< Asan'ny Apostoly 7 >

1 Ary hoy ny mpisoronabe: Moa izany tokoa va?
ⲁ̅ⲡⲉϫⲁϥ ⲇⲉ ⲛⲁϥ ⳿ⲛϫⲉ ⲡⲓⲁⲣⲭⲏⲉⲣⲉⲩⲥ ϫⲉ ⲁⲛ ⲛⲁⲓ ϣⲟⲡ ⳿ⲙⲡⲁⲓⲣⲏϯ.
2 fa hoy Stefana: Mihainoa, ry rahalahy sy ianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin’ i Abrahama razantsika, raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola nonina tany Harana,
ⲃ̅⳿ⲛⲑⲟϥ ⲇⲉ ⲡⲉϫⲁϥ ⲛⲓⲣⲱⲙⲓ ⲛⲉⲛ⳿ⲥⲛⲏⲟⲩ ⲟⲩⲟϩ ⲛⲉⲛⲓⲟϯ ⲥⲱⲧⲉⲙ Ⲫϯ ⳿ⲛⲧⲉ ⳿ⲡ⳿ⲱⲟⲩ ⲁϥⲟⲩⲟⲛϩϥ ⳿ⲉⲡⲉⲛⲓⲱⲧ Ⲁⲃⲣⲁⲁⲙ ⲉϥⲭⲏ ⳿ⲉ⳿ϩⲣⲏⲓ ϧⲉⲛ ϯⲙⲉⲥⲟⲡⲟⲧⲁⲙⲓ⳿ⲁ ⳿ⲙⲡⲁⲧⲉϥϣⲱⲡⲓ ϧⲉⲛ ⲭⲁⲣⲣⲁⲛ.
3 ka nanao taminy hoe: Mialà amin’ ny taninao sy ny havanao, ka andeha ho any amin’ ny tany izay hasehoko anao.
ⲅ̅ⲡⲉϫⲁϥ ⲛⲁϥ ϫⲉ ⳿ⲁⲙⲟⲩ ⳿ⲉⲃⲟⲗϧⲉⲛ ⲡⲉⲕⲕⲁϩⲓ ⲛⲉⲙ ⳿ⲉⲃⲟⲗϧⲉⲛ ⲧⲉⲕⲥⲩⲅⲅⲉⲛⲓ⳿ⲁ ⳿ⲁⲙⲟⲩ ⳿ⲉⲡⲓⲕⲁϩⲓ ⳿ⲉϯⲛⲁⲧⲁⲙⲟⲕ ⳿ⲉⲣⲟϥ.
4 Dia niala tamin’ ny tanin’ ny Kaldeana izy ka nonina tany Harana; ary rehefa maty ny rainy, dia nafindran’ Andriamanitra niala teo izy hankany amin’ ny tany izay onenanareo ankehitriny.
ⲇ̅ⲧⲟⲧⲉ ⲁϥ⳿ⲓ ⳿ⲉⲃⲟⲗϧⲉⲛ ⳿ⲡⲕⲁϩⲓ ⳿ⲛⲧⲉ ⲛⲓⲭⲁⲗⲇⲉⲟⲥ ⲁϥϣⲱⲡⲓ ϧⲉⲛ ⲭⲁⲣⲣⲁⲛ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ⲇⲉ ⳿ⲙⲙⲁⲩ ⲙⲉⲛⲉⲛⲥⲁ ⳿ⲑⲣⲉϥⲙⲟⲩ ⳿ⲛϫⲉ ⲡⲉϥⲓⲱⲧ ⲁϥⲟⲩⲟⲑⲃⲉϥ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ⲉⲑⲣⲉϥϣⲱⲡⲓ ϧⲉⲛ ⲡⲁⲓⲕⲁϩⲓ ⲫⲁⲓ ⳿ⲛⲑⲱⲧⲉⲛ ⳿ⲉⲧⲉⲧⲉⲛϣⲟⲡ ϩⲓⲱⲧϥ ϯⲛⲟⲩ.
5 Ary tsy nomeny lova teto izy, na dia eram-paladia akory aza; kanefa nampanantenainy izy fa homeny azy sy ny taranany mandimby azy ho lovany izany, na dia tsy mbola nanan-janaka akory aza izy.
ⲉ̅⳿ⲙⲡⲉϥϯ ⲛⲁϥ ⳿ⲛⲟⲩ⳿ⲕⲗⲏⲣⲟⲛⲟⲙⲓ⳿ⲁ ⳿ⲛϧⲏⲧϥ ⲟⲩⲇⲉ ⲟⲩϣⲉⲛⲧⲁⲧⲥⲓ ⳿ⲛⲧⲉ ⲟⲩϭⲁⲗⲟϫ ⲁϥⲱϣ ⳿ⲉⲧⲏⲓϥ ⲛⲁϥ ϧⲉⲛ ⲟⲩ⳿ⲁⲙⲁϩⲓ ⲛⲉⲙ ⲡⲉϥ⳿ϫⲣⲟϫ ⲙ⳿ⲉⲛⲉⲛⲥⲱϥ ⳿ⲙⲙⲟⲛⲧⲉϥ ϣⲏⲣⲓ ⲇⲉ ⳿ⲙⲙⲁⲩ.
6 Ary nolazain’ Andriamanitra fa ny taranany hivahiny any amin’ ny tanin’ ny firenena hafa ary handevoziny sy hampahoriny efa-jato taona.
ⲋ̅ⲁ Ⲫϯ ⲇⲉ ⲥⲁϫⲓ ⳿ⲙⲡⲁⲓⲣⲏϯ ϫⲉ ⳿ⲉⲣⲉ ⲡⲉⲕ⳿ϫⲣⲟϫ ⲉⲣⲣⲉⲙ⳿ⲛϫⲱⲓⲗⲓ ϧⲉⲛ ⲟⲩⲕⲁϩⲓ ⳿ⲛϣⲉⲙⲙⲟ ⲟⲩⲟϩ ⲉⲩ⳿ⲉⲁⲓⲧⲟⲩ ⳿ⲙⲃⲱⲕ ⲟⲩⲟϩ ⲉⲩ⳿ⲉ⳿ⲧϩⲉⲙⲕⲱⲟⲩ ⳿ⲛⲩ̅ ⳿ⲛⲣⲟⲙⲡⲓ.
7 Nefa ny firenena izay hotompoiny dia hotsaraiko kosa, hoy Andriamanitra; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka izy ka hanompo Ahy eto amin’ ity tany ity.
ⲍ̅ⲟⲩⲟϩ ⲡⲓ⳿ϣⲗⲱⲗ ⲉⲧⲟⲩⲛⲁⲉⲣⲃⲱⲕ ⲛⲁϥ ⲉⲓ⳿ⲉϯϩⲁⲡ ⳿ⲉⲣⲟϥ ⳿ⲁⲛⲟⲕ ⲡⲉϫⲉ Ⲫϯ ⲟⲩⲟϩ ⲙⲉⲛⲉⲛⲥⲁ ⲛⲁⲓ ⲉⲩ⳿ⲉ⳿ⲓ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ⲉⲩ⳿ⲉϣⲉⲙϣⲓ ⳿ⲙⲙⲟⲓ ϧⲉⲛ ⲡⲁⲓⲙⲁ ⲫⲁⲓ.
