< 2 Tesaloniana 2 >

1 Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, ny amin’ ny fihavian’ i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy,
Prosimy was, bracia, przez [wzgląd na] przyjście naszego Pana Jezusa Chrystusa i nasze zgromadzenie się przy nim;
2 mba tsy halaky hohetsiketsehina amin’ ny saina na hampitahorina ianareo, na amin’ ny fanahy, na amin’ ny teny, na amin’ ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron’ ny Tompo.
Abyście nie tak łatwo dali się zachwiać w [waszym] umyśle i zatrwożyć się ani przez ducha, ani przez mowę, ani przez list rzekomo przez nas [pisany], jakoby [już] nadchodził dzień Chrystusa.
3 Aza mety hofitahin’ olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin’ ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana,
Niech was nikt w żaden sposób nie zwodzi. [Ten dzień] bowiem nie [nadejdzie], dopóki najpierw nie przyjdzie odstępstwo i nie objawi się człowiek grzechu, syn zatracenia;
4 ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin’ ny tempolin’ Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra.
Który się sprzeciwia i wynosi ponad wszystko, co się nazywa Bogiem lub co jest przedmiotem czci, tak że zasiądzie w świątyni Boga jako Bóg, podając się za Boga.
5 Tsy tsaroanareo va fa fony mbola teo aminareo ihany aho, dia efa nilaza izany zavatra izany taminareo?
Czy nie pamiętacie, że jeszcze będąc u was, mówiłem o tym?
6 Ary ankehitriny fantatrareo ny zavatra misakana, mba hampisehoana azy amin’ ny fotoan’ androny.
A teraz wiecie, co przeszkadza, tak że się objawi w swoim czasie.
7 Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna, kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany.
Tajemnica nieprawości bowiem już działa. Tylko że ten, który teraz przeszkadza, [będzie przeszkadzał], aż zostanie usunięty z drogi.
8 Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin’ i Jesosy Tompo amin’ ny fofonain’ ny vavany ary hofoanany amin’ ny fisehoan’ ny fihaviany;
Wówczas pojawi się ów niegodziwiec, którego Pan zabije duchem swoich ust i zniszczy blaskiem swego przyjścia.
9 ny fihavin’ ilehiny dia araka ny fiàsan’ i Satana amin’ ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra
[Niegodziwiec] przyjdzie za sprawą szatana, z całą mocą, wśród znaków i fałszywych cudów;
10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin’ izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.
Wśród wszelkiego zwodzenia nieprawości wobec tych, którzy giną, ponieważ nie przyjęli miłości prawdy, by zostali zbawieni.
11 Koa izany no ampanateran’ Andriamanitra fiàsan’ ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,
Dlatego Bóg zsyła im silne omamienie, tak że uwierzą kłamstwu;
12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.
Aby zostali osądzeni wszyscy, którzy nie uwierzyli prawdzie, ale upodobali sobie niesprawiedliwość.
13 Fa izahay tsy maintsy misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan’ ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin’ ny voalohany hahazo famonjena amin’ ny fanamasinan’ ny Fanahy sy ny finoana ny marina,
Lecz my nieustannie powinniśmy dziękować Bogu za was, bracia umiłowani przez Pana, że Bóg od początku wybrał was do zbawienia przez uświęcenie Ducha i wiarę w prawdę.
14 sady ho amin’ izany koa no niantsoany anareo tamin’ ny filazantsaranay hahazoanareo ny voninahitr’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
Do tego powołał was przez naszą ewangelię, abyście dostąpili chwały naszego Pana Jezusa Chrystusa.
15 Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazòny ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin’ ny teninay, na tamin’ ny epistilinay.
Dlatego, bracia, stójcie [niewzruszenie] i trzymajcie się przekazanych nauk, o których zostaliście pouczeni czy to przez mowę, czy przez nasz list.
16 Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ ny fahasoavana, (aiōnios g166)
A sam nasz Pan Jezus Chrystus i Bóg, nasz Ojciec, który nas umiłował i dał wieczną pociechę i dobrą nadzieję przez łaskę; (aiōnios g166)
17 no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin’ ny asa sy ny teny tsara rehetra.
Niech pocieszy wasze serca i utwierdzi was w każdym dobrym słowie i uczynku.

< 2 Tesaloniana 2 >