< Amosa 2 >

1 Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nodorany ho sokay ny taolan’ ny mpanjakan’ i Edoma;
Ainsi a dit l'Éternel: A cause de trois crimes de Moab et même de quatre, je ne le révoquerai point: parce qu'il a brûlé et calciné les os du roi d'Édom;
2 Fa hataoko afo ao Moaba, ka handevona ny tranoben’ i Kiriota izany; Ary Moaba ho faty amin’ ny tabataba sy amin’ ny akora ary ny fanenon’ ny anjomara;
J'enverrai le feu dans Moab, et il dévorera les palais de Kérijoth; et Moab périra dans le tumulte, au milieu des clameurs, au bruit de la trompette;
3 Ary hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy, ary hiaraka hovonoiko izy sy ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
J'exterminerai les juges du milieu de lui, et je tuerai tous ses chefs avec lui, dit l'Éternel.
4 Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Joda, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nataony tsinontsinona ny lalàn’ i Jehovah, ary ny didiny tsy notandremany, ary nampahadiso azy ny laingany, izay fanaon’ ny razany;
Ainsi a dit l'Éternel: A cause de trois crimes de Juda et même de quatre, je ne le révoquerai point: parce qu'ils ont rejeté la loi de l'Éternel et n'ont pas gardé ses ordonnances, et qu'ils ont été égarés par leurs dieux de mensonge après lesquels avaient marché leurs pères;
5 Fa haterako afo ao Joda, ka handevona ny tranoben’ i Jerosalema izany.
J'enverrai le feu dans Juda, et il dévorera les palais de Jérusalem.
6 Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo,
Ainsi a dit l'Éternel: A cause de trois crimes d'Israël et même de quatre, je ne le révoquerai point: parce qu'ils ont vendu le juste pour de l'argent, et le pauvre pour une paire de souliers;
7 Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo an-dohan’ ny malahelo izy sady mamily ny alehan’ ny mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin’ ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masìna;
Ils font lever sur la tête des misérables la poussière de la terre, et ils font fléchir le droit des malheureux. Le fils et le père vont vers la même fille, pour profaner mon saint nom;
8 Amin’ ny lamba azony tamin’ ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan’ ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin’ ny sazy ao an-tranon’ ireo andriamaniny izy.
Ils s'étendent, à côté de chaque autel, sur des vêtements pris en gage, et ils boivent, dans la maison de leurs dieux, le vin de ceux qu'ils ont condamnés.
9 Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany.
Et moi, j'ai détruit devant eux l'Amoréen, qui était haut comme les cèdres, et fort comme les chênes; j'ai détruit son fruit en haut, et ses racines en bas;
10 Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin’ ny Amorita,
Je vous ai fait monter du pays d'Égypte et je vous ai conduits dans le désert quarante ans, pour posséder la terre de l'Amoréen;
11 Ary ny zanakalahinareo nisy natsangako ho mpaminany, ary ny zatovonareo ho Nazirita. Tsy izany va no izy, ry Zanak’ Isiraely? hoy Jehovah.
J'ai suscité des prophètes parmi vos fils, et des nazariens parmi vos jeunes hommes. N'en est-il pas ainsi, enfants d'Israël? dit l'Éternel.
12 Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita, ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany.
Mais vous avez fait boire du vin aux nazariens, et vous avez fait défense aux prophètes, disant: Ne prophétisez pas!
13 Indro, Izaho no hitambesatra aminareo toy ny fitambesatry ny sariety feno amboara.
Voici, je vais vous fouler, comme foule un char plein de gerbes;
14 Koa tsy ho afa-mandositra ny faingam-pandeha, ny mahery tsy hampiseho hery, ary ny lehilahy mahery tsy hahavonjy ny ainy;
L'homme agile ne pourra fuir, le fort ne trouvera pas sa force, et l'homme vaillant ne sauvera point sa vie;
15 Izay mitana tsipìka tsy hahajanona, ary ny faingan-tongotra tsy hahavonjy tena, izay mitaingin-tsoavaly tsy hahavonjy ny ainy;
Celui qui manie l'arc ne tiendra pas, celui qui a les pieds légers n'échappera point, celui qui monte le cheval ne sauvera pas sa vie;
16 Ary na dia izay sahy ao amin’ ny mahery aza dia handositra mitanjaka amin’ izany andro izany, hoy Jehovah.
Et le plus courageux entre les vaillants s'enfuira nu en ce jour-là, dit l'Éternel.

< Amosa 2 >