8 Ary nomeny fanekena amin’ ny famorana izy. Ary dia niteraka an’ isaka izy ka namora azy tamin’ ny andro fahavalo; ary Isaka niteraka an’ i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny patriarka roa ambin’ ny folo lahy.
ⲏ̅ⲟⲩⲟϩ ⲁϥϯ ⲛⲁϥ ⳿ⲛⲟⲩⲇⲓ⳿ⲁⲑⲏⲕⲏ⳿ⲛⲧⲉ ⳿ⲡⲥⲉⲃⲓ ⲟⲩⲟϩ ⲡⲁⲓⲣⲏϯ ⲁϥ⳿ϫⲫⲉ ⳿ Ⲓⲥⲁⲁⲕ ⲟⲩⲟϩ ⲁϥⲥⲟⲩⲃⲏⲧϥ ϧⲉⲛ ⲡⲓⲙⲁϩⲏ̅ ⳿ⲛ⳿ⲉϩⲟⲟⲩ ⲟⲩⲟϩ ⳿ Ⲓⲥⲁⲁⲕ ⲁϥ⳿ϫⲫⲉ Ⲓⲁⲕⲱⲃ Ⲓⲁⲕⲱⲃ ⲁϥ⳿ϫⲫⲟ ⳿ⲙⲡⲓⲓ̅ⲃ̅ ⳿ⲙⲡⲁⲧⲣⲓⲁⲣⲭⲏⲥ.
9 Ary nialona an’ i Josefa ny patriarka ka nivarotra azy ho any Egypta; nefa Andriamanitra nomba azy
ⲑ̅ⲟⲩⲟϩ ⲛⲓⲡⲁⲧⲣⲓⲁⲣⲭⲏⲥ ⲁⲩⲭⲟϩ ⳿ⲉⲒⲱⲥⲏⲫ ⲁⲩⲧⲏⲓϥ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ⳿ⲉ⳿ϩⲣⲏⲓ ⳿ⲉⲬⲏⲙⲓ ⲟⲩⲟϩ ⲛⲁⲣⲉ Ⲫϯ ⲭⲏ ⲛⲉⲙⲁϥ ⲡⲉ.
10 ka nahafaka azy tamin’ ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo imason’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta; ary izy nanendry azy ho mpanapaka any Egypta mbamin’ izay rehetra tao an-dapany.
ⲓ̅ⲁϥⲛⲁϩⲙⲉϥ ⳿ⲉⲃⲟⲗϧⲉⲛ ⲛⲉϥ⳿ⲑⲗⲩⲯⲓⲥ ⲧⲏⲣⲟⲩ ⲁϥϯ ⲛⲁϥ ⳿ⲛⲟⲩ⳿ϩⲙⲟⲧ ⲛⲉⲙ ⲟⲩⲥⲟⲫⲓ⳿ⲁ ⳿ⲙⲡⲉ⳿ⲙⲑⲟ ⳿ⲙⲫⲁⲣⲁⲱ ⳿ⲡⲟⲩⲣⲟ ⳿ⲛⲬⲏⲙⲓ ⲁϥⲭⲁϥ ⳿ⲛϩⲩⲅⲟⲩⲙⲉⲛⲟⲥ ⳿ⲉ⳿ϩⲣⲏⲓ ⳿ⲉϫⲉⲛ ⲭⲏ ⲙⲓ ⲛⲉⲙ ⳿ⲉϫⲉⲛ ⲡⲉϥⲏⲓ ⲧⲏⲣϥ.
11 Ary nisy mosary eran’ i Egypta sy Kanana rehetra, ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanina ny razantsika.
ⲓ̅ⲁ̅ⲁϥ⳿ⲓ ⲇⲉ ⳿ⲛϫⲉ ⲟⲩ⳿ϩⲃⲱⲛ ⳿ⲉϫⲉⲛ ⲭⲏ ⲙⲓ ⲧⲏⲣϥ ⲛⲉⲙ ⲭⲁⲛⲁⲁⲛ ⲛⲉⲙ ⲟⲩⲛⲓϣϯ ⳿ⲛ⳿ⲑⲗⲩ ⲯⲓⲥ ⲟⲩⲟϩ ⲛⲁⲩϫⲉⲙ ⲥⲟⲩ⳿ⲟ ⲁⲛ ⲡⲉ ⳿ⲛϫⲉ ⲛⲉⲛⲓⲟϯ.
12 Fa nony nandre Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia naniraka ny razantsika izy tamin’ ny voalohany.
ⲓ̅ⲃ̅ⲁϥⲥⲱⲧⲉⲙ ⲇⲉ ⳿ⲛϫⲉ Ⲓⲁⲕⲱⲃ ϫⲉ ⲥⲉϯ ⲥⲟⲩ⳿ⲟ ⳿ⲉⲃⲟⲗϧⲉⲛ ⲭⲏ ⲙⲓ ⲁϥⲧⲁⲟⲩ⳿ⲟ ⳿ⲛⲛⲉⲛⲓⲟϯ ⳿ⲛϣⲟⲣⲡ.
13 Ary tamin’ ny fanindroany dia fantatr’ izy mirahalahy avy Josefa, ary dia fantatr’ i Farao koa ny havan’ i Josefa.
ⲓ̅ⲅ̅ⲟⲩⲟϩ ϧⲉⲛ ⲡⲓⲙⲁϩⲥⲟⲡ ⲃ̅ ⲁϥⲟⲩⲟⲛϩϥ ⳿ⲛϫⲉ Ⲓⲱⲥⲏⲫ ⳿⳿ⲉⲛⲉϥ⳿ⲥⲛⲏⲟⲩ ⲟⲩⲟϩ ⳿ⲁ ⳿ⲡⲅⲉⲛⲟⲥ ⳿ⲛⲒⲱⲥⲏⲫ ⲁϥⲟⲩⲟⲛϩϥ ⳿ⲉⲫⲁⲣⲁⲱ.
14 Ary Josefa naniraka ka nampaka an’ i Jakoba rainy mbamin’ ny mpianakaviny rehetra, dia olona dimy amby fito-polo izy.
ⲓ̅ⲇ̅ⲁϥⲟⲩⲱⲣⲡ ⲇⲉ ⳿ⲛϫⲉ Ⲓⲱⲥⲏⲫ ⲁϥⲙⲟⲩϯ ⳿ⲉⲒⲁⲕⲱⲃ ⲡⲉϥⲓⲱⲧ ⲛⲉⲙ ⲧⲉϥⲥⲩⲅⲅⲉⲛⲓⲁ ⲧⲏⲣⲥ ⳿ⲉ⳿ϩⲣⲏⲓ ϧⲉⲛ ⲟ̅ⲉ̅ ⳿ⲙⲯⲩⲭⲏ.
15 Ary Jakoba nidina nankany Egypta, dia maty izy sy ny razantsika;
ⲓ̅ⲉ̅ⲁϥ⳿ⲓ ⲇⲉ ⳿ⲛϫⲉ Ⲓⲁⲕⲱⲃ ⳿ⲉ⳿ϧⲣⲏⲓ ⳿ⲉⲬⲏⲙⲓ ⲟⲩⲟϩ ⲁϥⲙⲟⲩ ⳿ⲛⲑⲟϥ ⲛⲉⲙ ⲛⲉⲛⲓⲟϯ.
