< Daniela 2 >

1 Ary tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Nebokadnezara dia nanonofy Nebokadnezara, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita torimaso izy.
In the second year of the reign of Nebuchadnezzar, Nebuchadnezzar had dreams; and his spirit was troubled, and his sleep went from him.
2 Dia nasain’ ny mpanjaka nantsoina ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny mpanana ody ary ny Kaldeana hilaza amin’ ny mpanjaka ny nofiny. Dia tonga ireny ka nitsangana teo anatrehan’ ny mpanjaka.
Then the king commanded to call the magicians, and the enchanters, and the sorcerers, and the Chaldeans, to tell the king his dreams. So they came in and stood before the king.
3 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nanonofy aho, ka mitebiteby ta-hahalala ny nofy ny fanahiko.
The king said to them, "I have had a dream, and my spirit is anxious to understand the dream."
4 Dia niteny tamin’ ny mpanjaka amin’ ny teny Aramiana ireny Kaldeana ireny ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, ambarao aminay mpanomponao ny nofy, dia holazainay ny heviny.
Then spoke the Chaldeans to the king in the Aramaic language, "O king, live forever: tell your servants the dream, and we will show the interpretation."
5 Dia namaly ny mpanjaka ka nanao tamin’ ireny Kaldeana ireny hoe: Efa niloa-bava aho; raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny, dia hotetitetehina ianareo, ary ny tranonareo hatao trano fivoahana.
The king answered the Chaldeans, "The thing is gone from me: if you do not make known to me the dream and its interpretation, you shall be cut in pieces, and your houses shall be made a rubbish heap.
6 Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be; koa ambarao ahy ny nofy mbamin’ ny heviny.
But if you show the dream and its interpretation, you shall receive from me gifts and rewards and great honor: therefore show me the dream and its interpretation."
7 Dia namaly indray ireo ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka hilaza ny nofy aminay mpanompony, dia hambaranay ny heviny.
They answered the second time and said, "Let the king tell his servants the dream, and we will show the interpretation."
8 Fa ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Fantatro marimarina fa mandany andro foana ianareo, satria hitanareo fa efa niloa-bava aho.
The king answered, "I know of a certainty that you would gain time, because you see the thing is gone from me.
9 Fa raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy, dia lalàna iray monja no hitondrana anareo; fa ianareo miray tetika hilaza teny lainga sy arirarira foana eto anatrehako mandra-pahatongan’ izay andro mahamety; koa ambarao ahy ny nofy, dia ho fantatro fa mahalaza ny heviny amiko koa ianareo.
But if you do not make known to me the dream, there is but one law for you; for you have prepared lying and corrupt words to speak before me, until such time that things might change. Therefore tell me the dream, and I shall know that you can show me its interpretation."
10 Ny Kaldeana namaly teo anatrehan’ ny mpanjaka hoe: Tsy misy olona etỳ ambonin’ ny tany mahay milaza izany nofin’ ny mpanjaka izany; fa tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nila zavatra toy izany tamin’ ny ombiasy sy ny mpisikidy ary ny Kaldeana.
The Chaldeans answered before the king, and said, "There is not a man on the earth who can show the king's matter, because no king, lord, or ruler, has asked such a thing of any magician, or enchanter, or Chaldean.
11 Ary sarotra ny zavatra anontanian’ ny mpanjaka, ka tsy misy mahay milaza izany eo anatrehan’ ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, izay tsy manam-ponenana amin’ ny nofo.
It is a rare thing that the king requires, and there is no other who can show it before the king, except the gods, whose dwelling is not with flesh."
12 Dia vinitra sady tezitra indrindra ny mpanjaka noho izany, ka nasainy naringana ny olon-kendrin’ i Babylona rehetra.
For this cause the king was angry and very furious, and commanded to destroy all the wise men of Babylon.
13 Ary navoaka ny didy nampamono ny olon-kendry; ary Daniela sy ny namany koa mba notadiaviny hovonoina.
So the decree went forth, and the wise men were to be killed; and they sought Daniel and his companions to be killed.
14 Dia novalian’ i Daniela tamin’ ny fanahy sy ny fahendrena Arioka lehiben’ ny mpiambina ny mpanjaka, izay nivoaka hamono ny olon-kendrin’ i Babylona;
Then Daniel returned an answer with counsel and prudence to Arioch the captain of the king's guard, who was gone forth to kill the wise men of Babylon;
15 eny, namaly izy ka nanao tamin’ i Arioka, lehibe voatendrin’ ny mpanjaka, hoe: Nahoana no dia mafy toy izany ny teny avy amin’ ny mpanjaka? Dia nambaran’ i Arioka tamin’ i Daniela ilay teny.
he answered Arioch the king's captain, "Why is the decree so urgent from the king?" Then Arioch made the thing known to Daniel.
