< Amosa 6 >

1 Lozan’ ireo miadana ao Ziona sy ireo matokitoky foana ao an-tendrombohitr’ i Samaria, dia ireo malaza eo amin’ ny firenena malaza indrindra sady hatonin’ ny taranak’ Isiraely.
「わざわいなるかな、安らかにシオンにいる者、また安心してサマリヤの山にいる者、諸国民のかしらのうちの著名な人々で、イスラエルの家がきて従う者よ。
2 Mankanesa any Kalne ianareo, ka mijere, dia mandrosoa ihany ho any Hamata lehibe; Ary midìna ho any Gatan’ ny Filistina; Tsara noho ireo fanjakana ireo va izy? Sa lehibe noho ny tanin’ ireo va ny taninareo?
カルネに渡って見よ。そこから大ハマテに行き、またペリシテびとのガテに下って見よ。彼らはこれらの国にまさっているか。彼らの土地はあなたがたの土地よりも大きいか。
3 Hianareo izay mihevitra ny andro mampahory ho mbola lavitra sy mampanakaiky ny seza fandozana,
あなたがたは災の日を遠ざけ、強暴の座を近づけている。
4 Dia ireo izay mandrimandry ao amin’ ny farafara ivoriny sy mitsilailay eo amin’ ny fandriandriany ary homana ny zanak’ ondry avy amin’ ny andian’ ny ondry sy ny zanak’ omby avy ao am-pahitra,
わざわいなるかな、みずから象牙の寝台に伏し、長いすの上に身を伸ばし、群れのうちから小羊を取り、牛舎のうちから子牛を取って食べ、
5 Dia ireo izay mivovo foana manaraka ny feon-dokanga ary mamorona zava-maneno toy ny nataon’ i Davida,
琴の音に合わせて歌い騒ぎ、ダビデのように楽器を造り出し、
6 Dia ireo izay misotro divay amin’ ny lovia famafazana sady mihosotra diloilo tsara Indrindra, nefa tsy onena ny fahasimban’ i Josefa.
鉢をもって酒を飲み、いとも尊い油を身にぬり、ヨセフの破滅を悲しまない者たちよ。
7 Koa amin’ izao dia ho voalohany amin’ izay hobaboina ireo, ary hatsahatro ny hobin’ izay mitsilailay foana.
それゆえ今、彼らは捕われて、捕われ人のまっ先に立って行く。そしてかの身を伸ばした者どもの騒ぎはやむであろう」。
8 Jehovah Tompo dia efa nianiana tamin’ ny tenany, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro: Fahavetavetana eo anatrehako ny reharehan’ i Jakoba, ary halako ny tranobeny; Koa dia hatolotro ny tanàna mbamin’ izay rehetra ao anatiny.
主なる神はおのれによって誓われた、(万軍の神、主は言われる、)「わたしはヤコブの誇を忌みきらい、そのもろもろの宮殿を憎む。わたしはこの町とすべてその中にいる者を渡す」。
9 Ary raha hisy folo lahy sisa ao an-trano iray, dia samy ho faty ireo.
一つの家に十人の者が残っていても、彼らは死に、
10 Ary ny havan’ izay maty, na izay handevina azy, dia hambeta azy ka hitondra ny faty hiala ao an-trano, dia hiteny amin’ izay ao anaty trano hoe: Mbola misy ihany va ato aminao? Ary raha hoy izy: Tapitra! Dia hovaliana hoe: Mangìna re! fa tsy tokony hotonenina ny anaran’ i Jehovah.
そしてその親戚、すなわちこれを焼く者は、骨を家から運びだすために、これを取り上げ、またその家の奥にいる者に向かって、「まだあなたと共にいる者があるか」と言い、「ない」との答がある時、かの人はまた「声を出すな、主の名をとなえるな」と言うであろう。
11 Fa, indro, Jehovah no mandidy, ka horavana ny trano lehibe, ary hotresatresahina ny trano madinika.
見よ、主は命じて、大きな家を撃って、みじんとなし、小さな家を撃って、切れ切れとされる。
12 Mihazakazaka eny amin’ ny sola-bato va ny soavaly. Misy olona mampihosy omby va eny, no efa navadikareo ho zava-mangidy ny rariny, ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?
馬は岩の上を走るだろうか。人は牛で海を耕すだろうか。ところがあなたがたは公道を毒に変じ、正義の実をにがよもぎに変じた。
13 Dia ianareo izay mifaly amin’ ny zava-poana ka manao hoe: Moa tsy ny herinay va no ahazoanay tandroka ho anay?
あなたがたはロデバルを喜び、「われわれは自分の力でカルナイムを得たではないか」と言う。
14 Fa, indro, hanangana firenena hamely anareo Aho, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia hampahory anareo hatrany akaikin’ i Hamata izy ka hatramin’ ny lohasahan-driaka any amin’ ny tani-hay.
それゆえ、万軍の神、主は言われる、「イスラエルの家よ、見よ、わたしは一つの国民を起して、あなたがたに敵対させる。彼らはハマテの入口からアラバの川まであなたがたを悩ます」。

< Amosa 6 >