16 ary nentina ho any Sekema izy ka nalevina tao amin’ ny fasana izay novidin’ i Abrahama vola tamin’ ny zanak’ i Hamora tany Sekema.
ⲓ̅ⲋ̅ⲟⲩⲟϩ ⲁⲩⲟⲩⲟⲑⲃⲉϥ ⳿ⲉⲥⲩⲭⲉⲙ ⲁⲩⲭⲁϥ ϧⲉⲛ ⲡⲓ⳿ⲙϩⲁⲩ ⳿ⲉⲧⲁϥϣⲟⲡϥ ⳿ⲛϫⲉ Ⲁⲃⲣⲁⲁⲙ ϧⲁ ⲟⲩⲧⲓⲙⲏ⳿ⲛϩⲁⲧ ⳿ⲛⲧⲟⲧⲟⲩ ⳿ⲛⲛⲉⲛϣⲏⲣⲓ ⳿ⲛⲉⲙⲱⲣ ϧⲉⲛ ⲥⲩⲭⲉⲙ.
17 Fa rehefa ho tonga ny fotoana hahatanterahana ny teny fikasana, izay nataon’ Andriamanitra tamin’ i Abrahama, dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Egypta,
ⲓ̅ⲍ̅ⲕⲁⲧⲁ⳿ⲫⲣⲏϯ ⲇⲉ ⳿ⲉⲧⲁϥϧⲱⲛⲧ ⳿ⲛϫⲉ ⳿ⲡⲥⲏⲟⲩ ⳿ⲛⲧⲉ ϯⲉⲡⲁⲅⲅⲉⲗⲓ⳿ⲁ ⲑⲏ⳿ⲉⲧⲁ Ⲫϯ ⲱⲣⲕ ⲉⲑⲃⲏⲧⲥ ⳿ⲛⲀⲃⲣⲁⲁⲙ ⲁϥⲁⲓⲁⲓ ⳿ⲛϫⲉ ⲡⲓⲗⲁⲟⲥ ⲟⲩⲟϩ ⲁϥ⳿ⲁⲙⲁϩⲓ ⲁϥ⳿ⲁϣⲁⲓ ⳿ⲛ⳿ϩⲣⲏⲓ ϧⲉⲛ ⲭⲏ ⲙⲓ.
18 mandra-pitsangan’ ny mpanjaka hafa tany Egypta, izay tsy nahalala an’ i Josefa.
ⲓ̅ⲏ̅ϣⲁⲛⲧⲉϥⲧⲱⲛϥ ⳿ⲛϫⲉ ⲕⲉⲟⲩⲣⲟ ⳿ⲉϫⲉⲛ ⲭⲏ ⲙⲓ ⳿ⲛ⳿ϥⲥⲱⲟⲩⲛ ⲁⲛ ⳿ⲛⲒⲱⲥⲏⲫ.
19 Ary izy nanao hafetsena tamin’ ny razantsika, dia nampahory azy, ka dia samy nanary ny zanany vao teraka mba tsy ho velona izy.
ⲓ̅ⲑ̅ⲫⲁⲓ ⲁϥϫⲉⲙ ⲟⲩ⳿ⲥⲃⲱ ⳿ⲉϧⲟⲩⲛ ⳿ⲉⲡⲉⲛⲅⲉⲛⲟⲥ ⲁϥ⳿ⲧϩⲉⲙⲕⲟ ⳿ⲛⲛⲉⲛⲓⲟϯ ⲉⲑⲣⲟⲩϩⲓⲟⲩ⳿Ⲓ ⳿ⲛⲛⲟⲩⲕⲟⲩϫⲓ ⳿ⲛ⳿ⲁⲗⲱⲟⲩ⳿ⲓ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ⳿ⲉ⳿ϣⲧⲉⲙⲧⲁⲛϧⲱⲟⲩ.
20 Tamin’ izany andro izany no nahaterahan’ i Mosesy, ary tsara teo anatrehan’ Andriamanitra izy ka notezaina telo volana tao an-tranon’ ny rainy.
ⲕ̅⳿ⲛ⳿ϧⲣⲏⲓ ⲇⲉ ϧⲉⲛ ⲡⲓⲥⲏⲟⲩ ⳿ⲉⲧⲉ⳿ⲙⲙⲁⲩ ⲁⲩⲙⲓⲥⲓ ⳿ⲙⲘⲱ⳿ⲩⲥⲏⲥ ⲛⲉ ⲟⲩⲁⲥⲧⲓⲟⲥ ⲡⲉ ⳿ⲙⲪϯ ⲫⲁⲓ ⲁⲩϣⲁⲛⲟⲩϣϥ ⳿ⲛⲅ̅ ⳿ⲛ⳿ⲁⲃⲟⲧ ϧⲉⲛ ⳿ⲡⲏⲓ ⳿ⲙⲡⲉϥⲓⲱⲧ.
21 Fa rehefa nariana izy, dia nalain’ ny zanakavavin’ i Farao ka notezainy ho zanany.
ⲕ̅ⲁ̅⳿ⲉⲧⲁⲩϩⲓⲧϥ ⲇⲉ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ⲁⲥⲟⲗϥ ⳿ⲛϫⲉ ⳿ⲧϣⲉⲣⲓ ⳿ⲙⲫⲁⲣⲁⲱ.
22 Ary Mosesy nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ ny Egyptiana, ary nahery tamin’ ny teniny sy ny asany izy.
ⲕ̅ⲃ̅ⲟⲩⲟϩ ⲁⲩ⳿ⲧⲥⲁⲃⲉ Ⲙⲱ⳿ⲩⲥⲏⲥ ⳿ⲉ⳿ⲥⲃⲱ ⲛⲓⲃⲉⲛ ⳿ⲛⲧⲉ ⲛⲓⲣⲉⲙ⳿ⲛⲬⲏⲙⲓ ⲛⲁϥϫⲟⲣ ⲡⲉ ϧⲉⲛ ⲛⲉϥⲥⲁϫⲓ ⲛⲉⲙ ⲛⲉϥ⳿ϩⲃⲏⲟⲩ⳿ⲓ.
23 Ary rehefa ho efa-polo taona izy, dia velona tao am-pony ny hamangy ny Zanak’ isiraely, rahalahiny
ⲕ̅ⲅ̅⳿ⲉⲧⲁⲩϫⲱⲕ ⲇⲉ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ⳿ⲛϫⲉ ⲙ̅ ⳿ⲛⲣⲟⲙⲡⲓ ⳿ⲛⲥⲏⲟⲩ ⲁⲥ⳿ⲓ ⳿ⲉϫⲉⲛ ⲡⲉϥϩⲏⲧ ⳿ⲉϫⲉⲙ⳿ⲡϣⲓⲛⲓ ⳿ⲛⲛⲉϥ⳿ⲥⲛⲏⲟⲩ ⲛⲉⲛϣⲏⲣⲓ ⳿ⲙⲠⲓ̅ⲥ̅ⲗ̅.