16 Dia niditra Daniela ka nangataka tamin’ ny mpanjaka hanome andro azy, dia holazainy amin’ ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
Daniel went in, and desired of the king that he would appoint him a time, and he would show the king the interpretation.
17 Ary Daniela nody tany an-tranony ka nanambara ilay teny tamin’ i Hanania sy Misaela ary Azaria namany,
Then Daniel went to his house, and made the thing known to Hananiah, Mishael, and Azariah, his companions:
18 mba hangatahan’ ireo famindram-po amin’ Andriamanitry ny lanitra ny amin’ izany zava-miafina izany, mba tsy haringana Daniela sy ny namany mbamin’ ny olon-kendrin’ i Babylona rehetra.
that they would seek mercy from the God of heaven concerning this secret; that Daniel and his companions should not perish with the rest of the wise men of Babylon.
19 Dia naseho an’ i Daniela tamin’ ny fahitana amin’ ny alina izany zava-miafina izany, ka dia nisaotra an’ Andriamanitry ny lanitra Daniela.
Then was the secret revealed to Daniel in a vision of the night. Then Daniel blessed the God of heaven.
20 Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran’ Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery.
Daniel answered, "Blessed be the name of God forever and ever; for wisdom and might are his.
21 Ary Izy no mandahatra ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an’ ny hendry sy fahalalana ho an’ izay mazava saina.
He changes the times and the seasons; he removes kings, and sets up kings; he gives wisdom to the wise, and knowledge to those who have understanding;
22 Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin’ ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy.
he reveals the deep and secret things; he knows what is in the darkness, and the light dwells with him.
23 Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao; fa nampahafantarinao anay ilay nofin’ i ny mpanjaka.
I thank you, and praise you, God of my fathers, who has given me wisdom and might, and has now made known to me what we desired of you; for you have made known to us the king's matter."
24 Ary noho izany Daniela dia niditra nankao amin’ i Arioka, izay notendren’ ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin’ i Babylona, eny, nandeha izy ka nanao taminy hoe: Aza mandringana ny olon-kendrin’ i Babylona; fa ento ho eo anatrehan’ ny mpanjaka aho, dia hambarako aminy ny hevitry ny nofiny.
Therefore Daniel went in to Arioch, whom the king had appointed to destroy the wise men of Babylon; he went and said this to him: "Do not destroy the wise men of Babylon; bring me in before the king, and I will show to the king the interpretation."
25 Dia nentin’ i Arioka faingana ho eo anatrehan’ ny mpanjaka Daniela, ka hoy izy taminy: Nahita lehilahy isan’ ny babo avy any Joda aho, izay hilaza amin’ ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
Then Arioch brought in Daniel before the king in haste, and said this to him, "I have found a man of the children of the captivity of Judah, who will make known to the king the interpretation."
26 Ny mpanjaka namaly ka nilaza tamin’ i Daniela, izay atao hoe koa Beltesazara, hoe: Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin’ ny heviny va ianao?
The king answered Daniel, whose name was Belteshazzar, "Are you able to make known to me the dream which I have seen, and its interpretation?"
27 Dia namaly teo anatrehan’ ny mpanjaka Daniela nanao hoe: Ilay zava-miafina nanontanian’ ny mpanjaka dia tsy hain’ ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro, nolazaina tamin’ ny mpanjaka;
Daniel answered before the king, and said, "The secret which the king has demanded is such that no wise men, enchanters, magicians, nor soothsayers, can show to the king;
28 kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an’ i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan’ ny lohanao teo amin’ ny farafaranao dia izao:
but there is a God in heaven who reveals secrets, and he has made known to king Nebuchadnezzar what shall be in the latter days. Your dream, and the visions of your head on your bed, are these:
29 Ny aminao, ry mpanjaka ô, raha nandry ianao, dia tonga ny eritreritrao ny amin’ izay ho avy rahatrizay; ary Izay mampiseho zava-miafina dia mampahafantatra anao izay ho avy.
as for you, O king, your thoughts came into your mind on your bed, what should happen hereafter; and he who reveals secrets has made known to you what shall happen.
30 Ary izaho aza, dia tsy noho ny fahendrena ananako mihoatra noho ny olombelona rehetra tsy akory no nampisehoana tamiko ny zava-miafina, fa ny mba hampahafantarana ny mpanjaka ilay hevitra, ka hahafantaranao ny eritreritry ny fonao.
