< Asan'ny Apostoly 21 >

1 Ary rehefa tafasarika taminy izahay, dia niondrana an-tsambo ka nizotra nankany Kosy; ary nony ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala tao nankany Patara;
Tulipokwisha agana nao, tulipanda meli tukaenda moja kwa moja mpaka Kosi. Kesho yake tulifika Rodo, na kutoka huko tulikwenda Patara.
2 ary nony nahita sambo nita ho any Foinika izahay, dia nifindra sambo teo ka lasa nandeha.
Huko, tulikuta meli iliyokuwa inakwenda Foinike, hivyo tulipanda, tukasafiri.
3 Ary nony nahatsinjo an’ i Kyprosy izahay, dia nandalo azy tamin’ ny ankavia ka nankany Syria, dia niantsona tao Tyro; fa tao no notaterina ny entan’ ny sambo.
Baada ya kufika mahali ambapo tuliweza kuona Kupro, tulipitia upande wake wa kusini tukaelekea Siria. Tulitia nanga katika mji wa Tiro ambapo ile meli ilikuwa ipakuliwe shehena yake.
4 Ary nony nitady ny mpianatra izahay ka nahita azy, dia nitoetra teo hafitoana; ary izy ireo dia voatsindrin’ ny Fanahy hilaza amin’ i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema.
Tulikuta waumini huko, tukakaa pamoja nao kwa muda wa juma moja. Waumini hao wakawa waongea kwa nguvu ya Roho, wakamwambia Paulo asiende Yerusalemu.
5 Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia niala izahay ka lasa nandeha; ary izy rehetra mbamin’ ny vadiny aman-janany dia nanatitra anay hatrany ivelan’ ny tanàna; ary nandohalika teo amoron-dranomasina izahay ka nivavaka;
Lakini muda wetu ulipokwisha tuliondoka. Wote pamoja na wanawake na watoto wao walitusindikiza mpaka nje ya mji. Tulipofika pwani, sote tulipiga magoti tukasali.
6 ary rehefa nifanao veloma izahay, dia nirotsaka an-tsambo; fa izy ireo kosa niverina nody.
Kisha tuliagana; sisi tukapanda meli nao wakarudi makwao.
7 Ary ny niafaran’ ny nandehananay an-tsambo dia tany Tolemaia, rehefa avy tany Tyro; ary niarahaba ny rahalahy izahay ka nitoetra teo aminy indray andro.
Sisi tuliendelea na safari yetu kutoka Tiro tukafika Tolemai ambapo tuliwasalimu ndugu zetu, tukakaa nao siku moja.
8 Ary nony ampitso dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria ary niditra tao an-tranon’ i Filipo evanjelista, izay anankiray tamin’ izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay.
Kesho yake tuliondoka tukaenda Kaisarea. Huko Kaisarea tulikwenda nyumbani kwa mhubiri Filipo. Yeye alikuwa mmoja wa wale saba waliochaguliwa kule Yerusalemu.
9 Ary izany lehilahy izany dia nanana zanakavavy virijina efatra izay naminany.
Alikuwa na binti watatu ambao walikuwa na kipaji cha unabii.
10 Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia.
Baada ya kukaa huko siku kadhaa, nabii mmoja aitwaye Agabo alifika kutoka Yudea.
11 Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon’ i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan’ ny tenany, dia hoy izy; Izao no lazain’ ny Fanahy Masìna: Toy izao no hamatoran’ ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon’ ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan’ ny jentilisa izy.
Alitujia, akachukua mkanda wa Paulo, akajifunga mikono na miguu, akasema “Roho Mtakatifu asema hivi: Wayahudi kule Yerusalemu watamfunga namna hii mtu mwenye ukanda na kumtia mikononi mwa watu wa mataifa.”
12 Ary raha vao renay izany, dia nangataka taminy izahay mbamin’ izay nonina teo mba tsy hiakarany any Jerosalema.
Tuliposikia hayo, sisi na wale watu wengine waliokuwa hapo tulimsihi Paulo asiende Yerusalemu.
13 Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran’ i Jesosy Tompo.
Lakini yeye alijibu, “Mnataka kufanya nini? Mnataka kuvunja moyo wangu kwa machozi? Niko tayari siyo tu kutiwa ndani kule Yerusalemu, ila hata kufa kwa ajili ya Bwana Yesu.”
14 Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon’ ny Tompo no hatao.
Tuliposhindwa kumshawishi tulinyamaza, tukasema tu: “Mapenzi ya Bwana yafanyike”
15 Ary rehefa afaka izany andro izany, dia nifehy entana izahay ka niakatra nankany Jerosalema.
Baada ya kukaa pale kwa muda, tulifunga mizigo yetu, tukaendelea na safari kwenda Yerusalemu.