24 Ary raha nahita ny anankiray nampahorina maina izy, dia namaly ka namono ilay Egyptiana ary namonjy ilay nampahorina.
ⲕ̅ⲇ̅⳿ⲉⲧⲁϥⲛⲁⲩ ⲇⲉ ⲟⲩⲁⲓ ⲉⲩϭⲓ ⳿ⲙⲙⲟϥ ⳿ⲛϫⲟⲛⲥ ⲁϥϣⲉⲛϩⲏⲧ ⲁϥ⳿⳿ⲓⲣⲓ ⳿ⲛⲟⲩϭⲓ ⳿ⲙ⳿ⲡϣⲓϣ ⳿ⲙⲫⲏ⳿ⲉⲛⲁⲩ⳿ⲧϩⲉⲙⲕⲟ ⳿ⲙⲙⲟϥ ⲁϥϧⲱⲧⲉⲃ ⳿ⲙⲡⲓⲣⲉⲙ⳿ⲛⲭⲏⲙⲓ.
25 Ary nataony fa ho fantatry ny rahalahiny fa ny tànany no hamonjen’ Andriamanitra azy; kanjo tsy fantany.
ⲕ̅ⲉ̅⳿ⲉⲛⲁϥⲙⲉⲩⲓ ⲇⲉ ⲡⲉ ϫⲉ ⲥⲉⲛⲁⲕⲁϯ ⳿ⲛϫⲉ ⲛⲉϥ⳿ⲥⲛⲏⲟⲩ ϫⲉ Ⲫϯ ⲛⲁϯ ⳿ⲛⲟⲩⲟⲩϫⲁⲓ ⲛⲱⲟⲩ ⳿ⲉⲃⲟⲗϩⲓⲧⲟⲧϥ ⳿ⲛⲑⲱⲟⲩ ⲇⲉ ⳿ⲙⲡⲟⲩⲕⲁϯ.
26 Ary nony ampitson’ iny dia niseho tamin’ ireo izay niady Mosesy ary nanao izay hampihavana azy ka nanao hoe: Raondriana, mirahalahy ianareo, koa nahoana ianareo no miady?
ⲕ̅ⲋ̅ⲡⲉϥⲣⲁⲥϯ ⲇⲉ ⲁϥⲟⲩⲟⲛϩϥ ⳿ⲉϩⲁⲛⲕⲉ ⲭⲱⲟⲩⲛⲓ ⲉⲩ⳿ⲙⲗⲁϧ ⲟⲩⲟϩ ⲛⲁϥϩⲱⲧⲡ ⳿ⲙⲙⲱⲟⲩ ⲡⲉ ⳿ⲉⲟⲩϩⲓⲣⲏⲛⲏ ⲉϥϫⲱ ⳿ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⳿ⲛⲑⲱⲧⲉⲛ ϩⲁⲛⲣⲱⲙⲓ ⳿ⲛ⳿ⲥⲛⲏⲟⲩ ⲉⲑⲃⲉ ⲟⲩ ⲧⲉⲧⲉⲛ ϭⲓ ⳿ⲛⲛⲉⲧⲉⲛ⳿ⲉⲣⲏⲟⲩ ⳿ⲛϫⲟⲛⲥ.
27 Fa ilay namely maina ny namany dia nanosika azy ka nanao hoe: Iza no nanendry an’ ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay?
ⲕ̅ⲍ̅ⲫⲏ ⲇⲉ ⲉⲧϭⲓ ⳿ⲙⲡⲉϥ⳿ϣⲫⲏⲣ ⳿ⲛϫⲟⲛⲥ ⲁϥϫⲟⲗϥ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ⲉϥϫⲱ ⳿ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲛⲓⲙ ⲡⲉ ⳿ⲉⲧⲁϥⲭⲁⲕ ⳿ⲛⲁⲣⲭⲱⲛ ⲓⲉ ⲣⲉϥϯϩⲁⲡ ⳿ⲉ⳿ϩⲣⲏⲓ ⳿ⲉϫⲱⲛ.
28 Moa ta-hamono ahy koa va ialahy tahaka ny namonoan’ ialahy ilay Egyptiana omaly?
ⲕ̅ⲏ̅ⲙⲏⲉⲕⲟⲩⲱϣ ⳿ⲉϧⲟⲑⲃⲉⲧ ⳿ⲛⲑⲟⲕ ⳿ⲙ⳿ⲫⲣⲏϯ ⳿ⲉⲧⲁⲕϧⲱⲧⲉⲃ ⳿ⲙⲡⲓⲣⲉⲙ⳿ⲛⲬⲏⲙⲓ ⳿ⲛⲥⲁϥ.
29 Ary tamin’ izany teny izany dia nandositra Mosesy ka nivahiny tany amin’ ny tany Midiana, ary tany no niterahany zanaka roa lahy.
ⲕ̅ⲑ̅ⲁϥⲫⲱⲧ ⲇⲉ ⳿ⲛϫⲉ Ⲙⲱ⳿ⲩⲥⲏⲥ ϧⲉⲛ ⲡⲁⲓⲥⲁϫⲓ ⲁϥⲉⲣⲣⲉⲙ⳿ⲛϫⲱⲓⲗⲓ ϧⲉⲛ ⳿ⲡⲕⲁϩⲓ ⳿ⲙⲙⲁⲇⲓⲁⲙ ⲡⲓⲙⲁ ⳿ⲉⲧⲁϥ⳿ϫⲫⲉ ϣⲏⲣⲓ ⲃ̅ ⳿ⲙⲙⲁⲩ.
30 Ary rehefa afaka efa-polo taona, dia nisy anjely niseho taminy tany an-efitry ny tendrombohitra Sinay teo anaty lelafo teo amin’ ny voaroy.
ⲗ̅⳿ⲉⲧⲁⲩϫⲱⲕ ⲇⲉ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ⳿ⲛϫⲉ ⲙ̅ ⳿ⲛⲣⲟⲙⲡⲓ ⲁϥⲟⲩⲟⲛϩϥ ⳿ⲉⲣⲟϥ ϧⲉⲛ ⳿ⲡϣⲁϥⲉ ⳿ⲛⲧⲉ ⳿ⲡⲧⲱⲟⲩ ⳿ⲛⲥⲓⲛⲁ ⳿ⲛϫⲉ ⲟⲩⲁⲅⲅⲉⲗⲟⲥ ϧⲉⲛ ⲟⲩϣⲁϩ ⳿ⲛ⳿ⲭⲣⲱⲙ ϩⲓϫⲉⲛ ⲟⲩⲃⲁⲧⲟⲥ.
31 Ary Mosesy, nony nahita, dia gaga noho ny fahitana; nefa nony nanatona handinika izy, dia tonga ny feon’ ny Tompo nanao hoe:
ⲗ̅ⲁ̅Ⲙⲱ⳿ⲩⲥⲏⲥ ⲇⲉ ⳿ⲉⲧⲁϥⲛⲁⲩ ⳿ⲉⲡⲓϩⲟⲣⲁⲙⲁ ⲁϥⲉⲣ⳿ϣⲫⲏⲣⲓ ⲉϥⲛⲁ⳿ⲓ ⲇⲉ ⳿ⲉϯⲛⲓⲁⲧϥ ⲁⲥϣⲱⲡⲓ ⳿ⲛϫⲉ ⲟⲩ⳿ⲥⲙⲏ ⳿ⲛⲧⲉ Ⲡ⳪ ⲉⲥϫⲱ ⳿ⲙⲙⲟⲥ.
32 Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Dia tora-kovitra Mosesy ka tsy sahy nandinika.