But as for me, this secret is not revealed to me for any wisdom that I have more than all the living, but in order that the interpretation may be made known to the king, and that you may know the thoughts of your heart.
31 Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra.
You, O king, saw, and look, a great image. This image, which was mighty, and whose brightness was extraordinary, stood before you; and its appearance was awesome.
32 Ny lohan’ izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina,
As for this image, its head was of fine gold, its breast and its arms of silver, its belly and its thighs of bronze,
33 ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga.
its legs of iron, its feet part of iron, and part of clay.
34 Nijery ianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin’ ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy.
You saw until a stone was cut out without hands, which struck the image on its feet that were of iron and clay, and broke them in pieces.
35 Dia niara-torotoro ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin’ ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.
Then was the iron, the clay, the bronze, the silver, and the gold, broken in pieces together, and became like the chaff of the summer threshing floors; and the wind carried them away, so that no place was found for them: and the stone that struck the image became a great mountain, and filled the whole earth.
36 Izany no nofy, ary holazainay eto anatrehan’ ny mpanjaka koa ny heviny.
This is the dream; and we will tell its interpretation before the king.
37 Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan’ ny mpanjaka sady nomen’ Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra,
You, O king, are king of kings, to whom the God of heaven has given the kingdom, the power, and the strength, and the glory;
38 ka ny zanak’ olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan’ izy rehetra ianao, dia ianao izany loha volamena izany.
and wherever human beings dwell, the animals of the field and the birds of the sky has he given into your hand, and has made you to rule over them all: you are the head of gold.
39 Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin’ ny tany rehetra.
After you shall arise another kingdom inferior to yours; and another third kingdom of bronze, which shall bear rule over all the earth.
40 Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin’ ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy.
The fourth kingdom shall be strong as iron, because iron breaks in pieces and subdues all things; and as iron that crushes all these, shall it break in pieces and crush.
41 Ary satria hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan’ ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao.
Whereas you saw the feet and toes, part of potters' clay, and part of iron, it shall be a divided kingdom; but there shall be in it of the strength of the iron, because you saw the iron mixed with miry clay.
42 Ary toy ny rantsan-tongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy.
As the toes of the feet were part of iron, and part of clay, so the kingdom shall be partly strong, and partly broken.
43 Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin’ ny taranak’ olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan’ ny vy miharo amin’ ny tanimanga.
And whereas you saw the iron mixed with miry clay, they shall mix with one another but they shall not hold together, even as iron does not mix with clay.
44 Ary amin’ ny andron’ ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’ olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.
In the days of those kings shall the God of heaven set up a kingdom which shall never be destroyed, nor shall its sovereignty be left to another people; but it shall break in pieces and consume all those kingdoms, and it shall stand forever.
45 Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahana tamin’ ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina sy ny tanimanga sy ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin’ Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin’ ny zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho tò ny heviny.
Because you saw that a stone was cut out of the mountain without hands, and that it broke in pieces the iron, the bronze, the clay, the silver, and the gold; the great God has made known to the king what shall happen hereafter: and the dream is certain, and its interpretation sure."
46 Dia niankohoka Nebokadnezara mpanjaka ka nivavaka tamin’ i Daniela ary nampanatitra fanatitra sy hanitra ankasitrahana ho azy.
Then king Nebuchadnezzar fell on his face, and worshiped Daniel, and commanded that they should present an offering and incense to him.
47 Ny mpanjaka namaly an’ i Daniela ka nanao hoe: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ ny mpanjaka ary Mampiseho zava-miafina, ka dia nahay nampiseho izany zava-miafina izany ianao.
The king answered Daniel and said, "Surely your God is the God of gods, and the Lord of kings, and a revealer of secrets, seeing you have been able to reveal this secret."
48 Ary tamin’ izany ny mpanjaka dia nanandratra an’ i Daniela ho lehibe, ka nanome azy zavatra maro sady lehibe ary nanendry azy ho mpanapaka any Babylona sy ny fehiny rehetra, sy ho lehiben’ ny mpanapaka ny olon-kendrin’ i Babylona rehetra.
Then the king made Daniel great, and gave him many great gifts, and made him to rule over the whole province of Babylon, and to be chief governor over all the wise men of Babylon.
49 Ary Daniela nangataka tamin’ ny mpanjaka, ary izy nanendry an’ i Sadraka sy Mesaka ary Abednego ho tonian’ ny raharahan’ i Babylona sy ny fehiny; ary Daniela dia teo am-bavahadin’ ny mpanjaka.
Daniel requested of the king, and he appointed Shadrach, Meshach, and Abednego, over the affairs of the province of Babylon: but Daniel was in the gate of the king.

< Daniela 2 >