< 2 Samoela 5 >

1 Dia tonga tao amin’ i Davida tao Hebrona ny firenen’ Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao.
Alors toutes les tribus d'Israël vinrent auprès de David à Hébron et lui parlèrent ainsi: « Voici, nous sommes tes os et ta chair.
2 Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia ianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
Autrefois, lorsque Saül régnait sur nous, c'est toi qui faisais sortir et entrer Israël. Yahvé t'a dit: « Tu seras le berger de mon peuple d'Israël, et tu seras le prince d'Israël ».
3 Eny, tonga tao amin’ ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ary Davida mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’ i Jehovah; ary dia nanosotra an’ i Davida ho mpanjakan’ ny Isiraely izy.
Tous les anciens d'Israël vinrent donc trouver le roi à Hébron, et le roi David fit alliance avec eux à Hébron, devant Yahvé, et ils oignirent David comme roi d'Israël.
4 Telo-polo taona Davida fony izy vao nanjaka, ary nanjaka efa-polo taona izy.
David avait trente ans lorsqu'il devint roi, et il régna quarante ans.
5 Tao Hebrona no nanjakany tamin’ ny Joda fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no nanjakany tamin’ ny Isiraely sy ny Joda rehetra telo amby telo-polo taona.
A Hébron, il régna sur Juda pendant sept ans et six mois, et à Jérusalem, il régna pendant trente-trois ans sur tout Israël et Juda.
6 Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin’ ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy ireo tamin’ i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe: Tsy ho tafiditra eto Davida.
Le roi et ses hommes partirent pour Jérusalem contre les Jébusiens, habitants du pays, qui parlaient à David en disant: « Les aveugles et les boiteux t'empêcheront d'entrer ici », pensant: « David ne peut pas entrer ici. »
7 Kanjo afak’ i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan’ i Davida izany).
Néanmoins, David prit la forteresse de Sion. C'est la ville de David.
8 Ary hoy Davida tamin’ izany andro izany: Izay mamely ny Jebosita, dia aoka hananika ho eo amin’ ny riana ka hamely, ny mandringa sy ny jamba izay halan’ ny fon’ i Davida. Koa dia mby am-pitenenana hoe: Izay jamba mandringa tsy ho tafiditra ao an-trano.
Ce jour-là, David dit: « Que celui qui frappe les Jébusiens monte au cours d'eau et qu'il frappe les boiteux et les aveugles, qui sont haïs par l'âme de David. » C'est pourquoi on dit: « L'aveugle et le boiteux ne peuvent entrer dans la maison. »
9 Dia nitoetra tao anatin’ ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan’ i Davida. Ary narafitr’ i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin’ ny ao anatiny.
David habitait dans la forteresse, et il l'appelait la ville de David. David construisit tout autour, depuis Millo et vers l'intérieur.
10 Koa dia nandroso sy nihalehibe Davida, fa Jehovah, Andriamanitry ny maro, no nomba azy.
David devenait de plus en plus grand, car Yahvé, le Dieu des armées, était avec lui.
11 Ary Hirama, mpanjakan’ i Tyro, naniraka olona tany amin’ i Davida nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpandrafitra sy tambato; dia nanao trano ho an’ i Davida ireo.
Hiram, roi de Tyr, envoya des messagers à David, avec des cèdres, des charpentiers et des maçons, et ils construisirent une maison à David.
12 Dia fantatr’ i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan’ ny Isiraely ka nanandratra ny fanjakany noho ny amin’ ny Isiraely olony.
David comprit que l'Éternel l'avait établi roi d'Israël et qu'il avait élevé son royaume à cause de son peuple d'Israël.
13 Ary Davida mbola naka vaditsindrano sy vady koa tany Jerosalema, rehefa tonga avy tany Hebrona izy; ary dia nisy zanakalahy sy zanakavavy koa naterak’ i Davida.
David prit encore des concubines et des femmes à Jérusalem, après être venu d'Hébron, et il lui naquit encore des fils et des filles.
14 Ary izao no anaran’ ny naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
Voici les noms de ceux qui lui sont nés à Jérusalem: Shammua, Shobab, Nathan, Salomon,
15 sy Jibara sy Elisoa sy Nafega sy Jafia
Ibhar, Elishua, Nepheg, Japhia,
16 sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta.
Elishama, Eliada et Eliphelet.
17 Koa nony ren’ ny Filistina fa efa nohosoran’ ny olona ho mpanjakan’ ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren’ i Davida izany dia nidina tao amin’ ny batery fiarovana izy.
Lorsque les Philistins apprirent qu'on avait oint David comme roi d'Israël, tous les Philistins montèrent à la recherche de David, mais David l'apprit et descendit à la forteresse.
18 Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
Les Philistins étaient venus et s'étaient répandus dans la vallée des Rephaïm.
19 Ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin’ i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina.
David consulta l'Éternel et dit: « Monterai-je contre les Philistins? Les livreras-tu entre mes mains? » Yahvé dit à David: « Monte, car je vais livrer les Philistins entre tes mains. »
20 Ary Davida tonga tao Bala-perazima ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran’ izany tany izany hoe Bala-perazima.
David arriva à Baal Perazim, et là il les frappa. Il dit alors: « Yahvé a brisé mes ennemis devant moi, comme une brèche dans les eaux. » C'est pourquoi il donna à ce lieu le nom de Baal Perazim.
21 Ary nilaozany tao ny sampiny, ka dia lasan’ i Davida sy ny olony ireny.
Ils laissèrent là leurs images, et David et ses hommes les emportèrent.
22 Ary niakatra indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
Les Philistins montèrent encore et se répandirent dans la vallée des Rephaïm.
23 Ary nanontany tamin’ i Jehovah Davida, ka novaliany hoe: Aza mandeha; fa hodidino avy eo aoriana izy, ka ho tonga eo aminy ianao eo amin’ ny tandrifin’ ny hazo balsama.
David consulta Yahvé, qui lui dit: « Tu ne monteras pas. Fais le tour derrière eux, et attaque-les devant les mûriers.
24 Ary raha toa mahare fingadongadon’ olona eny amin’ ny tendron’ ny hazo balsama ianao, dia faingàna; fa amin’ izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny miaramilan’ ny Filistina.
Quand tu entendras le bruit de la marche dans les cimes des mûriers, alors remue-toi, car c'est alors que Yahvé sortira devant toi pour frapper l'armée des Philistins. »
25 Ary dia nanao araka ny nandidian’ i Jehovah azy Davida ka dia namely ny Filistina hatrany Geba ka hatrao akaikin’ i Gazera izy.
David fit ainsi, comme Yahvé le lui avait ordonné, et il frappa les Philistins sur tout le chemin, de Guéba à Guézer.

< 2 Samoela 5 >