ⲗ̅ⲃ̅ϫⲉ ⳿ⲁⲛⲟⲕ ⲡⲉ Ⲫϯ ⳿ⲛⲧⲉ ⲛⲉⲕⲓⲟϯ Ⲫϯ ⳿ⲛ⳿Ⲁⲃⲣⲁⲁⲙ ⲛⲉⲙ Ⲫϯ ⳿ⲛ⳿ Ⲓⲥⲁⲁⲕ ⲛⲉⲙ Ⲫϯ ⳿ⲛⲒⲁⲕⲱⲃ ⲁϥ⳿ⲥⲑⲉⲣⲧⲉⲣ ⲇⲉ ⳿ⲛϫⲉ Ⲙⲱ⳿ⲩⲥⲏⲥ ⳿ⲙⲡⲉϥⲉⲣⲧⲟⲗⲙⲁⲛ ⳿ⲉϯ⳿ⲛⲓⲁⲧϥ.
33 Ary hoy Jehovah taminy: Esory ny kapa amin’ ny tongotrao; fa masìna io tany ijanonanao io.
ⲗ̅ⲅ̅ⲡⲉϫⲉ Ⲡ⳪ ⲇⲉ ⲛⲁϥ ϫⲉ ⲃⲱⲗ ⳿ⲙⲡⲓⲑⲱⲟⲩ⳿ⲓ ⳿ⲉⲃⲟⲗϩⲓ ⲛⲉⲕϭⲁⲗⲁⲩϫ ⲡⲓⲙⲁ ⲅⲁⲣ ⳿ⲉⲧⲉⲕ⳿ⲟϩⲓ ⳿ⲉⲣⲁⲧⲕ ϩⲓϫⲱϥ ⲟⲩⲕⲁϩⲓ ⲉϥⲟⲩⲁⲃ ⲡⲉ.
34 Hitako tokoa ny fahorian’ ny oloko any Egypta, ary reko ny fitarainany, dia nidina hamonjy azy Aho. Koa andeha ankehitriny, dia hirahiko ho any Egypta ianao.
ⲗ̅ⲇ̅ϧⲉⲛ ⲟⲩⲛⲁⲩ ⲁⲓⲛⲁⲩ ⳿ⲉ⳿ⲡ⳿ⲧϩⲉⲙⲕⲟ ⳿ⲙⲡⲁⲗⲁⲟⲥ ⲉⲧϧⲉⲛ ⲭⲏ ⲙⲓ ⲟⲩⲟϩ ⲁⲓⲥⲱⲧⲉⲙ ⳿ⲉⲡⲟⲩϥⲓ⳿ⲁϩⲟⲙ ⲁⲓ⳿ⲓ ⳿ⲉⲡⲉⲥⲏⲧ ⳿ⲉⲛⲁϩⲙⲟⲩ ϯⲛⲟⲩ ⲇⲉ ⳿ⲁⲙⲟⲩ ⳿ⲛⲧⲁⲟⲩ⳿ⲟⲣⲡⲕ ⳿ⲉ⳿ϩⲣⲏⲓ ⳿ⲉⲬⲏⲙⲓ.
35 Izany Mosesy izany dia nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an’ ialahy ho mpanapaka sy mpitsara? kanjo izy ihany no nirahin’ Andriamanitra ho mpanapaka sy mpanavotra nomban’ ny tanan’ ny Anjely, Ilay niseho taminy teo amin’ ny voaroy.
ⲗ̅ⲉ̅ⲫⲁⲓ ⲡⲉ Ⲙⲱ⳿ⲩⲥⲏⲥ ⳿ⲉⲧⲁⲩϫⲟⲗϥ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ⲉⲩϫⲱ ⳿ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲛⲓⲙ ⲁϥⲭⲁⲕ ⳿ⲛⲁⲣⲭⲱⲛ ⲓⲉ ⲣⲉϥϯϩⲁⲡ ⳿ⲉ⳿ϩⲣⲏⲓ ⳿ⲉϫⲱⲛ ⲫⲁⲓ ⲇⲉ ⳿ⲁ Ⲫϯ ⲧⲁⲟⲩⲟϥ ⳿ⲛⲁⲣⲭⲱⲛ ⲛⲉⲙ ⲣⲉϥⲥⲱϯ ϧⲉⲛ ⳿ⲧϫⲓϫ ⳿ⲙⲡⲓⲁⲅⲅⲉⲗⲟⲥ ⲫⲏ⳿ⲉⲧⲁϥⲟⲩⲟⲛϩϥ ⳿ⲉⲣⲟϥ ϧⲉⲛ ⲡⲓⲃⲁⲧⲟⲥ.
36 Izy no nitondra ny olona nivoaka sady nanao fahagagana sy famantarana tany Egypta sy teo amin’ ny Ranomasina Mena ary tany an-efitra efa-polo taona.
ⲗ̅ⲋ̅ⲫⲏ⳿ⲉⲧⲁϥ⳿ⲉⲛⲟⲩ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ⳿ⲉⲁϥ⳿⳿ⲓⲣⲓ ⳿ⲛϩⲁⲛⲙⲏⲓⲛⲓ ⲛⲉⲙ ϩⲁⲛ⳿ϣⲫⲏⲣⲓ ϧⲉⲛ ⳿ⲡⲕⲁϩⲓ ⳿ⲛⲬⲏⲙⲓ ⲛⲉⲙ ⳿ⲫⲓⲟⲙ ⳿ⲛϣⲁⲣⲓ ⲛⲉⲙ ϧⲉⲛ ⲡϣⲁϥⲉ ⳿ⲛⲙ̅ ⳿ⲛⲣⲟⲙⲡⲓ.
37 Izany no Mosesy izay nilaza tamin’ ny Zanak’ isiraely hoe: Mpaminany no hatsangan’ Andriamanitra ho anareo avy amin’ ny rahalahinareo, tahaka ahy.
ⲗ̅ⲍ̅ⲫⲁⲓ ⲡⲉ Ⲙⲱ⳿ⲩⲥⲏⲥ ⳿ⲉⲧⲁϥϫⲟⲥ ⳿ⲛⲛⲉⲛϣⲏⲣⲓ ⳿ⲙⲠⲓ̅ⲥ̅ⲗ̅ ϫⲉ ⳿ⲉⲣⲉ Ⲫϯ ⲧⲟⲩⲛⲟⲥ ⲟⲩ⳿ⲡⲣⲟⲫⲏⲧⲏⲥ ⲛⲱⲧⲉⲛ ⳿ⲉⲃⲟⲗϧⲉⲛ ⲛⲉⲧⲉⲛ⳿ⲥⲛⲏⲟⲩ ⲛⲁ ⲡⲁⲣⲏϯ ⲥⲱⲧⲉⲙ ⳿ⲛⲥⲱϥ.
38 Izy ilay teo amin’ ny fiangonana tany an-efitra mbamin’ ny Anjely izay niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay sy tamin’ ny razantsika, ka izy no nandray teny velona mba homeny antsika.
