< 2 Timoty 1 >

1 Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, mba ho mpitory ny teny fikasana milaza ny fiainana izay ao amin’ i Kristy Jesosy,
Παῦλος, ἀπόστολος Χριστοῦ Ἰησοῦ διὰ θελήματος Θεοῦ κατ᾽ ἐπαγγελίαν ζωῆς τῆς ἐν Χριστῷ Ἰησοῦ,
2 mamangy an’ i Timoty, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
Τιμοθέῳ ἀγαπητῷ τέκνῳ· χάρις, ἔλεος, εἰρήνη ἀπὸ Θεοῦ πατρὸς καὶ Χριστοῦ Ἰησοῦ τοῦ Κυρίου ἡμῶν.
3 Misaotra an’ Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny nataon’ ny razako amin’ ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin’ ny fivavahako andro aman’ alina;
Χάριν ἔχω τῷ Θεῷ, ᾧ λατρεύω ἀπὸ προγόνων ἐν καθαρᾷ συνειδήσει, ὡς ἀδιάλειπτον ἔχω τὴν περὶ σοῦ μνείαν ἐν ταῖς δεήσεσί μου νυκτὸς καὶ ἡμέρας,
4 ary maniry hahita anao aho (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho;
ἐπιποθῶν σε ἰδεῖν, μεμνημένος σου τῶν δακρύων, ἵνα χαρᾶς πληρωθῶ,
5 fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao anatin’ i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa izany.
ὑπόμνησιν λαμβάνων τῆς ἐν σοὶ ἀνυποκρίτου πίστεως, ἥτις ἐνῴκησε πρῶτον ἐν τῇ μάμμῃ σου Λωΐδι καὶ τῇ μητρί σου Εὐνίκῃ, πέπεισμαι δὲ ὅτι καὶ ἐν σοί.
6 Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra, izay ao anatinao tamin’ ny fametrahako ny tanako.
δι᾽ ἣν αἰτίαν ἀναμιμνήσκω σε ἀναζωπυρεῖν τὸ χάρισμα τοῦ Θεοῦ, ὅ ἐστιν ἐν σοὶ διὰ τῆς ἐπιθέσεως τῶν χειρῶν μου·
7 Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
οὐ γὰρ ἔδωκεν ἡμῖν ὁ Θεὸς Πνεῦμα δειλίας, ἀλλὰ δυνάμεως καὶ ἀγάπης καὶ σωφρονισμοῦ.
8 Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin’ Andriamanitra,
μὴ οὖν ἐπαισχυνθῇς τὸ μαρτύριον τοῦ Κυρίου ἡμῶν μηδὲ ἐμὲ τὸν δέσμιον αὐτοῦ, ἀλλὰ συγκακοπάθησον τῷ εὐαγγελίῳ κατὰ δύναμιν Θεοῦ,
9 Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ ny fiantsoana masìna, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin’ i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola; (aiōnios g166)
τοῦ σώσαντος ἡμᾶς καὶ καλέσαντος κλήσει ἁγίᾳ, οὐ κατὰ τὰ ἔργα ἡμῶν, ἀλλὰ κατ᾽ ἰδίαν πρόθεσιν καὶ χάριν, τὴν δοθεῖσαν ἡμῖν ἐν Χριστῷ Ἰησοῦ πρὸ χρόνων αἰωνίων, (aiōnios g166)
10 fa naharihary ankehitriny tamin’ ny nisehoan’ i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin’ ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay;
φανερωθεῖσαν δὲ νῦν διὰ τῆς ἐπιφανείας τοῦ σωτῆρος ἡμῶν Ἰησοῦ Χριστοῦ, καταργήσαντος μὲν τὸν θάνατον, φωτίσαντος δὲ ζωὴν καὶ ἀφθαρσίαν διὰ τοῦ εὐαγγελίου,
11 ny amin’ io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra.
εἰς ὃ ἐτέθην ἐγὼ κήρυξ καὶ ἀπόστολος καὶ διδάσκαλος ἐθνῶν.
12 Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-pihavin’ izay andro izay.
δι᾽ ἣν αἰτίαν καὶ ταῦτα πάσχω, ἀλλ᾽ οὐκ ἐπαισχύνομαι· οἶδα γὰρ ᾧ πεπίστευκα, καὶ πέπεισμαι ὅτι δυνατός ἐστι τὴν παραθήκην μου φυλάξαι εἰς ἐκείνην τὴν ἡμέραν.
13 Tano amin’ ny finoana ny ny fitiavana ao amin’ i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko.
ὑποτύπωσιν ἔχε ὑγιαινόντων λόγων ὧν παρ᾽ ἐμοῦ ἤκουσας, ἐν πίστει καὶ ἀγάπῃ τῇ ἐν Χριστῷ Ἰησοῦ·
14 Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin’ ny fampaherezan’ ny Fanahy Masìna, Izay mitoetra ao anatintsika.
τὴν καλὴν παραθήκην φύλαξον διὰ Πνεύματος Ἁγίου τοῦ ἐνοικοῦντος ἐν ἡμῖν.
15 Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan’ ireny Fygelo sy Hermogena.
Οἶδας τοῦτο, ὅτι ἀπεστράφησάν με πάντες οἱ ἐν τῇ Ἀσίᾳ, ὧν ἐστι Φύγελλος καὶ Ἑρμογένης.
16 Homen’ ny Tompo famindram-po anie ny ankohonan’ i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako;
δῴη ἔλεος ὁ Κύριος τῷ Ὀνησιφόρου οἴκῳ, ὅτι πολλάκις με ἀνέψυξε καὶ τὴν ἅλυσίν μου οὐκ ἐπαισχύνθη,
17 fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita
ἀλλὰ γενόμενος ἐν Ῥώμῃ σπουδαιότερον ἐζήτησέ με καὶ εὗρε·
18 (ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin’ ny Tompo amin’ izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara.
δῴη αὐτῷ ὁ Κύριος εὑρεῖν ἔλεος παρὰ Κυρίου ἐν ἐκείνῃ τῇ ἡμέρᾳ· καὶ ὅσα ἐν Ἐφέσῳ διηκόνησε, βέλτιον σὺ γινώσκεις.

< 2 Timoty 1 >