< Amosa 1 >

1 Ny tenin’ i Amosa, izay isan’ ny mpiandry ondry tao Tekoa, dia izay hitany ny amin’ ny Isiraely tamin’ ny andro nanjakan’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda, sy tamin’ ny andro nanjakan’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, roa taona talohan’ ny horohorontany. 2 Ary hoy izy: Jehovah mierona ao Ziona ary mampikotroka any Jerosalema; Ny saha fiandrasana ondry dia mitomany ary maina ny tampon’ i Karmela. 3 Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria kodia vy no nivelezany an’ i Gileada; 4 Fa haterako afo ny tranon’ i Hazaela, ka handevona ny tranoben’ i Beni-hadada izany. 5 Hotorotoroiko koa ny hidin’ i Damaskosy, ary hofoanako tsy hisy mponina ny lohasahan’ i Avena, ary Bet-edena tsy hisy hitana tehina fanapahana; Ary ny vahoakan’ i Syria dia ho lasan-ko babo any Kira, hoy Jehovah. 6 Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Gaza, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria lasany ho babo avika ny olona hatolony ho any Edoma; 7 Fa haterako afo ny mandan’ i Gaza, ka handevona ny tranobeny izany; 8 Ary hofoanako Asdoda tsy hisy mponina, ary Askelona tsy hisy hitana tehina fanapahana; Dia haveriko ny tanako hamely an’ i Ekrona, ka ho faty izay sisa amin’ ny Filistina, hoy Jehovah Tompo 9 Izao no lazain’ i Jehovah: noho ny fahotana telon’ i Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako izy, satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana; 10 Fa haterako afo ny mandan’ i Tyro, ka handevona ny tranobeny izany 11 Izao no lazain’ i Jehovah: noho ny fahotana telon’ i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ ny sabatra izy, ka nofoanany ny fiantrany, ny fahatezerany dia namiravira mandrakariva, ary ny fahavinirany notehiriziny lalandava; 12 Fa haterako afo ao Temana, ka handevona ny tranoben’ i Bozra izany 13 Izao no lazain’ i Jehovah: noho ny fahotana telon’ ny taranak’ i Amona, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria notatahany izay bevohoka tao Gileada, hanitarany ny fari-taniny; 14 Fa hampirehitra afo ao amin’ ny mandan’ i Raba Aho, ka handevona ny tranobeny izany, sady hisy akora amin’ ny andro iadiana sy rivo-mahery amin’ ny andron’ ny tadio; 15 Dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin’ ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.

< Amosa 1 >