ⲗ̅ⲏ̅ⲫⲁⲓ ⲡⲉⲧⲁϥϣⲱⲡⲓ ϧⲉⲛ ϯⲉⲕ⳿ⲕⲗⲏⲥⲓ⳿ⲁ ϩⲓ ⳿ⲡϣⲁϥⲉ ⲛⲉⲙ ⲡⲓⲁⲅⲅⲉⲗⲟⲥ ⲉⲧⲥⲁϫⲓ ⲛⲉⲙⲁϥ ϩⲓϫⲉⲛ ⳿ⲡⲧⲱⲟⲩ ⳿ⲛⲥⲓⲛⲁ ⲛⲉⲙ ⲛⲉⲛⲓⲟϯ ⲫⲁⲓ ⳿ⲉⲧⲁϥϭⲓ ⳿ⲛϩⲁⲛⲥⲁϫⲓ ⳿ⲛⲱⲛϧ ⳿ⲉⲧⲏⲓⲧⲟⲩ ⲛⲱⲧⲉⲛ.
39 Nefa ny razantsika tsy nety nanaiky azy, fa nandà, dia manina an’ i Egypta ny fony,
ⲗ̅ⲑ̅ⲫⲁⲓ ⳿ⲉⲧⲉ ⳿ⲙⲡⲟⲩⲟⲩⲱϣ ⳿ⲉⲥⲱⲧⲉⲙ ⳿ⲛⲥⲱϥ ⳿ⲛϫⲉ ⲛⲉⲛⲓⲟϯ ⲁⲗⲗⲁ ⲁⲩⲭⲁϥ ⲟⲩⲟϩ ⲁⲩⲕⲟⲧⲟⲩ ϧⲉⲛ ⲡⲟⲩϩⲏⲧ ⳿ⲉ⳿ϩⲣⲏⲓ ⳿ⲉⲬⲏⲙⲓ.
40 ka hoy izy tamin’ i Arona: Anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay nitondra antsika nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.
ⲙ̅ⲉⲩϫⲱ ⳿ⲙⲙⲟⲥ ⳿ⲛ⳿ⲁ⳿ⲁⲣⲱⲛ ϫⲉ ⲙⲁⲑⲁⲙⲓ⳿ⲟ ⲛⲁⲛ ⳿ⲛϩⲁⲛⲛⲟⲩϯ ⲛⲁⲓ ⲉⲑⲛⲁⲥⲱⲕ ϧⲁϫⲱⲛ ⲫⲁⲓ ⲅⲁⲣ ⲡⲉ Ⲙⲱ⳿ⲩⲥⲏⲥ ⳿ⲉⲧⲁϥ⳿ⲉⲛⲧⲉⲛ ⳿ⲉⲃⲟⲗϧⲉⲛ ⳿ⲡⲕⲁϩⲓ ⳿ⲛⲬⲏⲙⲓ ⳿ⲛⲧⲉⲛⲥⲱⲟⲩⲛ ⲁⲛ ϫⲉ ⲟⲩ ⲡⲉ ⳿ⲉⲧⲁϥϣⲱⲡⲓ ⳿ⲙⲙⲟϥ.
41 Ary dia nanao ombilahy kely izy tamin’ izany andro izany, dia nanatitra fanatitra tamin’ ny sampy ka niravoravo tamin’ ny asan’ ny tànany.
ⲙ̅ⲁ̅ⲟⲩⲟϩ ⲁⲩⲑⲁⲙⲓ⳿ⲟ ⲛⲱⲟⲩ ⳿ⲛⲟⲩⲙⲁⲥⲓ ϧⲉⲛ ⲛⲓ⳿ⲉϩⲟⲟⲩ ⳿ⲉⲧⲉ⳿ⲙⲙⲁⲩ ⲟⲩⲟϩ ⲁⲩ⳿ⲓⲛⲓ ⳿ⲛⲟⲩϣⲟⲩϣⲱⲟⲩϣⲓ ⳿ⲉ⳿ϩⲣⲏⲓ ⳿ⲙⲡⲓ⳿ⲓⲇⲱⲗⲟⲛ ⲟⲩⲟϩ ⲁⲩⲟⲩⲛⲟϥ ϧⲉⲛ ⲛⲓ⳿ϩⲃⲏⲟⲩⲓ ⳿ⲛⲧⲉ ⲛⲟⲩϫⲓϫ.
42 Fa Andriamanitra nihodina, dia nanolotra azy hanompo izay eny amin’ ny lanitra; araka ny voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny mpaminany hoe: Moa nanatitra zavatra voavono sy fanatitra ho Ahy efa-polo taona tany an-efitra va ianareo, ry taranak’ isiraely?
ⲙ̅ⲃ̅ⲁϥⲕⲟⲧⲟⲩ ⳿ⲛϫⲉ Ⲫϯ ⳿ⲉϣⲉⲙϣⲓ ⳿ⲛϯ ⳿ⲥⲧⲣⲁⲧⲓ⳿ⲁ ⳿ⲛⲧⲉ ⳿ⲧⲫⲉ ⲕⲁⲧⲁ⳿ⲫⲣⲏϯ ⲉⲧ⳿ⲥϧⲏⲟⲩⲧ ϩⲓ ⳿ⲡϫⲱⲙ ⳿ⲛⲧⲉ ⲛⲓⲡⲣⲟⲫⲏⲧⲏⲥ ϫⲉ ⲙⲏ ϩⲁⲛϧⲟⲗϧⲉⲗ ⲛⲉⲙ ϩⲁⲛϣⲟⲩϣⲱⲟⲩϣⲓ ⳿ⲁⲣⲉⲧⲉⲛ⳿ⲉⲛⲟⲩ ⲛⲏⲓ ⳿ⲛ⳿ϩⲣⲏⲓ ϩⲓ ⳿ⲡϣⲁϥⲉ ⳿ⲛⲙ̅ ⳿ⲛⲣⲟⲙⲡⲓ ⳿ⲡⲏⲓ ⳿ⲙⲡⲓⲥ̅ⲗ̅.
43 Tsia, fa nobetainareo ny tranolain’ i Moloka sy ny kintan’ ny andriamanitra atao hoe Refana, Dia ny endri-javatra izay nataonareo hivavahana, Ka dia hamindra anareo ho any ankoatr’ i Babylona Aho.
ⲙ̅ⲅ̅ⲟⲩⲟϩ ⲁⲧⲉⲧⲉⲛϭⲓ ⳿ⲛϯ⳿ⲥⲕⲩⲛⲏ⳿ⲛⲧⲉ ⲙⲟⲗⲟⲭ ⲛⲉⲙ ⲡⲓⲥⲓⲟⲩ ⳿ⲛⲧⲉ ⲡⲉⲧⲉⲛⲛⲟⲩϯ ⲣⲏⲫⲁⲛ ⲛⲓⲧⲩⲡⲟⲥ ⲉⲧ⳿ⲁⲣⲉⲧⲉⲛⲑⲁⲙⲓⲱⲟⲩ ⳿ⲉⲟⲩⲱϣⲧ ⳿ⲙⲙⲱⲟⲩ ⲉⲓ⳿ⲉⲟⲩ⳿ⲉⲧⲉⲃ ⲑⲏⲛⲟⲩ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ⳿ⲉⲛⲓⲥⲁ ⳿ⲛⲧⲉ ⲃⲁⲃⲩⲗⲱⲛ.
44 Ny trano-lain’ ny Vavolombelona dia teo amin’ ny razantsika tany an-efitra, tahaka ny voatendrin’ izay niteny tamin’ i Mosesy mba hanaovany azy araka ny endrika izay efa hitany.
