< 2 Timoty 4 >

1 Eo anatrehan’ Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin’ ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy:
Nakuamuru mbele ya Mungu, na mbele ya Kristo Yesu atakayewahukumu watu walio hai na wafu, na kwa sababu anakuja kutawala akiwa Mfalme:
2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ ny fotoana, na tsy amin’ ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin’ ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
hubiri huo ujumbe, sisitiza kuutangaza (iwe ni wakati wa kufaa au wakati usiofaa), karipia, onya na himiza watu ukiwafundisha kwa uvumilivu wote.
3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany;
Utakuja wakati ambapo watu hawatasikiliza mafundisho ya kweli, ila watafuata tamaa zao wenyewe na kujikusanyia walimu tele watakaowaambia mambo yale tu ambayo masikio yao yako tayari kusikia.
4 ary hampiala ny sofiny amin’ ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ ny anganongano.
Watakataa kuusikia ukweli, watageukia hadithi za uongo.
5 Fa ianao kosa mahonona tena amin’ ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
Wewe, lakini, uwe macho katika kila hali; vumilia mateso, fanya kazi ya mhubiri wa Habari Njema, timiza kikamilifu utumishi wako.
6 Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko.
Kwa upande wangu mimi, niko karibu kabisa kutolewa dhabihu na wakati wa kufariki kwangu umefika.
7 Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho;
Nimefanya bidii katika mashindano, nimemaliza safari yote na imani nimeitunza.
8 hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’ izay rehetra tia ny fisehoany koa.
Na sasa imebakia tu kupewa tuzo la ushindi kwa maisha ya uadilifu, tuzo ambalo Bwana Hakimu wa haki, atanipa mimi Siku ile na wala si mimi tu, ila na wale wote wanaotazamia kwa upendo kutokea kwake.
9 Mazotoa hankatỳ amiko faingana ianao;
Fanya bidii kuja kwangu karibuni.
10 fa Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia. (aiōn g165)
Dema ameupenda ulimwengu huu akaniacha na kwenda zake Thesalonike. Kreske amekwenda Galatia, na Tito amekwenda Dalmatia. (aiōn g165)
11 Lioka ihany no ato amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin’ ny fanompoana izy.
Luka peke yake ndiye aliye hapa pamoja nami. Mpate Marko uje naye, kwa maana ataweza kunisaidia katika kazi yangu.
12 Tykiko dia nirahiko ho any Efesosy.
Nilimtuma Tukiko kule Efeso.
13 Ilay kapôty navelako tany Troasy tao amin’ i Karpo, dia ento, raha mankaty ianao, ary ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra.
Utakapokuja niletee koti langu nililoacha kwa Karpo kule Troa; niletee pia vile vitabu, na hasa vile vilivyotengenezwa kwa ngozi.
14 Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany;
Yule sonara aitwaye Aleksanda amenitendea maovu mengi; Bwana atamlipa kufuatana na hayo matendo yake.
15 tandremonao ihany izy iny, fa nanohitra fatratra ny teninay.
Jihadhari naye kwa sababu aliupinga ujumbe wetu kwa ukali.
16 Tamin’ ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany).
Wakati nilipojitetea kwa mara ya kwanza hakuna mtu aliyesimama upande wangu; wote waliniacha. Mungu asiwahesabie kosa hilo!
17 Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin’ ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren’ ny jentilisa rehetra izany; ary izaho novonjena tao am-bavan’ ny liona.
Lakini, Bwana alikaa pamoja nami, akanipa nguvu, hata nikaweza kuutangaza ujumbe wote, watu wa mataifa wausikie; tena nikaokolewa katika hukumu ya kifo kama kinywani mwa simba.
18 Ary ny Tompo hanafaka ahy amin’ ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin’ ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
Bwana ataniokoa na mambo yote maovu, na kunichukua salama mpaka katika Utawala wake wa mbinguni. Kwake uwe utukufu milele na milele! Amina. (aiōn g165)
19 Manaova veloma amin’ i Prisila sy Akoila mbamin’ ny ankohonan’ i Onesiforosy;
Wasalimu Priska na Akula, pamoja na jamaa ya Onesiforo.
20 Erasto nitoetra tany Korinto; fa Trofimo nilaozako tany Mileto, satria narary izy.
Erasto alibaki Korintho, naye Trofimo nilimwacha Mileto kwa sababu alikuwa mgonjwa.
21 Mazotoa hankatỳ alohan’ ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo sy Poda sy Lino sy Klaodia mbamin’ ny rahalahy rehetra.
Fanya bidii kuja kabla ya majira ya baridi. Ebulo, Pude, Lino na Klaudia wanakusalimu; vilevile ndugu wengine wote.
22 Ho amin’ ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
Bwana awe nawe rohoni mwako. Nawatakieni nyote neema.

< 2 Timoty 4 >