16 Dia niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy tany Kaisaria, izay nitondra anay ho any amin’ i Menasona, olona avy any Kyprosy sady mpianatra maintimolaly, izay nokasainay hitoerana.
Wengine kati ya wale wafuasi wa Kaisarea walienda pamoja nasi, wakatupeleka nyumbani kwa Mnasoni ambaye tulikuwa tunakwenda kukaa naye kwa muda. Mnasoni alikuwa mwenyeji wa Kupro na alikuwa amekuwa muumini kwa siku nyingi.
17 Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin’ ny fifaliana ny rahalahy.
Tulipofika Yerusalemu, ndugu waumini walitupokea vizuri sana.
18 Ary nony ampitso dia niara-niditra tany amin’ i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny loholona rehetra.
Kesho yake Paulo alikwenda pamoja nasi kumwamkia Yakobo, na wazee wote wa kanisa walikuwako pia.
19 Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin’ Andriamanitra azy tany amin’ ny jentilisa izy.
Baada ya kuwasalimu, Paulo aliwapa taarifa kamili kuhusu yote Mungu aliyokuwa ametenda kati ya mataifa kwa njia ya utumishi wake.
20 Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza an’ Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin’ i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary fatra-pitàna ny lalàna izy rehetra,
Waliposikia hayo, walimtukuza Mungu. Kisha wakamwambia Paulo, “Ndugu, unaweza kuona kwamba kuna maelfu ya Wayahudi ambao sasa wamekuwa waumini na wote hao wanashika kwa makini Sheria ya Mose.
21 sady efa novokisan’ olona ny aminao, fa ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin’ ny jentilisa hahafoy an’ i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana.
Wamepata habari zako kwamba umekuwa ukiwafundisha Wayahudi wanaoishi kati ya mataifa mengine kuwa wasiijali Sheria ya Mose, wasiwatahiri watoto wao na kwamba wasizifuate mila za Wayahudi.
22 Ahoana ary no izy? Tsy maintsy ho reny ny nahatongavanao.
Sasa, mambo yatakuwaje? Ni dhahiri kuwa watapata habari kwamba umekwisha wasili hapa.
23 Ary noho izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy etỳ izay nivoady;
Basi, fanya kama tunavyokushauri. Tunao hapa watu wanne ambao wameweka nadhiri.
24 raiso ireo ka manadiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao aza mandeha manaraka ny lalàna kosa.
Jiunge nao katika ibada ya kujitakasa, ukalipe na gharama zinazohusika, kisha wanyolewe nywele zao. Hivyo watu wote watatambua kwamba habari zile walizoambiwa juu yako hazina msingi wowote, na kwamba wewe binafsi bado unaishi kufuatana na maagizo ya Sheria za Mose.
25 Fa ny amin’ ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin’ ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana.
Kuhusu wale watu wa mataifa mengine ambao wamekuwa waumini, tumekwisha wapelekea barua tukiwaambia mambo tuliyoamua: wasile chochote kilichotambikiwa miungu ya uongo, wasinywe damu, wasile nyama ya mnyama aliyenyongwa, na wajiepushe na uasherati.”
26 Dia noraisin’ i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo an-kianjan’ ny tempoly, nanambara ny fahatanterahan’ ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an’ ny isan-dahy.
Basi, kesho yake Paulo aliwachukua wale watu akafanya ibada ya kujitakasa pamoja nao. Kisha akaingia Hekaluni kutoa taarifa kuhusu mwisho wa siku za kujitakasa na kuhusu dhabihu itakayotolewa kwa ajili ya kila mmoja wao.
27 Ary rehefa ho tapitra ny hafitoana, dia nahita an’ i Paoly teo an-kianjan’ ny tempoly ny Jiosy avy tany Asia, ka nampikotaba ny vahoaka rehetra izy sady nisambotra an’ i Paoly,
Wakati siku hizo saba zilipokaribia kuisha, Wayahudi waliokuwa wametoka katika mkoa wa Asia walimwona Paulo Hekaluni. Wakachochea hasira kati ya kundi lote la watu, wakamtia nguvuni
28 ka dia niantso hoe: Avia, ry lehilahy Isiraely, fa io no lehilahy mampianatra ny olona rehetra ombieniombieny manohitra ny olona Isiraely sy ny lalàna sy ity fitoerana ity, sady nampiditra jentilisa teo an-kianjan’ ny tempoly izy ka nandoto ity fitoerana masìna.
wakipiga kelele: “Wananchi wa Israeli, msaada, msaada! Huyu ndiye yule mtu anayewafundisha watu kila mahali mambo yanayopinga watu wa Israeli, yanayopinga Sheria ya Mose na mahali hapa patakatifu. Hata sasa amewaingiza watu wa mataifa mengine Hekaluni na kupatia najisi mahali hapa patakatifu.”