ⲙ̅ⲇ̅ϯ⳿ⲥⲕⲩⲛⲏ⳿ⲛⲧⲉ ϯⲙⲉⲧⲙⲉⲑⲣⲉ ⲑⲏ⳿ⲉⲛⲁⲥ ⳿ⲛⲧⲉ ⲛⲉⲛⲓⲟϯ ϩⲓ ⳿ⲡϣⲁϥⲉ ⳿ⲙ⳿ⲫⲣⲏϯ ⳿ⲉⲧⲁϥⲟⲩⲁϩⲥⲁϩⲛⲓ ⳿ⲛϫⲉ ⲫⲏⲉⲧⲥⲁϫⲓ ⲛⲉⲙ Ⲙⲱ⳿ⲩⲥⲏⲥ ⳿ⲉⲑⲁⲙⲓⲟⲥ ⲕⲁⲧⲁ ⲡⲓⲧⲩⲡⲟⲥ ⳿ⲉⲧⲁϥⲛⲁⲩ ⳿ⲉⲣⲟϥ.
45 Izany koa dia noraisin’ ny razantsika izay nandimby ireo, ka nentiny niditra niaraka tamin’ i Josoa tamin’ ny nahazoany ny tanin’ ny firenena izay noroahin’ Andriamanitra hiala teo anoloan’ ny razantsika hatramin’ ny andron’ i Davida;
ⲙ̅ⲉ̅ⲑⲁⲓ ⳿ⲉⲧⲁⲩⲟⲗⲥ ⳿ⲉϧⲟⲩⲛ ⲛⲉⲙⲱⲟⲩ ⳿ⲉⲁⲩϣⲟⲡⲥ ⳿ⲉⲣⲱⲟⲩ ⳿ⲛϫⲉ ⲛⲉⲛⲓⲟϯ ⲛⲉⲙ ⲓⲏⲥⲟⲩ ϧⲉⲛ ⲡⲓⲁⲙⲁϩⲓ ⳿ⲛⲧⲉ ⲛⲓⲉⲑⲛⲟⲥ ⲛⲏ⳿ⲉⲧⲁ Ⲫϯ ϩⲓⲧⲟⲩ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ϧⲁ⳿ⲧϩⲏ ⳿ⲙ⳿ⲡϩⲟ ⳿ⲛⲧⲉ ⲛⲉⲛⲓⲟϯ ϣⲁ ⲛⲓ⳿ⲉϩⲟⲟⲩ ⳿ⲛⲧⲉ Ⲇⲁⲩⲓⲇ.
46 izy nahita fitia anatrehan’ Andriamanitra ka nangataka hahita trano ho an’ Andriamanitr’ i Jakoba.
ⲙ̅ⲋ̅ⲫⲏ⳿ⲉⲧⲁϥϫⲓⲙⲓ ⳿ⲛⲟⲩ⳿ϩⲙⲟⲧ ⳿ⲙⲡⲉ⳿ⲙⲑⲟ ⳿ⲙⲪϯ ⲁϥⲉⲣ⳿ⲉⲧⲓⲛ ⳿ⲉⲑⲁⲙⲓⲟ ⳿ⲛⲟⲩⲙⲁ ⳿ⲛϣⲱⲡⲓ ⳿ⲙⲪϯ ⳿ⲛⲒⲁⲕⲱⲃ.
47 Fa Solomona kosa no nanao trano ho Azy.
ⲙ̅ⲍ̅Ⲥⲟⲗⲟⲙⲱⲛ ⲇⲉ ⲁϥⲕⲉⲧ ⲟⲩⲏⲓ ⲛⲁϥ.
48 Kanefa ny Avo Indrindra tsy mitoetra ao amin’ izay nataon-tànan’ olona; araka ny nolazain’ ny mpaminany hoe:
ⲙ̅ⲏ̅ⲁⲗⲗⲁ ⲛⲁⲣⲉ ⲡⲉⲧϭⲟⲥⲓ ϣⲟⲡ ⲁⲛ ϧⲉⲛ ϩⲁⲛⲙⲟⲩⲛⲕ ⳿ⲛϫⲓϫ ⲕⲁⲧⲁ⳿ⲫⲣⲏϯ ⳿ⲉⲧⲉ ⲡⲓ⳿ⲡⲣⲟⲫⲏⲧⲏⲥ ϫⲱ ⳿ⲙⲙⲟⲥ.
49 Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Koa trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? hoy Jehovah, Ary manao ahoana no ho fitoerana fitsaharako?
ⲙ̅ⲑ̅ϫⲉ ⳿ⲧⲫⲉ ⲡⲉ ⲡⲁⲑⲣⲟⲛⲟⲥ ⳿ⲡⲕⲁϩⲓ ⲇⲉ ⲡⲉ ⳿ⲫⲙⲁ ⳿ⲛⲥⲉⲙⲛⲓ ⳿ⲛⲧⲉ ⲛⲁϭⲁⲗⲁⲩϫ ⲁϣ ⳿ⲛⲏⲓ ⲫⲏ⳿ⲉⲧⲉⲧⲉⲛⲛⲁⲕⲟⲧϥ ⲛⲏⲓ ⲡⲉϫⲉ Ⲡ⳪ ⲓⲉ ⲁϣ ⲡⲉ ⳿ⲫⲙⲁ ⳿ⲛⲧⲉ ⲡⲁⲙⲁ ⳿ⲛⲉⲙⲧⲟⲛ.
50 Tsy ny tanako va no nanao izao zavatra rehetra izao?
ⲛ̅ⲙⲏⲧⲁϫⲓϫ ⲁⲛ ⲁⲥⲑⲁⲙⲓ⳿ⲉ ⲛⲁⲓ ⲧⲏⲣⲟⲩ.
51 Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo manohitra ny Fanahy Masìna mandrakariva; tahaka ny nataon’ ny razanareo ihany no ataonareo koa.
ⲛ̅ⲁ̅ⲛⲓⲛⲁϣϯ ⲛⲁϩⲃⲓ ⲟⲩⲟϩ ⳿ⲛⲁⲧⲥⲉⲃⲓ ϧⲉⲛ ⲡⲟⲩⲕⲉϩⲏⲧ ⲛⲉⲙ ⲛⲟⲩⲕⲉⲙⲁϣϫ ⳿ⲛⲑⲱⲧⲉⲛ ⳿ⲛⲥⲏⲟⲩ ⲛⲓⲃⲉⲛ ⲧⲉⲧⲉⲛϯ ⳿ⲉϧⲟⲩⲛ ⳿ⲉ⳿ϩⲣⲉⲛ ⲡⲠⲓⲡ͞ⲛⲁ̅ ⲉⲑⲟⲩⲁⲃ ⳿ⲙ⳿ⲫⲣⲏϯ ⳿ⲛⲛⲉⲧⲉⲛⲕⲉⲓⲟϯ ⲟⲩⲟϩ ⳿ⲛⲑⲱⲧⲉⲛ ϩⲱⲧⲉⲛ.
