< Asan'ny Apostoly 18 >

1 Ary rehefa afaka izany, dia niala tany Atena Paoly ka nankany Korinto.
Baada ya hayo, Paulo aliondoka Athene, akaenda Korintho.
2 Ary izy nahita Jiosy anankiray atao hoe Akoila, izay teraka tany Ponto, vao avy tany Italia, ary Prisila vadiny (fa Klaodio efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma), dia nankeo amin’ izy mivady Paoly.
Huko Korintho, alimkuta Myahudi mmoja aitwaye Akula, mzaliwa wa Ponto. Akula pamoja na mkewe aitwaye Priskila, walikuwa wamerudi kutoka Italia siku hizohizo kwa sababu Kaisari Klaudio alikuwa ameamuru Wayahudi wote waondoke Roma. Paulo alikwenda kuwaona,
3 Ary satria niray raharaha taminy izy, dia nitoetra tao aminy ka niasa; fa ny manao lay no raharahany.
na kwa vile wao walikuwa mafundi wa kushona mahema kama alivyokuwa yeye, Paulo alikaa nao akafanya kazi.
4 Ary niady hevitra isan-tSabata tao amin’ ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa.
Kila Sabato alifanya majadiliano katika sunagogi akijaribu kuwavuta Wayahudi na Wagiriki.
5 Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin’ ny teny Paoly ka nanambara tamin’ ny Jiosy fa Jesosy no Kristy.
Baada ya Sila na Timotheo kuwasili kutoka Makedonia, Paulo alianza kutumia wakati wake wote kwa ajili ya kuhubiri, akawathibitishia Wayahudi kwamba Yesu ndiye Kristo.
6 Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin’ izao sisa izao dia hankany amin’ ny jentilisa aho.
Walipompinga na kuanza kumtukana, aliyakung'uta mavazi yake mbele yao akisema, “Mkipotea ni shauri lenu wenyewe; mimi sina lawama yoyote juu ya jambo hilo. Na tangu sasa nitawaendea watu na mataifa mengine.”
7 Ary raha niala teo izy, dia niditra tao an-tranon’ ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka tamin’ Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin’ ny synagoga.
Basi, akatoka hapo akaenda kukaa nyumbani kwa mtu mmoja mcha Mungu aitwaye Tito Yusto. Nyumba yake Tito ilikuwa karibu na lile sunagogi.
8 Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin’ ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa.
Lakini Krispo, mkuu wa sunagogi, alimwamini Bwana yeye pamoja na jamaa yake yote. Wakorintho wengi waliusikiliza ujumbe huo, wakaamini na kubatizwa.
9 Ary ny Tompo niteny tamin’ i Paoly tamin’ ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangìna;
Siku moja usiku, Bwana alimwambia Paulo katika maono: “Usiogope, endelea kuhubiri tu bila kufa moyo,
10 fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin’ ity tanàna ity Aho.
maana mimi niko pamoja nawe. Hakuna mtu atakayejaribu kukudhuru maana hapa mjini pana watu wengi walio upande wangu.”
11 Ary izy nitoetra teo herintaona sy enim-bolana ka nampianatra ny tenin’ Andriamanitra teo aminy.
Basi, Paulo alikaa huko akifundisha neno la Mungu kati yao kwa muda wa mwaka mmoja na nusu.
12 Fa raha Galio no governora tany Akaia dia niray tetika hisambotra an’ i Paoly ny Jiosy, ary nitondra azy nankeo amin’ ny fitsarana,
Lakini wakati Galio alipokuwa mkuu wa mkoa wa Akaya, Wayahudi walimvamia Paulo kwa pamoja na kumpeleka mahakamani.
13 ka dia nanao hoe: Ilehio mampanaiky ny olona hivavaka amin’ Andriamanitra, nefa tsy araka ny lalàna.
Wakasema, “Tunamshtaki mtu huyu kwa sababu ya kuwashawishi watu wamwabudu Mungu kwa namna inayopingana na Sheria.”
14 Ary raha hiloa-bava Paoly, dia hoy Galio tamin’ ny Jiosy: Ry Jiosy, raha misy heloka, na zavatra ratsy natao, dia mety raha mandefitra aminareo aho;
Kabla tu Paulo hajaanza kusema, Galio aliwaambia Wayahudi, “Sikilizeni enyi Wayahudi! Kama kweli jambo hili lingekuwa juu ya uhalifu au uovu ningekuwa tayari kuwasikilizeni.
15 fa raha ady hevitra sy anarana ary ny lalànareo kosa, dia ataovinareo ihany; fa izaho tsy te-hitsara izany raharaha izany.