29 (fa efa hitany rahateo fa niaraka taminy tao an-tanàna Trofimo Efesiana, ka nataony fa nampidirin’ i Paoly teo an-kianjan’ ny tempoly izy).
Sababu ya kusema hivyo ni kwamba walikuwa wamemwona Trofimo mwenyeji, wa Efeso, akiwa pamoja na Paulo mjini, wakadhani kwamba Paulo alikuwa amemwingiza Hekaluni.
30 Dia nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna rehetra, ka nihazakazaka nivory ny olona; ary Paoly dia nosamboriny ka nosarihany hiala eo an-kianjan’ ny tempoly; ary niaraka tamin’ izay dia narindrina ny vavahady.
Mji wote ulienea ghasia; watu wakaja kutoka pande zote, wakamkamata Paulo, wakamburuta, wakamtoa nje ya Hekalu na papo hapo milango ya Hekalu ikafungwa.
31 Ary raha nitady hamono azy ny olona, dia nisy teny nakarina tany amin’ ny mpifehy arivo tamin’ ny antokon’ ny miaramila nilaza fa mikotaba avokoa Jerosalema rehetra;
Walikuwa tayari kumuua, lakini habari zilimfikia mkuu wa jeshi la Kiroma kuwa Yerusalemu yote ilikuwa imejaa ghasia.
32 ary niaraka tamin’ izay dia naka miaramila sy kapiteny izy ka nihazakazaka nidina nankeo aminy; ary raha nahita ny mpifehy arivo sy ny miaramila ny olona, dia nitsahatra tsy nikapoka an’ i Paoly.
Mara, mkuu wa jeshi akawachukua askari na jemadari, akalikabili lile kundi la watu. Nao walipomwona mkuu wa jeshi na askari, wakaacha kumpiga Paulo.
33 Ary ny mpifehy arivo nanakaiky, dia nisambotra azy ka nandidy hamatotra ary tamin’ ny gadra roa, dia nanontany hoe: Iza moa izy, ary inona moa no nataony?
Mkuu wa jeshi alimwendea Paulo, akamtia nguvuni na kuamuru afungwe minyororo miwili. Kisha akauliza, “Ni mtu gani huyu, na amefanya nini?”
34 Ary ny sasany tamin’ ny olona maro niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; ary rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny fikotranana, dia nasainy nentina ho any anati-rova Paoly.
Wengine katika lile kundi la watu walikuwa wanapayuka kitu hiki na wengine kitu kingine. Kwa sababu ya ghasia hiyo, mkuu wa jeshi hakufaulu kujua kisa kamili. Hivyo, aliamuru watu wake wampeleke Paulo ndani ya ngome.
35 Ary rehefa tonga teo amin’ ny ambaratonga izy, dia nobetain’ ny miaramila noho ny fifanosehan’ ny olona;
Paulo alipofika kwenye ngazi, askari walilazimika kumbeba kwa sababu ya fujo za watu.
36 fa ny olona maro nanaraka ka niantso hoe: Vonoy ilehio!
Kwa maana kundi kubwa la watu walimfuata wakipiga kelele, “Muulie mbali!”
37 Ary rehefa nentiny tany anati-rova Paoly, dia hoy izy tamin’ ny mpifehy arivo: Mahazo miteny aminao va aho? Dia hoy izy: Mahay teny Grika va ianao?
Walipokuwa wanamwingiza ndani ya ngome, Paulo alimwomba mkuu wa jeshi akisema, “Naweza kukwambia kitu?” Yule mkuu wa jeshi akamjibu, “Je unajua Kigiriki?
38 Moa tsy ianao va ilay Egyptiana, izay nampikomy ny olona fahiny ka nitarika ny efatra arivo lahy mpitondra lefom-pohy nankany an-efitra?
Kwani wewe si yule Mmisri ambaye hivi majuzi alianzisha uasi na kuwaongoza majahili elfu nne hadi jangwani?”
39 Fa hoy Paoly: Izaho Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin’ izay tanàna tsy kely laza; koa trarantitra ianao, aoka aho mba hiteny amin’ ny olona.
Paulo akajibu, “Mimi ni Myahudi, mzaliwa wa Tarso katika Kilikia; mimi ni raia wa mji maarufu. Tafadhali, niruhusu niongee na watu.
40 Ary Paoly, rehefa navelany, dia nitsangana teo amin’ ny ambaratonga ka nanofa tanana tamin’ ny olona. Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin’ ny teny Hebreo izy ka nanao hoe:
Yule mkuu wa jeshi akamruhusu. Hivyo Paulo alisimama juu ya ngazi, akawapungia mkono wale watu na walipokaa kimya, akaanza kuongea nao kwa Kiebrania.

< Asan'ny Apostoly 21 >