52 Iza no mpaminany izay tsy nenjehin’ ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fihavian’ ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy ianareo,
ⲛ̅ⲃ̅ⲛⲓⲙ ⳿ⲉⲃⲟⲗϧⲉⲛ ⲛⲓⲡⲣⲟⲫⲏⲧⲏⲥ ⳿ⲉⲧⲉ ⳿ⲙⲡⲉ ⲛⲉⲧⲉⲛⲓⲟϯ ϭⲟϫⲓ ⳿ⲛⲥⲱϥ ⲟⲩⲟϩ ⲁⲩϧⲱⲧⲉⲃ ⳿ⲛⲛⲏ⳿ⲉⲧⲁⲩⲉⲣϣⲟⲣⲡ ⳿ⲛϩⲓⲱⲓϣ ⳿ⲙ⳿ⲡϫⲓⲛ⳿Ⲓ ⳿ⲛⲧⲉ ⲡⲓ⳿ⲑⲙⲏⲓ ⲫⲁⲓ ⳿ⲛⲑⲱⲧⲉⲛ ⲉⲧ⳿ⲁⲣⲉⲧⲉⲛⲧⲏⲓϥ ⲟⲩⲟϩ ⳿ⲁⲣⲉⲧⲉⲛϧⲟⲑⲃⲉϥ.
53 dia olona izay nahazo ny lalàna tamin’ ny nandaharan’ anjely azy, nefa tsy nankato izany.
ⲛ̅ⲅ̅⳿ⲛⲑⲱⲧⲉⲛ ⳿ⲁⲣⲉⲧⲉⲛϭⲓ ⳿ⲙⲡⲓⲛⲟⲙⲟⲥ ⳿ⲉϩⲁⲛⲑⲱϣ ⳿ⲛⲁⲅⲅⲉⲗⲟⲥ ⳿ⲙⲡⲉⲧⲉⲛ⳿ⲁⲣⲉϩ ⳿ⲉⲣⲟϥ.
54 Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy.
ⲛ̅ⲇ̅ⲛⲁⲓ ⲇⲉ ⳿ⲉⲧⲁⲩⲥⲟⲑⲙⲟⲩ ⲛⲁⲩϣⲟⲡϣⲉⲡ ⳿ⲙⲡⲟⲩϩⲏⲧ ⲟⲩⲟϩ ⲛⲁⲩ⳿ϧⲣⲁϫⲣⲉϫ ⳿ⲛⲛⲟⲩⲛⲁϫϩⲓ ⳿ⲉ⳿ϩⲣⲏⲓ ⳿ⲉϫⲱϥ.
55 Fa Stefana, feno ny Fanahy Masìna, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’ Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan’ Andriamanitra,
ⲛ̅ⲉ̅⳿ⲥⲧⲉⲫⲁⲛⲟⲥ ⲇⲉ ⲉϥⲙⲉϩ ⳿ⲉⲃⲟⲗϧⲉⲛ ⲡⲠⲓⲡ͞ⲛⲁ̅ ⲉⲑⲟⲩⲁⲃ ⲛⲉⲙ ⳿ⲫⲛⲁϩϯ ⲁϥⲥⲟⲙⲥ ⳿ⲉ⳿ϩⲣⲏⲓ ⳿ⲉ⳿ⲧⲫⲉ ⲁϥⲛⲁⲩ ⳿ⲉ⳿ⲡ⳿ⲱⲟⲩ ⳿ⲙⲪϯ ⲟⲩⲟϩ Ⲓⲏ̅ⲥ̅ ⲉϥ⳿ⲟϩⲓ ⳿ⲉⲣⲁⲧϥ ⲥⲁⲟⲩ⳿ⲓⲛⲁⲙ ⳿ⲙⲪϯ.
56 dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak’ olona mitsangana eo ankavanan’ Andriamanitra.
ⲛ̅ⲋ̅ⲟⲩⲟϩ ⲡⲉϫⲁϥ ϫⲉ ϩⲏⲡⲡⲉ ϯⲛⲁⲩ ⳿ⲉⲛⲓⲫⲏⲟⲩ⳿ⲓ ⲉⲩⲟⲩⲏⲛ ⲟⲩⲟϩ Ⲡ̇ϣⲏⲣⲓ ⳿ⲙⲪ̇ⲣⲱⲙⲓ ⲉϥ⳿ⲟϩⲓ ⳿ⲉⲣⲁⲧϥ ⲥⲁⲟⲩ⳿ⲓⲛⲁⲙ ⳿ⲙⲪϯ.
57 Ary ny olona niantso tamin’ ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy,
ⲛ̅ⲍ̅ⲁⲩⲱϣ ⳿ⲉⲃⲟⲗ ⲧⲏⲣⲟⲩ ϧⲉⲛ ⲟⲩⲛⲓϣϯ ⳿ⲛ⳿ⲥⲙⲏ ⲁⲩ⳿ⲁⲙⲁϩⲓ ⳿ⲛⲛⲟⲩⲙⲁϣϫ ⲟⲩⲟϩ ⲁⲩϭⲟϫⲓ ⲉⲩⲥⲟⲡ ⲧⲏⲣⲟⲩ ⳿ⲉ⳿ϩⲣⲏⲓ ⳿ⲉϫⲱϥ.
58 dia nandroaka azy ho eny ivelan’ ny tanàna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan’ ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.
ⲛ̅ⲏ̅ⲁⲩϩⲓⲧϥ ⲥⲁⲃⲟⲗ ⳿ⲛϯⲃⲁⲕⲓ ⲁⲩϩⲓ⳿ⲱⲛⲓ ⳿ⲉϫⲱϥ ⲟⲩⲟϩ ⲛⲓⲙⲉⲑⲣⲉⲩ ⲁⲩⲭⲱ ⳿ⲛⲛⲟⲩ⳿ϩⲃⲱⲥ ϧⲁⲣⲁⲧϥ ⳿ⲛⲟⲩϧⲉⲗϣ⳿⳿ⲓⲣⲓ ⳿ⲉⲡⲉϥⲣⲁⲛ ⲡⲉ ⲥⲁⲩⲗⲟⲥ.
59 Ary ny olona nitora-bato an’ i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko.
ⲛ̅ⲑ̅ⲟⲩⲟϩ ⲁⲩϩⲓ⳿ⲱⲛⲓ ⳿ⲉϫⲉⲛ ⳿ⲥⲧⲉⲫⲁⲛⲟⲥ ⲉϥϯϩⲟ ⲉϥϫⲱ ⳿ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ Ⲡ⳪ Ⲓⲏ̅ⲥ̅ ϣⲉⲡ ⲡⲁⲡ͞ⲛⲁ̅ ⳿ⲉⲣⲟⲕ.
60 Dia nandohalika izy ka niantso tamin’ ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.
ⲝ̅ⲁϥϩⲓⲧϥ ⳿ⲉϫⲉⲛ ⲛⲉϥⲕⲉⲗⲓ ⲁϥⲱϣ ⳿ⲉⲃⲟⲗϧⲉⲛ ⲟⲩⲛⲓϣϯ ⳿ⲛ⳿ⲥⲙⲏ ϫⲉ Ⲡ⳪ ⳿ⲛⲛⲉⲕⲉⲡ ⲡⲁⲓⲛⲟⲃⲓ ⳿ⲉⲣⲱⲟⲩ ⲫⲁⲓ ⲇⲉ ⳿ⲉⲧⲁϥϫⲟϥ ⲁϥⲉⲛⲕⲟⲧ.

< Asan'ny Apostoly 7 >