Lakini kama ni shauri la ubishi kuhusu maneno na majina ya Sheria yenu, amueni ninyi wenyewe. Mimi sitaki kuwa hakimu wa mambo haya!”
16 Ary nandroaka azy hiala teo anoloan’ ny fitsarana izy.
Basi, akawafukuza kutoka mahakamani.
17 Ary izy rehetra nisambotra an’ i Sostena, mpanapaka ny synagoga, dia nikapoka azy teo anoloan’ ny fitsarana. Nefa tsy nahoan’ i Galio izany zavatra izany.
Nao wote wakamkamata Sosthene ambaye alikuwa kiongozi wa sunagogi, wakampiga palepale mbele ya mahakama. Lakini Galio hakujali kitendo hicho hata kidogo.
18 Ary Paoly mbola nitoetra teo andro maromaro ihany, ary rehefa nanao veloma ny rahalahy izy, dia niondrana an-tsambo nankany Syria, ary Prisila sy Akoila niaraka taminy koa; ny volon-dohany nohetezany tany Kenkrea, satria efa nivoady izy.
Paulo alikaa bado na wale ndugu huko Korintho kwa siku nyingi. Kisha aliwaaga, akapanda meli kwenda Siria pamoja na Priskila na Akula. Huko Kenkrea, alinyoa nywele zake kwa sababu ya nadhiri aliyokuwa ameweka.
19 Ary tonga tany Efesosy izy, dia nandao azy mivady teo Paoly ka lasa niditra tao amin’ ny synagoga ka niady hevitra tamin’ ny Jiosy.
Walifika Efeso na hapo Paulo aliwaacha Priskila na Akula, akaenda katika sunagogi, akajadiliana na Wayahudi.
20 Ary nangataka azy hitoetra elaela kokoa ny olona, fa tsy nety izy,
Walimwomba akae nao muda mrefu zaidi, lakini hakupenda.
21 fa nanao veloma azy ka nanao hoe: Mbola hiverina hankatỳ aminareo indray aho, raha sitrapon’ Andriamanitra. Dia niondrana an-tsambo niala tany Efesosy izy.
Bali alipokuwa anaondoka, alisema, “Mungu akipenda nitakuja kwenu tena.” Akaondoka Efeso kwa meli.
22 Ary rehefa tafatody tany Kaisaria izy, dia niakatra ka niarahaba ny fiangonana vao nidina nankany Antiokia.
Meli ilitia nanga Kaisarea, naye Paulo akaenda Yerusalemu kulisalimia lile kanisa, kisha akaenda Antiokia.
23 Ary rehefa nitoetra tao elaela ihany izy, dia lasa nandeha nitety ny tany Galatia sy Frygia ka nampahery ny mpianatra rehetra.
Alikaa huko muda mfupi, halafu akaendelea na safari kwa kupitia sehemu za Galatia na Frugia akiwatia moyo wafuasi wote.
24 Ary tonga tany Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin’ ny Soratra Masìna.
Myahudi mmoja aitwaye Apolo, mzaliwa wa Aleksandria, alifika Efeso. Alikuwa mtu mwenye ufasaha wa kuongea na mwenye ujuzi mkubwa wa Maandiko Matakatifu.
25 Izany lehilahy izany efa nampianarina ny lalan’ ny Tompo; ary nafana fo izy, dia niteny sy nampianatra marimarina ny amin’ i Jesosy, kanefa ny batisan’ i Jaona ihany no fantany.
Alikuwa amefundishwa juu ya hiyo njia ya Bwana, na akiwa motomoto, aliongea juu ya habari za Yesu. Akafundisha kwa usahihi ingawa alikuwa amepata ubatizo wa Yohane tu.
26 Ary izy niteny tamin’ ny fahasahiana teo amin’ ny synagoga; ary rehefa nandre azy Prisila sy Akoila, dia nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin’ ny lalan’ Andriamanitra.
Priskila na Akula walipomsikia akiongea kwa uhodari ndani ya sunagogi, walimchukua kwao wakamfundisha hiyo Njia ya Mungu kwa usahihi zaidi.
27 Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin’ ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy, dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana;
Apolo alipoamua kwenda Akaya, wale ndugu walimtia moyo kwa kuwaandikia wafuasi kule Akaya wampokee. Alipofika huko, aliweza kwa msaada wa neema ya Mungu, kuwasaidia sana wale ndugu waliopata kuwa waumini;
28 fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason’ ny olona ka naneho marimarina tamin’ ny Soratra Masìna fa Jesosy no Kristy.
kwa maana aliendelea kwa uhodari kuwashinda Wayahudi hadharani akithibitisha kwa Maandiko Matakatifu kuwa Yesu ni Kristo.

< Asan'ny Apostoly 18 >