zava-miafina dia mampahafantatra anao izay ho avy.
Wena, nkosi, usembhedeni wakho kwavela imicabango yakho ngalokhu okuzakwenzeka emva kwalokhu; lalowo owembula izimfihlakalo ukwazisile wena lokho okuzakwenzeka.
30 Ary izaho aza, dia tsy noho ny fahendrena ananako mihoatra noho ny olombelona rehetra tsy akory no nampisehoana tamiko ny zava-miafina, fa ny mba hampahafantarana ny mpanjaka ilay hevitra, ka hahafantaranao ny eritreritry ny fonao.
Mayelana lami, limfihlakalo yembulwa kimi hatshi ngenxa yenhlakanipho ephakathi kwami okwedlula bonke abaphilayo, kodwa ukuthi kwaziswe ingcazelo enkosini, lokuthi wazi imicabango yenhliziyo yakho.
31 Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra.
Wena nkosi, wabona, khangela-ke, isithombe esikhulu. Lesisithombe esikhulu, okukhazimula kwaso kwakusedlulisa, sema phambi kwakho; lesimo saso sasisesabeka.
32 Ny lohan’ izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina,
Ikhanda lalesisithombe lalingelegolide elihle, isifuba saso lengalo zaso kwakungokwesiliva, isisu saso lamathangazi aso kwakungokwethusi,
33 ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga.
imilenze yaso yayingeyensimbi, inyawo zaso ingxenye yayingeyensimbi lengxenye yayingeyebumba.
34 Nijery ianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin’ ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy.
Wasubona kwaze kwasikwa ilitshe kungengezandla, elatshaya isithombe ezinyaweni zaso ezensimbi lebumba, lazichoboza.
35 Dia niara-torotoro ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin’ ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.
Kwasekuchotshozwa ndawonye insimbi, ibumba, ithusi, isiliva, legolide, kwaba njengamakhoba amabala okubhulela ehlobo, lomoya wakususa, akwaze kwatholelwa ndawo. Njalo ilitshe elatshaya isithombe laba yintaba enkulu, lagcwalisa umhlaba wonke.
36 Izany no nofy, ary holazainay eto anatrehan’ ny mpanjaka koa ny heviny.
Yilo lelo iphupho; sesizakutsho ingcazelo yalo phambi kwenkosi.
37 Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan’ ny mpanjaka sady nomen’ Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra,
Wena, nkosi, uyinkosi yamakhosi, ngoba uNkulunkulu wamazulu ukunikile umbuso, amandla, lokuqina, lodumo.
38 ka ny zanak’ olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan’ izy rehetra ianao, dia ianao izany loha volamena izany.
Njalo loba kungaphi lapho abantwana babantu abahlezi khona, izinyamazana zeganga lezinyoni zamazulu uzinikele esandleni sakho, wakwenza waba ngumbusi phezu kwazo zonke. Wena uyilelikhanda legolide.
39 Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin’ ny tany rehetra.
Langemva kwakho kuzavela omunye umbuso omncinyane kulowakho, lomunye owesithathu umbuso wethusi, ozabusa emhlabeni wonke.
40 Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin’ ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy.
Lombuso wesine uzaqina njengensimbi; ngoba njengoba insimbi ichoboza yehlisele phansi konke, njalo njengensimbi echoboza konke lokhu, ngokunjalo uzachoboza wephule.
41 Ary satria hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan’ ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao.
Njalo njengoba wabona izinyawo lamazwane, kuyingxenye yebumba lombumbi lengxenye yensimbi, umbuso uzadatshulwa phakathi. Kodwa kuzakuba kuwo okwamandla ensimbi, njengoba wabona insimbi ihlanganiswe lebumba eliludaka.
42 Ary toy ny rantsan-tongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy.
Njengoba amazwane enyawo ayelengxenye yensimbi lengxenye yebumba; umbuso uzakuba lamandla nganxanye, wephuke lula nganxanye.
43 Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin’ ny taranak’ olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan’ ny vy miharo amin’ ny tanimanga.
Njalo njengoba wabona insimbi ihlanganiswe lebumba eliludaka, bazazihlanganisa lenzalo yabantu, kodwa kabayikunamathelana, njengoba insimbi ingahlanganiswa lebumba.
44 Ary amin’ ny andron’ ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’ olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.
Langensuku zalamakhosi uNkulunkulu wamazulu uzamisa umbuso, ongayikuchithwa kuze kube phakade; lombuso kawuyikutshiyelwa abanye abantu; uzachoboza uqede yonke limibuso, wona-ke uzakuma kuze kube phakade.
45 Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahana tamin’ ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina sy ny tanimanga sy ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin’ Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin’ ny zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho tò ny heviny.
Ngenxa yokuthi wabona ukuthi ilitshe liqetshulwa entabeni, kungengezandla, lokuthi lachoboza insimbi, ithusi, ibumba, isiliva, legolide; uNkulunkulu omkhulu uyazisile inkosi okuzakwenzeka emva kwalokhu; iphupho liqinisekile, lengcazelo yalo ithembekile.
46 Dia niankohoka Nebokadnezara mpanjaka ka nivavaka tamin’ i Daniela ary nampanatitra fanatitra sy hanitra ankasitrahana ho azy.
Lapho inkosi uNebhukadinezari yathi mbo ngobuso bayo, yakhuleka kuDaniyeli, yathi kuthululelwe kuye umnikelo lezimpepha.
47 Ny mpanjaka namaly an’ i Daniela ka nanao hoe: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ ny mpanjaka ary Mampiseho zava-miafina, ka dia nahay nampiseho izany zava-miafina izany ianao.
Inkosi yamphendula uDaniyeli, yathi: Kuliqiniso ukuthi uNkulunkulu wenu unguNkulunkulu wabonkulunkulu, leNkosi yamakhosi, lomambuli wezimfihlakalo, ngoba ubelakho ukwembula limfihlakalo.
48 Ary tamin’ izany ny mpanjaka dia nanandratra an’ i Daniela ho lehibe, ka nanome azy zavatra maro sady lehibe ary nanendry azy ho mpanapaka any Babylona sy ny fehiny rehetra, sy ho lehiben’ ny mpanapaka ny olon-kendrin’ i Babylona rehetra.
Inkosi yasimenza uDaniyeli waba ngomkhulu, yamupha izipho ezinkulu ezinengi, yamenza waba ngumbusi phezu kwesabelo sonke seBhabhiloni, lenduna yababusi phezu kwabo bonke abahlakaniphileyo beBhabhiloni.
49 Ary Daniela nangataka tamin’ ny mpanjaka, ary izy nanendry an’ i Sadraka sy Mesaka ary Abednego ho tonian’ ny raharahan’ i Babylona sy ny fehiny; ary Daniela dia teo am-bavahadin’ ny mpanjaka.
UDaniyeli wasecela enkosini, njalo yamisa oShadraki, uMeshaki loAbedinego phezu komsebenzi wesabelo seBhabhiloni; kodwa uDaniyeli waba sesangweni lenkosi.

< Daniela 2 >