< 2 Samoela 7 >

1 Ary raha nipetraka tao an-tranony ny mpanjaka, ary efa nampiadanin’ i Jehovah tamin’ ny fahavalony rehetra manodidina azy izy,
It happened, when the king lived in his house, and the LORD had given him rest from all his enemies all around,
2 dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Natana mpaminany: Akory izato izaho mitoetra amin’ ny trano sedera, nefa ny fiaran’ Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty lay!
that the king said to Nathan the prophet, "See now, I dwell in a house of cedar, but the ark of God dwells within curtains."
3 Dia hoy Natana tamin’ ny mpanjaka: Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao; fa Jehovah no momba anao.
Nathan said to the king, "Go, do all that is in your heart; for the LORD is with you."
4 Ary tamin’ ny alin’ iny ihany dia tonga tamin’ i Natana ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
It happened the same night, that the word of the LORD came to Nathan, saying,
5 Andeha, lazao amin’ i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hianao va no hanao trano hitoerako?
"Go and tell my servant David, 'Thus says the LORD, "Shall you build me a house for me to dwell in?
6 Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ ny nitondrako ny Zanak’ Isiraely niakatra avy tany Egypta ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana.
For I have not lived in a house since the day that I brought up the children of Israel out of Egypt, even to this day, but have moved around in a tent and in a tabernacle.
7 Ary tamin’ izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin’ ny Zanak’ Isiraely, moa nisy nitenenako akory va ny firenen’ Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny Isiraely oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy manao trano sedera ho Ahy ianareo?
In all places in which I have walked throughout Israel, did I say a word to any of the judges of Israel, whom I commanded to be shepherd of my people Israel, saying, 'Why have you not built me a house of cedar?'"'
8 Koa lazao amin’ i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Izaho no naka anao avy tany an-tsaha, dia avy tamin’ ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.
Now therefore you shall tell my servant David this, 'Thus says the LORD of hosts, "I took you from the sheep pen, from following the sheep, that you should be prince over my people Israel.
9 Ary nomba anao tamin’ izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran’ izay lehibe ambonin’ ny tany ianao.
I have been with you wherever you went, and have cut off all your enemies from before you. I will make you a great name, like the name of the great ones who are in the earth.
10 Ary hifidy tany ho an’ ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin’ ny fonenany ary tsy hanana ahiahy intsony izy, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny taloha
I will appoint a place for my people Israel, and will plant them, that they may dwell in their own place, and be moved no more; neither shall the children of wickedness afflict them any more, as at the first,
11 sy tahaka ny hatramin’ ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko; ary hampiadana anao ho afaka amin’ ny fahavalonao rehetra Aho. Ary lazain’ i Jehovah aminao koa fa hanome taranaka ho anao Izy.
and from the time that I commanded judges to be over my people Israel. I will cause you to rest from all your enemies. Moreover the LORD tells you that he will build you a house.
12 Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany;
And it will come about when your days are fulfilled, and you sleep with your fathers, that I will raise up your descendant after you, who will come from your body, and I will establish his kingdom.
13 dia io no hanao trano ho an’ ny anarako, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianan’ ny fanjakany ho mandrakizay.
He will build a house for my name, and I will establish his throne forever.
14 Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin’ ny tsorakazon’ ny olona sy ny kapoky ny zanak’ olombelona;
I will be his father, and he shall be my son. If he commits iniquity, I will chasten him with a human rod, and with the stripes from human beings;
15 nefa ny famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin’ i Saoly, izay nesoriko teo alohanao.
but my loving kindness I will not take from him, as I took it from Saul, whom I put away before you.
16 Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.
And your house and your kingdom shall be made sure forever before me, and your throne shall be established forever."'"
17 Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana rehetra izao no nolazain’ i Natana tamin’ i Davida.
According to all these words, and according to all this vision, so Nathan spoke to David.
18 Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan’ i Jehovah ary nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Tompo ô? Ary zinona ny mpianakaviko, no novimbininao ambaraka ankehitriny aho?
Then king David went in and sat before the LORD and said, "Who am I, Lord GOD, and what is my house, that you have brought me thus far?
19 Ary mbola ataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Jehovah Tompo ô, fa, indro, efa voalazanao koa ny amin’ ny taranaky ny mpanomponao hatramin’ ny mbola any aoriana lavitra aza. Ary izany dia fanaon’ ny olona, Jehovah Tompo ô.
This was a small thing in your eyes, Lord GOD, and you have spoken of your servant's house for a great while to come, and you have let me look upon the generation of humankind to come, Lord GOD.
20 Ka inona intsony no holazain’ i Davida aminao? Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, no mahalala ny mpanomponao.
And what more can David add to you concerning the honor which is done to your servant? For you know your servant, LORD.
21 Noho ny teninao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe rehetra io, hampahalalanao ny mpanomponao.
For your servant's sake, and according to your own heart, you have worked all this greatness, to make your servant know it.
22 Koa amin’ izany dia lehibe Hianao, Jehovah Andriamanitra; fa tsy misy tahaka Anao, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao araka izay rehetra ren’ ny sofinay.
Therefore you are great, Lord GOD. For there is none like you, neither is there any God besides you, according to all that we have heard with our ears.
23 Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan’ Andriamanitra havotana ho olony, sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho anareo sy zava-mahatahotra ho an’ ny taninao teo anatrehan’ ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin’ ny firenen’ i Egypta sy ny andriamaniny?
And who is like your people Israel, the one nation on earth whom God went out to redeem to be a people for himself, and to make a name for yourself, and to do great and awesome deeds by driving out before your people, whom you redeemed for yourself from Egypt, a nation and its gods?
24 Dia nampitoerinao ny Isiraely olonao ho olonao mandrakizay: ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.
And you established your people Israel for yourself to be your people forever; and you, LORD, became their God.
25 Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitra ô, ilay teny nolazainao ny amin’ ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.
Now, Lord GOD, the word that you have spoken concerning your servant, and concerning his house, confirm it forever, and do as you have spoken.
26 Ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe; Jehovah, Tompon’ ny maro, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak’ i Davida mpanomponao.
Let your name be magnified forever, saying, 'The LORD of hosts is the God of Israel,' and the house of your servant David shall be established before you.
27 Fa Hianao, Jehovah Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, efa nilaza tamin’ ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao; koa izany no nampahasahy ny fon’ ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao.
For you have revealed to your servant, saying, 'I will build you a house.' Therefore your servant has found in his heart to pray this prayer to you.
28 Ary noho izany, Jehovah Tompo ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin’ ny mpanomponao,
"Now, O Lord GOD, you are God, and your words are truth, and you have promised this good thing to your servant.
29 dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa Hianao, Jehovah Tompo ô, efa niteny izany; eny, aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay.
Now therefore let it please you to bless the house of your servant, that it may continue forever before you; for you, Lord GOD, have spoken it. Let the house of your servant be blessed forever with your blessing."

< 2 Samoela 7 >