< 2 Tesaloniana 3 >

1 Farany, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba handehanan’ ny tenin’ ny Tompo faingana ka hankalazaina toy ny eo aminareo,
Hatimaye, ndugu, tuombeeni ili ujumbe wa Bwana uzidi kuenea upesi na kupokelewa kwa heshima kama vile ulivyo kati yenu.
2 ary mba hovonjena ho afaka amin’ ny olona hafahafa sy ratsy fanahy izahay; fa tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra.
Ombeni pia ili Mungu atuokoe na watu wapotovu na waovu, maana si wote wanaoamini ujumbe huu.
3 Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon’ ny ratsy.
Lakini Bwana ni mwaminifu. Yeye atawaimarisheni na kuwalinda salama na yule Mwovu.
4 Fa izahay matoky anareo ao amin’ ny Tompo, fa izay zavatra andidianay dia efa ataonareo sady mbola hataonareo ihany koa.
Naye Bwana anatupatia tumaini kubwa juu yenu, na hatuna shaka kwamba mnafanya na mtaendelea kufanya yale tuliyowaambieni.
5 Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ho amin’ ny faharetan’ i Kristy.
Bwana aiongoze mioyo yenu katika upendo wa Mungu na katika uvumilivu tunaopewa na Kristo.
6 Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin’ ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay.
Ndugu, tunawaamuru kwa jina la Bwana wetu Yesu Kristo, mjiepushe na ndugu wote walio wavivu na ambao hawafuati maagizo tuliyowapa.
7 Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay,
Ninyi wenyewe mnajua kwamba mnapaswa kufuata mfano wetu. Sisi tulipokuwa nanyi hatukuwa wavivu;
8 ary tsy nihinana foana izay hanin’ olona, fa niasa andro aman’ alina tamin’ ny fikelezan’ aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza;
hatukula chakula kwa mtu yeyote bila ya kumlipa. Tulifanya kazi kwa bidii na taabu mchana na usiku ili tusiwe mzigo kwa mtu yeyote kati yenu.
9 tsy noho ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba hatolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay.
Tulifanya hivyo si kwa kuwa hatuna haki ya kutaka msaada wenu, ila kwa sababu tunataka kuwapeni mfano.
10 Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay, dia nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.
Tulipokuwa pamoja nanyi tulikuwa tukiwaambieni, “Mtu asiyefanya kazi, asile.”
11 Fa renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an’ olona.
Tunasema mambo hayo kwa sababu tumesikia kwamba wako baadhi yenu ambao ni wavivu na ambao hawafanyi chochote, isipokuwa tu kujiingiza katika mambo ya watu wengine.
12 Ary izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin’ i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara amin’ ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany.
Kwa jina la Bwana wetu Yesu Kristo tunawaamuru na kuwaonya watu hao wawe na nidhamu na kufanya kazi ili wajipatie maslahi yao wenyewe.
13 Fa ianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin’ ny fanaovan-tsoa.
Lakini ninyi ndugu, msichoke kutenda mema.
14 Ary raha misy olona tsy manaiky ny teninay amin’ ity epistily ity, mariho izany olona izany, ka aza mikambana aminy, mba hahamenatra azy.
Huenda kwamba huko kuna mtu ambaye hatautii huu ujumbe tunaowapelekeeni katika barua hii. Ikiwa hivyo, basi, mfichueni mtu huyo na msiwe na uhusiano wowote naye kusudi aone aibu.
15 Anefa aza dia atao fahavalo izy, fa anaro toy ny rahalahy.
Lakini msimtendee mtu huyo kama adui, bali mwonyeni kama ndugu.
16 Ary ny Tompon’ ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin’ ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo.
Bwana mwenyewe ndiye chanzo cha amani, awajalieni amani siku zote kwa kila namna. Bwana awe nanyi nyote.
17 Ity no veloma ataon’ ny tanako, izaho Paoly; izao no famantarana eo amin’ ny epistily rehetra; izao no soratro.
Kwa mkono wangu mwenyewe naandika hivi: Salamu kutoka kwa Paulo! Hivi ndivyo ninavyotia sahihi kila barua; ndivyo ninavyoandika.
18 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
Tunawatakieni nyote neema ya Bwana wetu Yesu Kristo.

< 2 Tesaloniana 3 >